Madagasikara : haintany, rivodoza ary fianarana miatrika ny toetr’andro mahery vaika

Miverimberina ary mihamafy ny fiantraikan’ny tranga ateraky ny toetr'andro mahery vaika any atsimo sy atsimo-atsinanan'i Madagasikara. Manodidina ny 1,2 tapitrisa eo ho eo ireo mponina miatrika tsifanjariantsakafo.

Abela Ralaivita
Nomena Nirina, 16 ans, se tient debout dans sa salle de classe détruite à l'école secondaire d'Antsenavolo, dans le sud-est de Madagascar. L'UNICEF a reconstruit le toit de l'école après qu'elle a été endommagée par deux cyclones en 2022, mais en 2023, le cyclone Freddy a à nouveau causé d'importants dégâts. Les cyclones et les tempêtes tropicales sont devenus un phénomène de plus en plus préoccupant dans la région.
UNICEF/UNI418565/Prinsloo
25 Oktobra 2023
Les soeurs Cendrinah (16 ans) et Francine (15 ans) dans leur salle de classe détruite à l'école secondaire d'Antsenavolo,
UNICEF/UNI418705/Prinsloo

Izy mirahavavy, Cendrinah (16 taona) sy Francine (15 taona), ao anatin’ny efitrano rava ao amin’ny lisea Antsenavolo, faritra atsimo atsinanan'i Madagasikara. "Nanao ezaka avo roa heny aho mba hifindra kilasy satria matetika no nanapaka ny fianarako nandritra ny vanim-potoan’ny rivodoza" hoy i Francine.

L'UNICEF a aidé à reconstruire les toits des trois salles de classe de l'école

Nanampy tamin'ny fananganana ny tafon'ny efitrano fianarana telo rava vokatry ny fandalovan’ny rivodoza indroa misesy tamin'ny 2022, sy ny rivodoza Freddy tamin'ny 2023 ny UNICEF. Mitady vahaolana maharitra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy koa ny UNICEF mahakasika ireo efitrano fianarana ireo.

Cendrinah et Francine passent devant leur maison ravagée, près de l'école.

Nandalo teo amin’ny tranony rava izy niorina teo akaikin’ny sekoly koa i Cendrinah sy Francine. Ny mpifanila vody rindrina no nampiantrano azy ireo fa tsy nanana fomba entina manarina ny trano ny fianakaviana

Jocelyne (16 ans) et ses enseignants devant la tente qui sert de salle de classe provisoire

Jocelyne (16 taona) sy ireo mpampianatra azy mananoloa ny tranolay natsangana vonjimaika hatao efitrano fianarana ao an-tanànan'i Irondro, faritra atsimo atsinanan'i Madagasikara. "Soa fa nisy tranolay, dia afaka nanohy fianarana haingana izahay" hoy i Jocelyne. 

Un homme prépare un champ pour planter du riz dans le district de Mananjary

Lehilahy iray manomana saha hambolena vary ao amin'ny distrikan'i Mananjary, atsinanan'i Madagasikara. Nanimba ny vokatry ny fambolena ny fiverimberenan’ireo rivodoza tany amin'iny faritra iny.  

Un vendeur de rue commercialisant des légumes à Irondro

Mpivarotra legioma eny amoron-dalana any Irondro, faritra atsimo-atsinanan'i Madagasikara. Vitsy ny sakafo eo amin’ny faritra noho ny fahahakelezan’ny vokatra.

Des années de sécheresse sévère ont dévasté les récoltes et fortement limité l'accès à l'eau potable et à la nourriture dans la région.

Rano fisotron'ny biby ao an-tanànan'i Tanindrato no sady ijobohan’ny ankizy, faritra atsimo andrefan'i Madagasikara. Ravan’ny haintany mahery vaika nisesisesy an-taonany maro ny vokatra ary nihena be koa ny rano azo sotroina sy azo ampiasaina amin’ny sakafo any amin'ny faritra.

La consommation d'eau sale est l'une des principales causes de diarrhée et de malnutrition chez les enfants.

