Tongasoa eto amin’ny fiaraha-monina ny karazana lava-piringa nohatsaraina
Manova tsikelikely ny fiainana andavanandron’ny mponina any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara sady mitondra vahaolana ho azy ireo ny fisian’ireo foto-drafitrasa ara-pahasalamana nohatsaraina.
« Mampirisika ny mpiara-monina amiko aho mba hampiasa ireo karazana lava-piringa nohatsaraina vaovao satria manampy amin’ny fitandroana ny fahasalaman’ny rehetra izany », hoy i Martine, reniben-jaza, 67 taona. Olona hajain’ny manodidina azy I Martine ao amin’ny tanàna kely iray, ivelan’i Toliary, faritra atsimo andrefan’i Madagasikara. Manao savony no asa hamelomany ny ankohonany. Nanapa-kevitra ny hampiasa lava-piringa nohatsaraina izy tamin’ity taona ity, noho ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana ho an’ny fianakaviany sy ny mpiara-monina aminy.
« Nanahy ny amin’ny fahasalamanay foana izahay taloha, fony tsy mbola nanana lava-piringa nohatsaraina. Manaparitaka aretina manko ny lalitra », hoy izy. Nandray ity fanapahan-kevitra hampiasa lava-piringa nohatsaraina ity i Martine taorian’ny fifanakalozan-kevitra nataony tamin’i Justine, mpivarotra iray niara-niasa tamin’ny ONG International Development Enterprises (iDE), fikambanana iray mpiara-miombon’antoka amin’ny UNICEF, izay miasa ihany koa amin’ny ONG Practica sy Runway Consulting.
Mitety tokantrano sy mitady mpanjifa vaovao hatrany ity veninany tanora vao 29 taona ity. Nanazava izy fa zava-dehibe ao anaty fifampiresahana ny fahaiza-mihaino. « Amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny fianakaviana no ahafantarantsika ny olany ka hahafahantsika manolotra vahaolana mifanaraka amin’izany. »
Lafo loatra ho an’i Martine ny vidin’ny lava-piringa nohatsaraina izay mitentina 290 000 ariary (na 70 dolara amerikana eo ho eo). Noho izany dia nanolotra vahaolana mifanaraka amin’ny toe-javatra misy ho azy i Justine.
« Afaka nanomboka ny fanorenanana ny fototry ny lava-piringa aho noho ny fisian’ny rafitra fandoavana sarany tsikelikely. Hotohizako amin’ny famitàna ny ampahany tavela izany. »
Tambajotra misy mpisehatra maro
Miara-miasa amin’i Ramarosandratana Sébastien, mpanao trano sy tompon’orinasa kely tsy miankina amin’ny fanjakana, mifototra amin’ny fananganana fotodrafitrasa momba ny rano, fahadiovana ary fanadiovana (WASH), i Justine amin’ny fananganana ireo lava-piringa nohatsaraina. Mbola vitsy ihany ireo orinasa manao izany tolotra izany ao Toliary. Nahazo fiofanana feno sy fanohanana ara-teknika ary fanamafisana fahaiza-mitantana mikasika izany I Sébastien sy Justine.
Miara-miasa mba hampiroborobo ny fampiasana ny fitaovana SATO, izay lavaka fivoahana miaraka amin’ny sarony ho azy, mifanaraka tsara amin’ity karazana lava-piringa ity ihany koa i Justine sy Sébastien. « Misakana ny lalitra tsy hiditra izy io, mampihena ny fofona ratsy ary mora diovina. » hoy ny fanazavan’i Sébastien.
Amin’izao fotoana izao dia mamporisika ny fampiasana lava-piringa manana rafitra boribory mifototra amin’ny foto-kevitra Arborloo ihany koa izy ireo. Foto-drafitrasa tena mahomby koa izy ity ho an’ny any ambanivohitra. Mikendry ny hanatsara ny fahalianan’ny mponina amin’ny tolotra fahadiovana azo antoka ity modely novolavolain’ny UNICEF ity. Mora esorina na diovina eo an-toerana ihany ny loto ao aminy. Ankoatra izany, azo ampiasaina ho lava-piringa sy efitra fandroana ihany koa izy ka manamora indrindra ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ho an’ny tovovavy.
« Manangana fotodrafitrasa manara-penitra, maharitra ary tsy dia lafo izahay. Lehibe ny tsenan’ny fahadiovana sy fanadiovana raha tsara ny fanentanana. »
Mbola olana goavana ny fahazoana tolotraho an’ny fahadiovana eto Madagasikara: mihoatra ny 17 700 000 ny olona tsy nanana lava-piringa nohatsaraina tamin’ny taona 2020. Mampitombo ny loza mety hitranga toy ny fahalotoan’ny rano sy ny fiparitahan’ny aretina azo avy amin’ny fampiasana ny rano maloto toy ny fivalanana izany, ary isan’ireo antony lehibe mahatonga fahafatesan’ny ankizy.
Manoloana izany, nampiditra fomba fiasa iray mifototra amin’ny tsena natokana ho an’ny foto-drafitrasa hitandrovana ny fahadiovana ny UNICEF. Ny tanjona dia ny hampihenana ny loto ao anaty rano fisotro vokatry ny tsy fahampian’ny foto-drafitrasa ho fitandroana ny fahadiovana sy mba hahazahoan’ny olona 40 000 farafahakeliny fiainana tsaratsara kokoa, any amin’ireo faritra efatra nokendrena amin’izany di any faritra Atsimo Atsinanana, Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana.
Manasongadina fiaraha-miasa maty paika eo amin’ny sehatra tsy miankina izay mifanaraka tanteraka amin’ny laharam-pahamehan’ny UNICEF ity fandaharanasa ity. Maneho ny fandraisan’anjaran’ny orinasa amin’ny sehatra samihafa amin’ny fanatsarana maharitra ny sehatry ny fahadiovana ihany koa izany.
Hatramin’ny faran’ny fandaharanasa amin’ny taona 2026, dia tanjona lehibe no napetrak’i Justine sy ireo mpiara-miasa aminy dia ny hampitomboana ny isan’ny lava-piringa mampiasa ny fitaovana SATO ho 8 000 ho an’ireo fiaraha-monina any amin’ny Faritra Atsimo. Manohy mivarotra savony sy mikarakara ny zafikeliny, sady mamporisika ny mpiara-monina aminy hampihatra ireo fomba fanao tsara kokoa momba ny fahadiovana sy ny fanadiovana kosa I Martine.
Fanamarihana: tohanan’ny governemanta japoney ara-bola ity fandaharanasa mifototra amin’ny tsenan’ny foto-drafitrasa ho an’ny fahadiovana ity.