COP30 : Hiara-mientana isika anio mba hanorina ny toetrandro rahampitso sy ny hoavin’ny ankizy

Ao anatin’ny fiomanana amin’ny COP30 dia mampahatsiahy ny UNICEF fa mifanjohy ny olanan’ny toetrandro sy ny olana mifandraika amin’ny zon’ny ankizy.

Louise Lambert Muyard
Mars 2023, région Atsimo-Andrefana – Des villageois au milieu des eaux laissées par le cyclone Freddy.
UNICEF/UN0831627/Andriantsoarana
06 Novambra 2025

Miomana ny handray ny kaoferansa karakarain’ny firenena mikambana mba hifampiresahana mikasika ny toetrandro   (COP30 na ny « Conférence des Nations Unies sur le clima »t) izay hotanterahina ny 10 ka hatramin’ny  21 novembre 2025 ho avy izao, any  Belém au Brésil ny planeta manontolo amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany fiomanana izany dia mampahatsiahy fahamarinana manan-danja iray ny UNICEF : mifanjohy ny olana mifandraika amin’ny toetrandro sy ny  olana  mifandraika amin’ny zon’ny ankizy. Ity vovonana ity no andrasana fatratra ho lasa kihon-dalana iray izay hametraka ny ankizy ho ivon’ny hetsika rehetra mifandraika ny toetrandro atao manerantany.


Miantraika amin’ny ankizy hatraiza hatraiza eto amin’izao tontolo izao ny vokatry ny fikorontanana sy ny fahasimban’ny lalàna mifehy ny toetrandro. Eto Madagasikara moa, izay firenena anisan’ny tena marefo dia efa zary rivo-piainana izany fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro izany.

Loza mananontanona ho an’ny fiainana sy ny ho avin’ny ankizy ny fiovaovan’ny toetrandro

Rivo-doza, tondra-drano, haitany, hafanana mahery vaika… Mitombo hatrany ireo loza izay mamely ny tanora sy ny olon-dehibe.  Simbainy ny sekoly, tapaka ny fianarana, mitombo ny tsy fanjariantsakafo ary atahorana ny aina sy ny fiarovana ny ankizy.


Voalazan’ny UNICEF fa efa an-davitrisany ireo zaza maneran-tany mivelona ao anaty tontolo met hisy loza hitranga noho ny fisian’ny olana ara-toetrandro be loatra.  

Raha tsy misy hetsika haingana atao dia hahatratra 28 tapitrisa ireo ankizy vaovao hijaly vokatry ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika amin’ny taona 2050. 

Vao teraka izy ireo dia efa miaritra ny vokatr’izany olana ara-toetrandro izany : isaky ny hafanana iray degire miakatra dia mitombo  5 % ny risika mety hahateraka tsy tonga volana na hahafaty eo am-pahaterahana ny zaza iray. Tsy olana mbola lavitra izany ity olana mifandraika amin’ny toetrandro ity fa efa loza mananontananona ho an’ny fiainana, ny fahasalamana ary ny filaminam-piainan’ny ankizy.

Région d’Ambovombe, sud de Madagascar – Un petit garçon s’abrite derrière un tronc d’arbre pour se protéger des rafales de vent chargé de sable.
UNICEF/UN0595862/Andrianantenaina Faritra Ambovombe, any atsimon’i Madagasikara – Zazalahy kely iray no miafina ao ambadiky ny hazo mba hiarovany tena amin’ny rivotra mitsoka mahery mitondra fasika.

Madagasikara, lohalaharana raha ny olana mifandraika amin’ny toetrandro no resahina

Tafakatra  7,9 amin’ny 10 ny  tondro ho an’ny loza mety hahazo ny ankizy mifandraika amin’ny toetrandro  (CCRI), eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny firenena folo mizaka ny mafy indrindra vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro i Madagasikara. Miatrika rivo-doza mahery vaika, ny haitany maharitra, ny tsy fanjariantsakafo izay mitombo hatrany, ary fatiantoka ara-toe-karena mihoatra ny iray lavitrisa dôlara ny firenena.

Lohalaharana mety hiharan’ny fahapotehan’ny toetrandro ny ankizy. Misy haitany ny faritra atsimo raha rivo-doza kosa no mamely ny faritra atsinanana. Tao anatin’ny 20 taona farany izao dia rivo-doza  45, tondra-drano 18 ary haitany mahery vaika 7 no nihatra sy namely ankizy hatrany amin’ny  5 tapitrisa tany ho any (UNICEF, 2024).

Betsaka ny vokatra aterak’izany eo amin’ny zon’ny ankizy :

Fahasalamana : 

  • Mihoatra ny  2,9 tapitrisa ny isan’ny tranga-na tazomoka voarakitra an-tsoratra tamin’ ny taona 2023, ary mitombo izany isa izany vokatry ny hafanana sy ny rano miangona.
  • Eo koa ny fitombon’ny aretina azo avy amin’ ny rivotra sy rano maloto mahazo ny ankizy.


