Manamafy ny fahaizana miatrika ny krizy mba hampiroborobo ny toekarena sy ny fiarahamonina.

Asongadina amin’ny alalan’ny sary vitsivitsy ao anatin’ity tantara ity ny fomba fiaina ao anatin’ireo « écovillages » sy ny fiantraikan’ny fanamafisana ny fahaiza-manao mba hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina any amin’y faritra atsimon’i Madagasikara.

Abela Ralaivita
Izy no Maho Rasoamampionona; fantatra amin’ny anarana hoe Nitaka koa izy. Nianatra nanjaitra i  Nitaka. Efa taona vitsivitsy izay no namokatra salaka ara-pahasalamana azo ampiasaina imbetsaka. Manohana azy amin’izany asany izany ny UNICEF.
UNICEF/UNI932793/Andrianantenaina
09 Febroary 2026

Eny amin’ny paompy famatsian-drano natao ho an’ny daholobe, izay hita eo afovoan’ny tanàna « écovillage »  ao Terabovo, any atsimon’i Madagasikara no mantsaka i Metrine isa-maraina. Tsy lavitra fa fa mandalo trano roa monja miala avy eo amin’ny ny tranony io paompy io, ary ao anatin’ny fokontany misy azy ihany. Renim-pianakaviana tokan-tena izy, mananj-janaka iray, dimy taona. Izy no iray amin’ireo tompon’andraikitra misahana ireo toeram-pamatsian-drano napetraky ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy ao an-tanàna.

«Manan-danja amiko ity asa ataoko isan’andro ity, satria mandray anjara mivantana amin’ny fiainan’ny mponina eto an-tanàna aho », hoy ny fanazavany.

Mpikambana ao amin’ny fikambanana voamamy eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa i Metrine. Ity fikambanana ity dia manampy ny mpikambana handray anjara vola tsy tapaka, sy hanao trosa madinidinika, ary mifampizara ny tombony isaky ny faran’ny taona. Noho izay fahafahana mitrosa izay dia afaka mampiasa vola sy manomboka fandraharahana kely momba toy fivarotana paty izy, indrindra rehefa tsena ny andro.

Ity voamamy ity no hahafahan’ny tokantrano maro tahaka ny ahy, manamafy ny asa fivelomany sy manantena hoavy tsara kokoa», hoy izy nanampy.

Tahaka azy ihany, dia mpikambana ao anatin’ity fikambanana voamamy ity ko a i Maho Rasoamampionona, na antsoina koa hoe Nitaka. Miroborobo tokoa ny tsena fivarotany salaka azo sasàna sy ampiasaina imbetsaka. « Mampivelatra ny asako, sady hahafahako manampy ny zazavavy eto amin’ny fiarahamonina koa ny fikambanana », hoy izy nanamafy.

Mpitantana ny paopy famatsian-drano ary miantoka ny fampandehanana ara-dalàna ny iray amin’ireo toeram-pamatsiana ao an-tanàna i Metrine.
UNICEF/UNI932798/Andrianantenaina Mpitantana ny paopy famatsian-drano ary miantoka ny fampandehanana ara-dalàna ny iray amin’ireo toeram-pamatsiana ao an-tanàna i Metrine.
Servieta ara-pahasalamana azo ampiasaina imbetsaka vokarin’i Nitaka.
UNICEF/UNI932792/Andrianantenaina Servieta ara-pahasalamana azo ampiasaina imbetsaka vokarin’i Nitaka.

« Mampivelatra ny asako, sady hahafahako manampy ny zazavavy eto amin’ny fiarahamonina koa ny fikambanana. »

Metrine, Mpikambana ao amin’ny fikambanana voamamy

Mihatsara ny fiainan’ny zazavavy sy ny vehivavy

Nihatsara ny fiainan’ireo vehivavy sy zazavavy any amin’ity faritra ity. Mahaleo tena kokoa izy ireo raha ny fiainana andavanandro no jerena. Manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy sy ny zazavavy ny foto-kevitra nianarany sy hitany tao amin’ny klioba nisy azy tao amin’ny kolejy nianarany taloha.

Iray amin’ireo ankizivavy monina amin’io tanàna io i Sambevave, 15 taona.
« Tao no nianarako mikasika ny zon’ny ankizy, sy ny fomba azoko atao hiarovana ny tenako amin’ny herisetra», hoy ny fitantarany.

Anisan’ireo « écovillages » 21 natsangan’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy any atsimon’i Madagasikara i Terabovo, mba ho fanamafisana ny fahaizan’ny mponina miatrika ny ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mahazo fanohanana marolafy, izay mikendry ny hiantohana ny fampidirana ny mponina amin’ny tolotra ara-tsosialy sy ny fotodrafitrasa maharitra, ny fampiroboroboana ny fomba amam-anao manaja ny tontolo iainana, ny fanentanana ho amin’ny fandraharahana maitso sy manga, ary ny fanohanana ny fitantanana eo an-toerana izay andraisan’ny rehetra anjara ireo ny antom-pisian’ireo tanàna modely na « écovillages ireo.

Noho ny famatsiam-bola avy amin’ny Komity Nasionaly Holandey ho an’ny UNICEF, izay mifantoka amin’ny fampahaleovantena ny fiarahamonina, no nahafahana nanao hetsika maro toy izoa izay nahafahan’ny mponina nanamafy ny fahaizany miatrika ny zava-tsarotra ateraky ny fiovaovan’nt toetrandro sy nampiroborobo ny asa fivelomany, ka nanatsara ny fari-piainany.
«Tsapako fa miroborobo kokoa ny asa fandraharahna ataoko ankehitriny satria efa mampiasa toeram-pivoahana nohatsaraina ny mponina rehetra,», hoy i Mbola, izay sady tantsaha no mpanamboatra takelaka boribory ho an’ny lava-piringa karazana Arborloo.

I Mbola, mitazona Sato Pan eny an-tanany, mijoro eo anilan’ny takelaka iray.
UNICEF/UNI932796/Andrianantenaina I Mbola, mitazona Sato Pan eny an-tanany, mijoro eo anilan’ny takelaka iray.

Fanamarihana : ny « écovillage » dia tetikasa napetraky ny UNICEF ary vatsain’ny Komity nasianalin’ny UNICEF Belgique, Pays-Bas, Royaume-Uni (Moondance and Eleva foundations), France, Andorre, Corée, Allemagne ary Norvège (Kiwi).

« Tao no nianarako mikasika ny zon’ny ankizy, sy ny fomba azoko atao hiarovana ny tenako amin’ny herisetra. »

Sambevave, 15 taona