Mahery, Matanjaka, mahaleo tena ary miara-mizotra mankany amin’ny fizakan-tena

Araho an-tsary ny heripon’ireo vehivavy ao amin’ny kaominin’Ambila, izay miezaka isan’andro hanatsara ny fiainan’ny fianakaviany sy ny fiainany manokana.

Abela Ralaivita
District de Manakara, sud-est de Madagascar - Des membres du groupe d’épargne communautaire Vaomami Mendrika se tiennent devant le point de vente de l’association, présentant les produits qu’elles commercialisent.
UNICEF/UN0875114/Andriantsoarana
02 Jolay 2026

Ao amin’ny kaominin’Ambila, natsangana tao anatin’ny tetikasa Dio-Tafa ny vondrona tahiry ifanampiana Vaomami Mendrika. Ahitana mpikambana 23 ao anatin’ny vondrona, ka iray monja ihany ny lehilahy fa saika reny tokan-tena sy vehivavy mitantana tokantrano ny ankamaroan’ny mpikambana. Mifanohana ireo mpikambana ary manangona vola tahiry amin’ny alalan’ny fandrotsahana fandraisana anjara isan-kerinandro. Afaka mindram-bola ihany koa izy ireo raha misy filàna, ary tena manampy ny mpikambana ao anaty vondrona ny fisian’ity rafitra ity.

Namorona asa fivelomana mampidi-bola ny vondrona nanomboka ny taona 2025. Mamokatra savony vaingany sy savony ranony izy ireo, ary mivarotra saribao ekolojika, eo koa ny fatana tsy mamoaka entona be ary ny salaka ara-pahasalamana azo ampiasaina imbetsaka. Tamin’io taona io ihany dia nanokatra toeram-pivarotana antsoina hoe "kiosika Madio" izy ireo, ka ao no ivarotany ireo vokatra rehetra ireo.

Ankehitriny dia manao hetsika fanentanana eny amin’ny tsena eo an-tanàna na mandritra ny hetsika lehibe misy eo an-toerana. Manentana ny olona hividy am-pitandremana, hampihatra ny fahadiovana ary hitantana tsara ny loharanon-karena izy ireo.

Une des membres du groupe se place au centre des autres lors de la réunion hebdomadaire pour collecter et compter les contributions.

Mpikambana iray ao amin’ny vondrona mijoro eo afovoan’ireo mpikambana hafa mandritra ny fivoriana isan-kerinandro, mba hanangona sy hanisa ny vola fandraisana anjara.

Rakotoarison Marovavy Damienne, 35 ans, présidente et fondatrice de cette association, distribue des masques de protection avant la fabrication du savon destiné à la vente.

Rakotoarison Marovavy Damienne, 35 taona, filoha sady mpanorina ity fikambanana ity, mizara aro-tava fiarovana alohan’ny hanamboarana ny savony hamidy.

Tolojanahary Mickaelle Sylvie, 42 ans, mélange les ingrédients pour fabriquer le savon, un long processus qui demande de la force et de la patience.

Tolojanahary Mickaelle Sylvie, 42 taona, mampifangaro ireo akora hanamboarana savony.  Dingana maharitra ao anatin’ny fanamboarana savony izy ity ary mitaky hery sy faharetana.

Raharimanana Lucie Adrienne, 29 ans, trésorière de l’association, verse les ingrédients dans le moule pour fabriquer le savon, sous la supervision attentive de Marovavy (à droite), présidente de l’association.

Raharimanana Lucie Adrienne, 29 taona, mpitahiry vola ao amin’ny fikambanana, mandraraka ireo akora ao anaty lasitra fanamboarana savony, eo ambany fanaraha-mason’i Marovavy (eo ankavanana), filohan’ny fikambanana.

Le point de vente appelé « Kiosque Madio », créé par le groupe d’épargne communautaire Vaomami Mendrika.

Ity ilay toeram-pivarotana antsoina hoe « Kiosika Madio », izay naorin’ny vondrona tahiry ifanampiana Vaomami Mendrika.

Une membre du groupe assure la permanence au point de vente.

Mpikambana iray ao amin’ny vondrona miandraikitra ny fandraisana mpanjifa tsy tapaka ao amin’ny toeram-pivarotana.

Lasa matoky tena aho miaraka amin’ireo vehivavy mpikambana ato amin’ity vondrona ity.

Hasina Marie Clémence
Portrait de Hasina Marie Clémence, 35 ans, montrant une serviette hygiénique réutilisable vendue au kiosque.

Sarin’i Hasina Marie Clémence, 35 taona, mampiseho ny salaka ara-pahasalamana azo ampiasaina imbetsaka, izay amidy ao amin’ny kiosika Madio.

Tian’ny olona ny vokatra amidinay satria tena ilaina amin’ny fahadiovana. Mora vidy ihany koa izy ireo ka azon’ny rehetra vidiana, indrindra ny tanora.

Razafiarivony Nambinintsoa
Portrait de Razafiarivony Nambinintsoa, 36 ans, pris lors de la fabrication de savon.

Sarin’i Razafiarivony Nambinintsoa, 36 taona, nalaina nandritra ny fanamboarana savony.

Mahazo fanohanana lehibe avy amin’ny vondrona aho. Maro ihany koa ny zavatra nianarako tao, ary manampy ahy be dia be amin’ny fandoavana ny saram-pianaran’ny zanako ny fahafahana mindram-bola. Manome hery ahy isan’andro ity fikambanana ity.

Tolojanahary Mickaelle Sylvie
Tolojanahary Mickaelle Sylvie, 42 ans, l’une des membres du groupe, recouvre le moule d’un sachet en plastique pour préparer le savon.

Tolojanahary Mickaelle Sylvie, 42 taona, iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona, manarona  ny lasitra fanamboarana savony amin’ny harona plastika.

Fanamarihana: Ny Governemanta Norveziana no mamatsy vola ny tetikasa ary iarahan’ny sehatry ny Rano, Fanadiovana ary Fahadiovana (EAH/WASH) sy ny Sakafo (Nutrition) manao ny hetsika. Efa efa-taona (2024–2027) izay no niarahan’ny  UNICEF sy ny PAM nanatanteraka ity hetsika ity. Tanjona amin’izany ny hanohana ireo tantsaha madinika sy ireo mponina marefo any amin’ireo faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara izay matetika iharan’ny rivodoza. Amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika loza, ny fanatsarana ny fivelomana ary ny toe-pahasalamana ara-tsakafon’ireo mponina ao amin’ny kaominina enina ao amin’ny distrikan’i Mananjary sy Manakara no hanatrarana izany.