Ireo tsara ho fantatra momba ny UNICEF Madagascar
Mifofotra ho an'ny zon'ny ankizy, isan'andro, na aiza na aiza eto Madagasikara.

Miasa amin'ny toerana sarotra indrindra eto ambonin’ny tany ny UNICEF mba hanatonana ireo ankizy sy tanora marefo indrindra - ary miaro ny zon'ny ankizy rehetra manerana izao tontolo izao.
Ny UNICEF, na Tahirimbolan'ny Firenana Mikambana ho an’ny fahazazana, dia sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana najoro tamin'ny 11 Desambra 1946 mba hamaliana ny filàna maharitry ny ankizy sy ny vehivavy any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana rehetra.
Miasa any amin'ny Firenena maherin'ny 190 ny UNICEF. Manao izay tratry ny hery rehetra mba hanampiana ny ankizy hivelona, hivoatra sy hampivelatra ny mahaizy azy feno, manomboka amin'ny fahazazany ka hatramin'ny fahatanorany.
Tamin'ny taona 1984 no nanomboka niasa teto Madagasikara ny UNICEF.
Ankehitriny, mirotsaka eo amin’ny sehatra samihafa ny UNICEF amin’ny alalan'ny fandaharan'asa miompana amin’ny: fahasalamana, fanjariantsakafo, rano fisotro madio, fanabeazana, fiarovana, ny vonjitaitra ary ny fampiroboroboana ny fandraisana anjara sy ny fanehoan-kevitry ny ankizy
Midina eny ifotony, mitondra fanampiana fototra sy fanantenana ho an'ny ankizy sy ny fianakaviana ny UNICEF
mialoha, mandritra ary ao aorian’ny voina goavana

Tsy milavo lefona isika
Fifandraisana
Adiresy
UNICEF Madagascar
Maison Commune des Nations Unies
Zone Galaxy Andraharo, BP 732
101 Antananarivo, Madagascar
Tel : +261 (0) 20 23 300 92
antananarivo@unicef.org
Serasera amin'ny mpanao gazety
Timothy James Irwin
Lehiben'ny serasera
Sampana serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar
tjirwin@unicef.org