Miatrika ny faharavana nateraky ny rivo-doza Gezani i Jacqueline sy ny fianakaviany
Nitady fialofana tao amin'ny toby fandraisana ny tra-boina tao Salazamay i Kambana Jacqueline sy ny zanany taorian'ny fandalovan'ny rivodoza mahery vaika Gezani, ary mbola manana fanantenana ho an'ny hoavin'ny fianakaviany izy.
Feno hipoka ny toby fandraisana ny tra-boina ao Salazamay, Toamasina, Faritra Antsinanan’i Madagasikara. Fianakaviana maro no niolomay nitady fialofana tao tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny alin’ny 10 febroary 2026.Eo anivon’izany vahoaka ve izany dia mamihina mafy ireo zanany anankiroa : Jean de Dieu 13 taona sy ny zandriny herintaona sy tapany i Kambana Jacqueline.. Manambady izy saingy tsy miasa izy amin’izao fotoana izao, satria mila fikarakarana manokana ny zanany farany izay manana fahasembanana.
Nahare ny fanairana mikasika ny fahatongavan’ny rivodoza ny fianakaviana saingy nisafidy ny hijanona tao an-trano ihany aloha tamin’ny voalohany. Tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro anefa, rehefa nanomboka nirotsaka ny ranonorana, dia nahatsapa izy ireo fa mety hiharatsy haingana ny toe-javatra. Adiny iray taorian’izay, noho ny herin’ny tafio-drivotra sy ho fiarovana ny ankizy, dia nanapa-kevitra ny hamonjy ny toby fandraisana ny tra-boina akaiky indrindra azy izy ireo.
Tamin’ny 5 ora hariva no nianga izy ireo ary nentiny niaraka taminy ny ny entana sasany izay tena ilaina. Fotoana fohy taorian’izay dia nitsoka mafy dia mafy ny rivotra. Nanomboka teo ka hatramin’izao dia mbola mitoby ao amin’io toby fandraisana olona tra-boina io hatrany ilay fianakaviana.
« Tena natahotra aho tamin’ny fidirana’ilay rivodoza tao an-tanàna, satria mahery vaika ny rivotra. Ankoatr’izay, tsy teo niaraka taminay ny vadiko satria miasa alina amin’ny maha mpiambina azy izy. Nanampy anay nitatitra entana vitsivitsy nankany amin’ny toby fandraisana olona tra-boina fotsiny izy, avy eo tsy maintsy nandeha niasa toy ny mahazatra. Tsy nampandry ny saiko mihitsy izany. »
Lava ny alina ho an'ny fianakaviana
Tena nampijaly ary adymafy no niatrehana ny alina. Mieritreritra ilay raim-pianakaviana tavela tany am-piasana, sadyy mitebiteby misaina izay mety ho fahasimban’ny trano.Zary toa tsu ho tapitra mihitsy ny alina.
Ny ampitso maraina, rehefa lasa ny rivodoza, dia namonjy nijery ny fonenany ny fianakaviana. Mavesatra ny fahavoazana: potika ny trano ary mbola dibo-drano ny ampahany hatreto. Ny tafon’ny trano lehibe kosa dia lasan’ny rivotra.
« Mikatona ny sekoly amin’izao fotoana izao. Te-hiverina hianatra aho, saingy mbola tsy fantatro hoe rahoviana no ho tanteraka izany satria simba koa ny sekoly nianarako. Lasan’ny rano ny ampahany tamin’ireo fitaovam-pianarako. Na dia izany aza anefa dia nisy voavonjy ihany satria noentina niaraka tamin’ireo entana nankeny amin’ny tobyfandraisana ny tra-boina. »
Mbola manana fanantenana ihany anefa i Jacqueline. Resy lahatra izy fa ho tafarina ny fianakaviany ary mbola manantena izy fa mbola hisy ho avy tsara kokoa ho an’ny zanany.
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza mahery vaika Gezani izay nandravarava, dia nambara fa tafiditra ao anatin’ny hamehana ny firenena ny 11 febroary 2026.
Maherin’ny 250 000 ny isan’ireo tra-boina voaisa manerana ny firenena. Ny vehivavy sy ny ankizy no tena voa mafy amin’izany.
Efa eny an-kianja ny UNICEF miaraka miasa amin’ny manam-pahefana sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny asa mitsinjo ny maha-olona. Eo am-pizarana ireo fanampiana voalohany izy ireo: rano fisotro madio, fitaovana fidiovana, fialofana vonjimaika, ary fanohanana ireo tolotra fototra. Izany dia natao mba hanampiana ireo fianakaviana voa mafy hahafahany miatrika nyhamehana sy hiarovana ny fahasalamana, ny fandriampahalemana, ary ny fiadanam-po ho an’ny ankizy. Manoloana ny toe-draharaha mampitombo ny fahasarotana ara-tsosialy sy ara-toekarena, dia tena manan-danja ny hetsika rehetra atao ho fiarovana ny ankizy.
Fanamarihana: ny fepetra raisina manoloana ny hamehana anisan'izany ny fepetra raisinamialoha ny hiavian’ny loza, dia hetsika izay vatsian'ny Tahiry Foibe momba ny Fepetra manoloana ny hamehana eo anivon'ny Firenena Mikambana (UN CERF).