Ankizy iray maka rano masira hampiasaina ao an-trano ao amin'io tanàna io ihany. Ny fisotroana rano maloto no isan’ny mahatonga ny aretim-pivalanana sy ny tsifanjariantsakafo eo amin'ny ankizy.

Un réservoir d'eau conserve l'eau tirée d'un puits souterrain, fournissant de l'eau sûre et un système d'irrigation aux habitants du village de Nisoa

Siniben-drano hitehirizana ny rano notrohina avy any ambanin'ny tany, hisitrahana rano azo antoka sy fampidiran-drano ho an’ny fambolena ho an'ny mponina ao an-tanànan'i Nisoa, faritra atsimo andrefan'i Madagasikara. Nividy rano masira nentin'ny saretin’omby avy amin'ny rano akaiky indrindra, làlana  adiny roa miala avy eo aminy ny mponina 1800, talohan'izao ny mponina.

Villageois travaillant dans un jardin potager, rendu possible par la construction du système d'eau à usage multiple. 

Tantsaha iray manondraka saham-pambolena legioma, izany no azo atao dia vokatry ny fananganana rafitra hahazoana rano azo ampiasaina amin’ny lafiny maro. 

 

Claudia, une mère célibataire de 22 ans, tient dans ses bras son fils de six mois, Jean Claude, qui souffre de malnutrition sévère aiguë.

Claudia, reny tokantena, 22 taona, mitrotro ny zanany lahikely, enim-bolana, Jean Claude, mijalin’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika. Mandeha fiara fitateram-bahoaka 40 kilometatra isan-kerinandro izy mba hamonjy ny tobim-pahasalamana ao an-tanànan'i Itampolo, any atsimo andrefan'i Madagasikara izy.

À chaque visite, on mesure le tour de bras de Jean Claude et on le pèse pour vérifier s'il a pris du poids.
UNICEF/UNI419413/Prinsloo

Isaky ny fitsidihana dia refesina ny sandrin'i Jean Claude kely ary lanjaina hatrany izy mba hahitana raha nitombo ny lanjany.  Nahazo 700 grama izy tamin'ity herinandro ity. Omena fonosan-tsakafo misy voanjo voatoto antsoina hoe PlumpyNut ny ankizy iharan’ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika. "Matoky kokoa aho izao" hoy i Claudia. Nitombo kely ny lanjany, na dia mbola malain-komana aza izy indraindray. " Ankizy maherin'ny 120.000 no heverina fa hila fanampiana vokatry ny tsy fahampian-tsakafo amin'ity taona ity, araka ny vinavina.


Les enfants qui ont été fortement mal nourris et qui ont des complications telles que des infections respiratoires sont hospitalisés.
UNICEF/UNI419603/Prinsloo

Ampidirina hopitaly ny zaza tena tsy ampy sakafo sady tratry ny aretina mafy sy sarotra toy ny aretim-pisefoana. Manampy an'i Tsovaraza mamahana ny zanany lahy, 18 volana, Toviraza, tratry ny aretin’ny taovam-pisefoana izy, ao amin'ny hopitalin’i Betioky izy no nampidirina hoy ny Tompon’andraikitry ny UNICEF ho an’ny fanjariantsakafo - Sitraka Randrembason,. " Izay vao azoko ny aiko. Efa mihinana kokoa sy matory tsara kokoa izy izao,"hoy i Tsovaraza.  

Le pêcheur Lucien Zelody (64 ans) et sa famille préparent des filets de pêche dans le village d'Itampolo.
UNICEF/UNI419338/Prinsloo

Sarin’i Lucien Zelody (64 taona), mpanjono, sy ny fianakaviany manomana harato fanjonoana ao an-tanànan'i Itampolo. Mandray vatsin’ankohonana 2,50 dolara avy amin'ny UNICEF sy ireo mpiara-miasa aminy, isam-bolana, isaky ny zaza sy isaky ny vehivavy bevohoka, mba hanohanana azy ireo hisetra ny haintany sy fiovana ny toetr'andro, ity fianakaviana ity. Torak’izany koa ireo fianakaviana hafa 472 ao an-tanàna. "Mihabetsaka ny rivodoza ankehitriny ka andro maro no tsy ahafahako mandeha manarato" hoy i Lucien.