Skoto : mahery fo manolo-tena tsy misalasala manao vy very ny ainy hamonjena ny an’ny hafa.
Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, manohy ny asa fanentanana any amin’ireo ny fiarahamonina tena voa mafy i Mahavita sy ny ekipany.
Nivory manoloana ny fiangonan’ny kartie an’Antsongobory ny skoto, tany atsimo andrefan’i Madagasikara indray misandratr’andro. Nametaka ny folara sy ny mari-pamantarana maneho ny fihaviany sy ny soatoavina ananany avy izy ireo. Ary samy nanao fanamiana: volon-tany ho an’ny lehilahy, ary manga ho an’ny vehivavy. Misy telopolo eo ho eo izy ireo no mandrafitra ny vondrona tarihin’i Mahavita, 25 taona, mpianatra jeografia ao amin’ny oniversiten’i Toliary. Nizara tarika telo izy ireo tamin’io andro io handeha hiasa any amin’ny kartien’i Antsongobory. Vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy dia miangona eny rehetra eny ny ny rano miandrona.
Feno fahavononana ireo tanora. Voalohan-daharana izy ireo rehefa namely mafy ny Faritra ny rivo-doza tamin’ny volana martsa 2023. Niara-dalana tamin’ny UNICEF sy ireo mpisehatra hafa izy ireo ka nanentana sy nanampy ny mponina hamonjy fialofana azo antoka, indrindra ireo mipetraka eny amin’ny faritra mampidi-doza. « Izahay no andrin’ny fianakaviana ka nanolo-tena hamonjy aina izaha. Ireo foto-kevitra roa ireo no iorenan’ny faharesen-dahatray, ka tsy misalasala izahay hanao vy very ny ainay hanampiana ny mpiara-monina », hoy ny fanazavan’i Mahavita tamim-pireharehana.
Nandray anjara tamin’ny asa fanentanana sy fampahalalana maro samihafa teny amin’ny toby nandraisana ny tra-boina izy ireo mba hahamora ny fandaminana teny an-toerana. Tena namaha olana ny asa nataon’izy ireo indrindra fa nandritra ny hamehana voalohany vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, izay nahafatesana olona 17 sy niteraka trà-boina miisa 190 000 tamin’ny Faritra 12 teto Madagasikara.
Asa mitohy
Samy namonjy ny faritra voatendry hiasan’izy ireo avy ny tarika notendren’i Mahavita, rehefa vita ny fivoriana. Nizara tamin’izay nifanena tamin’izy ireo ny fomba fanao tsara mahakasika ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana izy ireo. « Mampihena ny fihanaky ny areti-mifindra mety mitranga aorian’ny ffandalovan’ny rivodoza ny fampiharana ireo fihetsika tsara tokony hatao , hoy ny fanazavan’i Léonard, iray amin’ny tarik’i Mahavita.
Saika tanora avokoa ny mpivondrona ao amin’ny skoto, saingy nisongadina tamin’izy ireo i Fanomeza, vehivavy 49 taona. Niditra tao amin’ny fikambanan izy dimy taona lasa izay satria resy lahatra fa afaka ny handray anjara hanohanana ny fiaraha-monina. « Lalana iray hanefena ny toetra ny fikambanana skoto sady manamafy ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora. Tena hitako fa lasa mahay miatrika ny zava-drehetra ny zanako telo ao anatin’ny fikambanana », hoy Fanomeza, nizara ny fahavitrihan’ny vondrona. Na i Mahavita, na i Léonard, na i Fanomeza na ny mambran’ny vondrona tsirairay dia eken’ny fiaraha-monina ho mpisehatra manolo-tena sady tena ilaina hampandrosoana ny firenena.
Skoto 300 manerana ny Faritra Atsimo Andrefana sy Menabe no voahetsika hanao ny asan’ny serasera sy fanoloran-tena hiasa ho an’ny fiaraha-monina eny amin’ny faritra mampidi-doza, ary fanentanana ny fiaraha-monina eny amin’ny toby fandraisana tra-boina, noho ny fanohanana ara-tekinika sy ara-bola ataon’ny UNICEF. An’arivony ny aina voavonjin’ireo mahery fo feno fanetren-tena ireo.