Fanjariantsakafo : 24 %-n’ny ankizy malagasy no mijaly noho ny sakafo zara fa misy.


Rano sy fahadiovana:  Eto Madagasikara dia 58 % -n’ny mponina no afaka misitraka rano madio raha toa ka 12 % monja no misitraka ny tolotra ara-pidiovana fototra.  Hiatrehana ity hamehana ity dia tsy maintsy manorina ho avy afaka miatrika ny ho avy ho an’ny ankizy tsirairay isika, indrindra ho an’i Madagasikara — firenena izay ahitana sekoly, sy tobim-pahasalamana miatrika ny loza vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Noho ny fahitana izany olana izany, sy ny fanampian’ny UNICEF dia nampitomboana ireo fandaharanasa hoentina miaro ny ankizy sy ny fanamafisana ny fahaizan’ny ankizy sy ny fiaraha-monina miatrika andro sarotra ary ny fanomanana ho avy maharitra kokoa :


  • Manatsara ny fomba fiasa iaraha-mientana mifantoka amin’ny fahaiza-miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fisitrahana rano madio, herin’ny masoandro ary fahaleovan-tena ara-toe-karena ny fisian’ny « écovillages » na tanàna mikolokolo ny tontolo ianana.
  • Eo koa ny tetikasa « Green Rising » izay mampiasa tanora maherin’ny  35 000 amin’ ny fambolen-kazo, ny fanabeazana mikasika ny tontolo iainana sy ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena voa-janahary.
  • Misy koa ny  “Green Schools” na sekoly maitso izay manova ny sekoly ho lasa toerana hianarana mikasika ny tontolo iaianana ka hetsika azo tsapain-tànana momba ny fikolokoloana ny tontolo iainana no iarahan’y mpianatra sy ny mpampianatra manao amin’izany.
  • Manamafy ny fahaizan’ny fianakaviana marefo miatrika fotoan-tsarotra kosa ny « Toerana mitondra fiadanan-tsaina » ka fampiharana mikasika ny fambolena maharitra, ny orinasa madinika maitso ary ny fiahiana ara-tsosialy no sahaniny.
  • Ny sary famantarana   na “badge YUNGA” kosa dia entina hanentanana ny ankizy sy ny tanora mikasika ireo olana mifandraika amin’ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny hetsika miendrika kilalao sy natao hanabeazana. Rehefa mahazo io sary famantarana io ny tanora dia lasa « tanora mpitondra fanovana » . Miditra an-tsehatra araka izany amin’ny fiarovana ny karazan-javamiaina sy ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetrandro izy ireo. Ao anatin’ny asany koa ny fampirisihana ho amin’ny fampandrosoana maharitra.
     

Niaraka tamin’ireo hetsika ireo ihany koa ny fanaovan’ny fanjakana malagasy sonia ny Fanambarana ho an’ny ankizy, ny tanora ary ny hetsika mifandraika amin’ny toetrandro sy ny Paikady nasionaly ho an’ny famatsiambola ho an’ny toetrandro tamin’ny taona 2024, izay tohanan’ny UNICEF.

Ny UNICEF dia mampahatsiahy fa soa fanararaotra tokana hanehoana an’ohatra sy hametrahana ny ankizy sy tanora ho ivon’ny politika mikasika ny toetrandro ny COP30 ka tanjona amin’izany ny hahatonga an’i Madagasikara ho firenena manana ankizy misitraka rano madio, fanabeazana tsara kalitao sy rafitra ara-tsakafo maharitra sy ankohonana azo antoka. 

2024, Ankaranabo, région de l’Androy – La photo montre Frédine, 14 ans, élève en classe de 2ᵉ année, arrosant un papayer planté par les élèves à l’aide de son arrosoir.
UNICEF/UNI719728/Andrianantenaina 2024, Ankaranabo, faritra Androy – eo amin’ny sary dia hita i Frédine, 14 taona, manondraka papay nambolen’ny mpianatra.

COP30 : laharam-pahamehana telo hoenti-miaro ny ankizy

Mandritra ny COP30,  dia miantso ireo mpitarika maneran-tany ny UNICEF mba hametraka ny ankizy ho ivon’ny fanapahan-kevitra mikasika ny toetrandro sy hanao teny fampanantenana ho amin’ny asa azo tsapaintanana.
Maherin’ny  60 000 ny isan’ny mpandray anjara ho avy ao, ary avy amin’ny firenena 200 isa izy ireo. Misy filoham-panjakana, siantifika, fikambanana tsy miankina (ONG) sy tanora solon-tena koa hivory mikasika lohahevitra samihafa, anisan’izany ny :

