Vehivavy mihetsiketsika: miteraka fiovana

Any amin’ny faritra atsimo-antsinananan’i Madagasikara no ahitana vondrom-behivavy iray mandray an- tanana ny ho aviny ary lasa maodely amin’ny hai-tarika eo anivon’ny fiaraha-monina.

Diamondrasoa Andrindrainy
Les membres du groupe Voamani Mendrika se regroupe autour pendant leur réunion.
UNICEF Madagascar/2026/ Andrindrainy
26 Martsa 2026

Mikonokonona vao maraina ny mponina ao Ambila, kaominina kely iray any ambanivohitry ny Distrikan’i Manakara.  Eo ny asa fatao an-davanandro, ny fanomanana ny ankizy andeha hianatra, ny ady tsy maintsy hatrehana isanandro. Efa ela no miatrika ny fahasarotan’ny fiainana ny vehivavy eo an-toerana: miezaka manao izay hahatonga ny eo am-pelan-tànana haharitra mandra-pandray vola indray, mitady ireo zavatra tsy maintsy ilaina andavanandro sy miantoka ny fahasalaman’ny fianakaviana.

Nisy fihetsiketsehana vaovao niforona anefa tamin’ny volana may 2025. Nanapa-kevitra hivondrona ireo vehivavy anisan’ny tena marefo teo an-tanàna ka nanangana vondrona manao tahiry iombonana nantsoina hoy Voamamy Mendrika. Miisa 23 izy ireo. Ao anatin’io vondrona io dia ahitana reny tsy manambady 19, adolantsento iray raha telo ihany kosa no vehivavy manambady. Iray kosa ny tanjona manosika azy ireo hitambatra dia hanatsara ny toe-piainan’ny fianakaviany avy.

Tamin’ny voalohany dia tahiry iombonana ihany no tena zavatra nataony voalohany. Saingy tsy ela akory dia nanao mihoatra noho ny tahiry izy ireo.

« Taloha dia sarotra ho anay ny mividy ireo zavatra  ilaina andavanandro toy ny siramamy, jiro kely mandeha amin’ny herinaratra hitsilovana amin’ny alina sy izay vola kely hanomanana ody am-bavafo ho an’ny ankizy. Ny fitaova-pidiovana moa dia toy ny haitraitra lafo vidy ny fandraisanay azy».

Hoy Rakotoarison Marovavy, mpikambana ao amin’ny vondrona voamamy.

Taorian’izay dia nanomboka nanao asa fitadiavam-bola ny vondrona. Ary mamaly mivantana ny filàn’ny fiaraha-monina izany asa fitadiavam-bola izany. Famokarana sy fivarotana vokatra fampiasa ho an’ny fahadiovana sy fidiovana no nataon’izy ireo toy ny famokarana ranon-tsavony, dalina SanPlat, salaka azo sasana fampiasa rehefa fotoanan’ny fadim-bolana … izany hoe vahaolana azo tsapain-tànana mba hoenti-manatsara ny andavan’andron’ny mponina.

Samy mandray aniara mavitrika amin’ity asa atao ity avokoa ny mpikambana ao anaty vondrona. Ankoatr’izay dia mbola mividy sy mivarotra ireo vokatra ilaina andavanandro ny vondrona ary manana tsenakely fivarotana sakafo masaka ihany koa.

Notohanan’ny tetikasa DIO TAFA koa izy ireo ka nihitatra hatrany izany sahanasa iandraketany izany. Dia teraka indray ny fanorenana ny Kiosika Madio izay napetraky ny ONG SAF/FJKM - mpiara-miombonantoka amin’ny UNICEF. Lasa sehatra fiantsenan’ny mponina izay zavatra rehetra ilainy ity  ivon-toerana ity. 

Savony vaingany miisa  250 savony eo no vokarin’izy ireo isan-kerinandro (izany hoe mahatratra 1000 isam-bolana any ho any); raha  25 litatra kosa ny savony ranony (izany hoe mahatratra 100 litatra isam-bolana eo).

Manomboka zatra mividy ny vokatra ny mponina ary efa mamatsy ireo tsenakely mpivarotra enta-madinika ny vondrona ka mihitatra hatrany ny ambain-dain’ny asany. Mora ho an’ny mponina ny mahita vokatra hovidiana sy hositrahana raha ny vokatra hampiasaina ao anatin’ny sehatry rano, fahadiovana sy fidiovana no resahina. Mihoatra nohon’ny fidiram-bola ny akon’izany eo amin’ny mpikambana.

Marisika izy ireo ary mifantoka amin’ny fampiakarana ny vola mididtra, ny fanamafisana ny hai-tarika ananan’ny vehivavy, ny fifandraisan’ny fiaraha-monina ary ny fahafaha-misitraka eo an-toerana ireo vokatra ilaina ao anatin’ny sehatry ny rano, fidiovana sy fahadiovana sy ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombonantoka.

Le kiosque Madio, cet espace qui est devenu un point central d’approvisionnement pour la communauté
UNICEF Madagascar/2026/ Andrindrainy Kioska Madio, lasa ivon-toerana fiantsenanan’ny mponina ity ivon-toerana ity.

« Afaka mamaly ny filàn’ny mponina tsy misy olana izahay ankehitriny : mihatsara ny sakafonay, mitandro ny fahasalamanay bebe kokoa izahay ary manana fahatokisan-tena bebe kokoa. »

hoy Rakotoarison Marovavy, iray amin’ireo mpikambana.

Azo tsapain-tànana ny vokatra na any ivelan’ny vondrona aza. Afaka misitraka ireo vokatra ilaina eo amin’ny sehatry ny fahadiovana ny olona. Mandray anjara mavitrika amin’ny famongorana ny fahazaran’ny mponina mangery eny an-kalamanjàna koa ny Voamamy Mendrika. Mihazatra tsikelikely ny fahadiovana maharitra ny mponina ka tsy mihevitra intsony fa haingitraingitra na tombontsoan’olom-bitsy ny fahadiovana.

Mitondra ny vondrona hijery lavitra kokoa ny ho avy izany fahombiazana azony izany. Mazava ny vinan’izy ireo : hizotra amin’ny fananganana kaoperativa ara-dalàna kokoa sy hampitombo ny vokatra sy ny tsenam-barotra ka ho tonga maodely tsy azo ihodivirana eo an-toerana, indrindra eo amin’ny sehatry ny rano, fahadiovana sy fidiovana ary koa eo amin’ny sehatry ny fanjarian-tsakafo.

Tsy mpisitraka fotsiny intsony ireo vehuvavy ireo ankehitriny. Lasa mpisehatra amin’ny fanovana izy ireo. Noporofoin’ny tantaran’izy ireo fa ny tahiry iombonana, ny fandraharahana sy ny fampiroborboana ny tsenan’ny fidiovana dia afaka mametraka vokatra maharitra ara-toe-karena, ara-pahasalamana sy ara-tsosialy; sady manamafy ny fahafaha-manaon’ny vehivavy.

Fanamarihana : ny tetikasa DIO TAFA no tanteraka dia nohon’ny famatsiam-bola avy any amin’ ny fanjakan’i Norvezy