Emmanuel, mpiandry paompin-drano sady mpisehatra ho an’ny fiovana

Tena nanova zavatra betsaka tao amin’ny tanànan’i Behara Poste ny fahafahana misitraka rano fisotro, indrindra nohon’ny fandraisan’andraikitry ny fiaraha-monina. Nahafahana nanatsara ny fahadiovana sy ny fahasalamana ihany koa ity hetsika ity.

Miora Andriamitantsoa – WHH Madagascar
Emmanuel en pleine séance de sensibilisation sur les bonnes pratiques d’hygiène et d’usage du point d’eau.
Welthungerhilfe Madagascar/2025/ Randrianantenaina
26 Martsa 2026

Ady isanandro ho an’ny mponina ao amin’ny tanànan’i Behara-Poste, ao amin’ny lemaka maina any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ny fitadiavana rano fisotro madio. Ny tsy fisian’ny rano fisotro madio eo an-toerana dia midika fa tsy maintsy manao dia an-tongotra an-kilaometatra maro, sy miaritra ny fidaniky ny masoandro ireo fianakaviana monina any mba hitady rano. Eo ihany koa ny aretina vokatry ny tsy fahampian-drano na ny fampiasana rano maloto izay mananontanona lalandava.  Manoloana ny toe-javatra iainan’ireto olona marefo tanteraka ireto dia nanokatra ny tetikasa  MANARANO ny UNICEF, mba hitondra fiovana ho an’ny fiainan’ny mponina. Ankehitriny dia manana anjara toerana lehibe ao amin’ny tanàna misy azy i Fegnandro Emmanuel, 46 taona. Manan-janaka enina izy. Mambran‘ny mpitantana eo an-toerana izy. Izy no manara-maso ny fandehan’ny famatsiana rano sy miantoka fa tsy tapaka ny rano hamatsiana ny mponina.

Ankoatran’ny fanorenana ny vovo dia nahazo fampiofanana manokana avy amin’ny tetikasa MANARANO mikasika ireo fitaovana hoenti-miantoka ny fitantanana, fanamboarana ary fanarenana ny paompin-drano izay mamatsy ny mponina koa i Emmanuel. Maromaro ny andraikitra iantsorohany tatoato : eo ny mpampiasa rano, ny fanamboarana raha misy simba ny foto-drafitrasa momba ny rano, ary mbola mambran’ny komity mpitantana eo an-toerana koa izy. Manara-maso isanandro izy fa mandeha tsara sy maharitra ary afaka sitrahan’ny rehetra ny rano.

« Amin’ny maha mpanamboatra ny simba ahy dia tompon’andraikitra aho voalohany indrindra amin’ny fikojakojana ny vovo. Ary nohon’ny fiofanana azoko avy tamin’ny tetikasa MANARANO dia izaho no miantoka ny fampandehanana ny paompin-drano mba hahafahan’ny mponina mantsaka ny rano ilainy hatrany.»

Emmanuel

Mpisehatra fototra ho an’ny fiovam-pitondran-tena

Ankoatran’ny lafiny teknina, dia mpisehatra manana ny lanjany i Emannuel raha ny resaka fanentanana no resahina. Fantany fa matetika dia sarotra nohon’ny manamboatra ny simba amin’ny paompin-drano aza ny fanovana ny fitondran-tena. Saingy niditra an-tsehatra hanatanteraka iraka ara-tsosialy mikasika ny fametrahana ny fitsipika hentsitra mikasika ny fahadiovana izy. Ao anatin’izany ohatra ny fitondrana kiraro manodidina ny paompin-drano, fa eo koa ny fiarovana sy ny fiaraha-mientana. Nametraka drafitra fanaovana tsipaipaika izy hoenti-miantoka ny fanamboarana raha misy simba.

Tsy voatery hanaiky izany fitsipika izany daholo anefa ny rehetra na dia tena ilaina aza izany. Misy mponina mahatsapa voateritery ka mitsikera an’i Emmanuel : « lazain’izy ireo fa mahitahita aho sady diso sarotiny, omeny tsiny aho amin’ny fitsipika napetraka.»

Na eo aza anefa izany fanoherana izany dia mijoro amin’ny heviny izy. Fantany fa mila fotoana ny fiovam-pitondran-tena ary manohy mandresy lahatra izy : « tsy rano ihany no omen’i MANARANO » hoy izy manazava ny tombony entin’ny tetikasa « fa fiainana mihitsy ».

Emmanuel en pleine séance de sensibilisation sur les bonnes pratiques d’hygiène et d’usage du point d’eau.
Welthungerhilfe Madagascar/2025/ Randrianantenaina Manara-maso hatrany Emmanuel fa mandeha tsara ny paompin-drano ary afaka mantsaka eo ny mpiara-monina aminy.
Puits construit dans le cadre du projet MANARANO à Behara Poste, situé à proximité des habitations des familles.
Welthungerhilfe Madagascar/2025/ Andriamitantsoa Vovo naorina tao anatin’ny tetikasa MANARANO ao Behara Poste, paompin-drano manakaiky ny fianakaviana.

Akony mivantana eo amin’ny fiainan’ny fianakaviana

Ho an’ny fianakavian’i Emmanuel manokana dia azo tsapan-tanana ny vokatry ny fisian’ny paompin-drano eo an-tanàna. Tsy voatery mandany ny androny amin’ny fitadiavana rano fisotro madio intsony ny vadiny. Tsy dia marary matetika intsony koa ny zanany. Afaka mitsinjo ny ho avy sy mitady  vola bebe kokoa ny tokantranony : « Niova ny fiainanay. Ary mitandrina bebe kokoa ny fahadiovana ao an-tokantrano izahay ankehitriny».

Eo an-tanàna dia efa maodely amin’ny haitarika eo an-toerana i Emmanuel. Hita amin’ny fanoloran-tena ataony fa rehefa misy mahay mitarika tsara dia afaka manomboka eo amin’ny paompin-drnao iray ny fiovana maharitra. Ny tantarany no porofo fa raha mampiasa vola amin’ny resaka rano isika dia mitovy amin’ny mampiasa vola amin’ny fahasalamàna, ny fahaizana miatrika zava-tsarotra ary ny ho avin’ny mponina marefo.

Olona miisa 76 364 no nisitraka ny tetikasa MANARANO nanomboka ny volana aprily 2024 ka hatramin’ny volana desambra 2025.

Des chèvres de la communauté s’abreuvent dans l’abreuvoir alimenté par le puits.
Welthungerhilfe Madagascar/2025/ Andriamitantsoa Misotro rano eo amin’ny toerana natokana hisotroan’ny biby rano ny osin’ny mponina. Avy ao amin’ny vovo no sarihina io rano eo.

FANAMARIHANA : ny famatsiam-bola avy amin’ny BMZ (Ministère fédéral allemand de la Coopération économique et du Développement), tamin’ny alalan’ny tetikasa MANARANO no nahafahana nanao ireo hetsika rehetra ireo tamin’ny alalan’ny vola natokana ho an’ny lohahevitra mikasika ny toetrandro. Ny UNICEF no nametraka ny tetikasa ary niara-nanatanteraka azy taminy ny Welthungerhilfe, PAH ary TATIRANO izay miasa any amin’ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana.