Ireo zava-tsarotra sy zava-tsoa mety hiainan’ireo ankizy eto Madagasikara
Fantaro ireo sehatra iasan’ny UNICEF eto Madagasikara

Lafiny mampahatanjaka
Zava-misy sy tarehimarika manan-danja vitsivitsy momba ny toe-javatra iainan'ny ankizy
- Sakafo ara-pahasalamana: ankizy iray amin'ny roa no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo maharitra
- Rano, fanadiovana sy fidiovana: olona 1 amin'ny 3 mipetraka any ambanivohitra ihany no mahazo loharano nohavaozina
- Fahasalamana: Ny fahafatesan’ny zaza vao teraka dia 42%n'ny fahafatesana eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona
- Fanabeazana: Iray amin'ny ankizy telo ihany no hahavita ny fianarana ambaratonga voalohany
- Fiarovana ny zaza: Saika ankizivavy iray amin'ny roa anelanelan’ny 20-24 taona no nilaza fa nanambady talohan'ny faha-18 taonany
- Politika ara-tsosialy sy fiahiana ara-tsosialy: Olona sivy amin'ny folo no miaina ambanin'ny fetran’ny fahantrana eto amin’ny firenena
Ireo vokatra lehibe (2015-2019)
-
Fanamafisana ny rafi-pahasalamana amin'ny alàlan'ny tobim-pahasalamana fototra eny amin'ny faritra miisa 9, nahafahana nanatsara ny fahazoana ireo tolotra ara-pahasalamana ho an'ny olona 10 tapitrisa, nohon’ny fandaharan'asa PASSOBA-SANTE
-
Ny fitohizan'ny famatsiana vaksiny sy rojo mangatsiaka ilaina amin’ny fanaovam-bakisiny iadiana amin'ny aretina mpahazo ny zaza, ho fanohanana ny Minisiteran'ny fahasalamana; ka ankizy miisa 3.6 tapitrisa in-droa isan-taona no tratrarina amin’izany amin'ny alàlan'ny herinandron'ny Fahasalaman'ny reny sy ny zaza ary kendrena ihany koa ny famongorona ny polio eto Madagasikara.
- Fanatsarana ny toe-pahasalamana ara-tsakafo ho an’ny 47%n'ireo zaza iharan'ny tsy fahampian-tsakafo maharitra, amin’ny alalàn’ny fizarana vitamina A sy odikakana, fitiliana ho an'ny ankizy manodidina ny 3.6 tapitrisa ary fitsaboana ho an’ny zaza maherin'ny 50 000 voakasiky ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika.
-
Ireo fidirana an-tsehatra mikasika ny rano, fanadiovana sy fidiovana dia nahafahana nanome rano fisotro madio ho an'ny olona maherin'ny 570 000, amin'ny alàlan'ny fananganana paompin-drano iombonana, lava-drano sy fatsakana ary fanampiana amin’ny fanarenana ireo fantsona lehibe telo mpamatsy rano. Olona maherin'ny 2 545 000 no niala tamin’ny fanaovana maloto akalamanjana
- Ny fanohanan'ny UNICEF eo amin'ny sehatry ny fanabeazana dia nahafahana nahazo vokatra maro; anisan’izany ny fametrahana ny Teti-pivoarana vaovao ho an’ny fanabeazana (2018-2022) – ny fanofanana mpampianatra miisa 43 000 ary ny fanomezana fitaovam-pampianarana ho an’ny sekoly miisa 10 000 – ny famerenana an-dakilasy zaza manodidina ny 100 000 mba hanenjehana ireo asa tsy vita – ny fanabeazana mandritra ny vanim-potoana hamehana, ka ankizy miisa 140 000 no hisitraka izany – ary ny fanofanana mpianatra, vondrom-piarahamonina ary manampahefana misahana fanabeazana any amin'ny faritra 16, mikasika ny fampihenana ny mety ho loza mitatao