Vahaolana maharitra ho an’ny fandrahoana sakafo mahasalama ny ankizy sy ny rehetra.
Tokantrano 4 000 any amin’ireo écovillages any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara no nisitraka fatana nohatsaraina hoenti-mitandro ny fahasalamana sy miaro ny tontolo iainana.
Ecovillage ao Ankilitelo - manentana sy manabe ny mponina momba ny fomba fanao tsara mikasika ny sakafo ara-pahasalamana i Sitraka Randrembason, manam-pahaizana manokana momba ny sakafo ara-pahasalamana ao amin’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny UNICEF, mialoha ny fizarana ny fatana nohatsaraina.
Anisan’ireo vehivavy ao an-tanàna ity ramatoa ity. Sady mampinono ny zanany izy no manaraka am-pahalianana fatratra ireo torohevitra zarain’ireo mpitsidika.
Mitsangana eo anilan’ireo fitaovana hozaraina ny ankizy. Tena liana koa izy ireo ary miandry fatratra ny anjara fitaovana natokana ho an’ny tokantrano misy azy avy.
Manaranaso ny fahamasahan’ireo legioma nokarakaraina manokana ho amin’ny fampisehoana ny fampiasana fatana mandeha amin’ny masoandro ny iray amin’ireo mponina ao antanana.
Taorian’ny fizarana dia samy faly sy tretrika nitondra ny anjara fatana nohatsaraina nody any antokatranony avy ny fianakaviana tsirairay.
Anisan’izany i Navoaky, renim-pianakaviana manan-janaka telo, izay mahandro mangahazo amin’ny alalan’ny fatana nohatsaraina.
« Rehefa nanandrana azy aho dia nahatsikaritra fa sady miara-masaka no haingana ary matsiro kokoa ny mangahazo », hoy izy.
Manetroka izay tsy izy no sady manimba ny fahasalamana, indrindra ho an’ireo ankizy madinika ny fampiasana ny fatana nentim-paharazana.
Manazava i Mary, mpilatsaka an-tsitrapo ho mpahandro ao amin’ny trano fisakafoanan’ny sekoly fa tsy tena zaka ny setroka ary mandany kitay betsaka ireo fatana nentim-paharazana.
Manampy ny ray aman-dreny tsy handany fotoana hitady kitay intsony, ka ho afaka mifantoka bebe kokoa amin’ny fikarakarana ny zanany ireo fatana nohatsaraina, izay mamoaka setroka kely kokoa sady mitsitsy kitay.
Mitrotro ny zanany vao roa herinandro minja i Faholo. Mirehareha ery izy mjery azy. Vao haingana ny tokatranony no nahazo fatana nohatsaraina. « Faly tokoa izahay, tena manampy betsaka anay amin’ny fiainana andavanandro ilay izy », hoy izy amim-pahatsorana. Faly koa izy fa afaka manokana fotoana bebe kokoa ho an’ny fianakaviany.
Fanamarihana : ny programa Clean Cooking dia vatsian’ny Komity Nasionaly Koreana ho an’ny UNICEF.
Ity foto-kevitra momba ny écovillage ity dia tohanan’ny Komity Nasionaly ho an’ny UNICEF any Belgique, Pays-Bas, Royaume-Uni (fondations Moondance sy Eleva), Frantsa, Andorra, Korea, Alemaina ary Norvezy (Kiwi).