  • Famerenana mijery sy fanamafisana ny fidirana an-tsehatra mikasika ny toetrandro ho an’ny taona 2026–2030, mba hahafahana manafaingana ny fanatanterahana ny  fifanarahana tao Paris na ny « Accord de Paris »,
  • Fanazavana mikasika ny tsy fitoviana mifandraika amin’ny toetrandro sy ny fiarovana ny mponina marefo, indrindra ny ankizy sy ny tanora
  • Fanamafisana ny famatsiam-bola ho an’ny toetrandro ho an’ny firenena andalam-pandrosoana, indrindra mikasika ny fampifanarahana, fampihenana ary ny rafitra mikasika ny fahaverezana sy ny fahavoazana,
  • Fanafainganana ny fampitana ny angovo marina sy maharitra, sy famporisihana amin’ny fampiasana angovo madio ary vahaolana mifototra amin’ny natiora,
  • Fampirisihina amin’ny fiarovana ny karazam-biby sy zava-maniry sy ny rafitry ny tontolo iainany mba hahafahana manohana ny fiaraha-monina sy ny fahaiza-miatrika manoloana ireo fiantraikan’ny  fiovaovan’ny toetrandro.

Ny politika mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro dia tsy maintsy miantoka ny zo ara-pahasalamana, ara-panabeazana, sy ny fiahiana ary ny fandraisana anjaran’ny ankizy. Rehefa atao ivon’ny hetsika mifandraika amin’ny toetrandro ny ankizy dia ny fiaraha-monina iray manontolo no manjary manana ny fahaiza-miatrika zava-tsarotra ny marina kokoa.
Ireto laharam-pahamehana telo ireto no misongadina:

  1. Hiaro ny ankizy sy ireo tolotra fototra tena ilain’izy ireo (fahasalamana, fanabeazana, rano sy sakafo) amin’ny alalan’ny fanamafisana ny famatsiam-bola ny toetrandro sy ny fanamafisana ny fotodrafitrasa.
  2. Hampihena be ny fivoahan’ny entona karibonika ka hampihena ny fiakatry ny mari-pàna ho latsaky ny 1.5°C sy hisorohana ny vokatry ny fiakaran’ny hafanana.
  3. Hanome lanja ny feon’ny ankizy sy ny tanora ka hamela azy ireo handray anjara mavitrika amin’ny fifanarahana atao sy ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny toetrandro.
     
Octobre 2024 – École primaire publique de Soamanitra, région de l’Androy - discours de l’enseignant lors d’une classe verte dans le potager de l’école.
UNICEF/UNI673452/Ramasomanana Oktobra 2024 – Sekoly ambaratonga fototra ao Soamanitra, faritra Androy – Mpampianatra iray miresaka amin’ireo ankizy mandritra ny kilasy maitso natao tao amin’ny zaridainan’ny sekoly.

Tanora, mpisehatra amin’ny fanovana

Efa mitondra avo ny feon’ny tanora sy ny taranaka ankehitriny  i Tania Lemainty sy  Lova Renée. Izy ireo moa dia mpiaro ny zon’ny ankizy mifandraika amin’ny toetrandro ao amin’ny UNICEF ka mitondra ny feon’izy ireo eny amin’ireny fivoriana iraisam-pirenena ireny.

Mazava ny hafatra entin’izy ireo : tsy afaka miandry ny ho avin’ny ankizy. Mila mihetsika dieny izao ny fanjakana sy ny orinasa mba hampihenana ny entona karbonika, sy hamatsy vola amin’ny vahaolana maharitra, ary ny fanorenana tontolo azo antoka kokoa sy mifandanja kokoa. Manana andraikitra horaisina ihany koa ny tanora ary afaka mandray anjara amin’ny fifanakalozana sy ady hevitra mba hisy akony eo amin’ ny fanapaha-kevitra raisina mifandraika amin’ny hetsika mikasika ny toetrandro ny hevitra entin’izy ireo

Amin’ity taona ity, dia hisy atrikasa misesisesy sy vondrona hifanankaloza-kevitra hihainoana ny tanora manerana an’i Madagasikara mba hahafahan’izy ireo mizara ny heviny mikasika ny hetsika ara-toetrandro hatao. Ny fandraisan’izy ireo anjara dia hanana ny toerany lehibe mikasika ny tondrozotra horaisina sy ny famerenana mijery ny « Fahavononana mandray – fiodinana fahatelo eto amin’ny firenena. Izany no natao mba hiantohana fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny politika sy paikady nasionaly mikasika ny toetrandro ireo laharaha-pahamehan’ireo tanora ireo, ny zava-manahirana ny sainy ary ny hevitra mitondra fanaovazana entiny.

Hiara-hientana isika. Hataontsika kihon-dalana lehibe ny COP30 : ho lalana mandeha amin’ny asa. Satria raha miaro ny toetrandro isika dia miaro ny ankizy – ny fahasalamany, ny fanabeazana ho azy, ny hoaviny. Mbola azo antenaina ny hananana hoavy tsaratsara kokoa, raha toa ka miara-mientana dieny izao isika.