Tanora miaro sy mampiroborobo ny fanabeazana ny zazavavy
Tamin’ny taona 2026 – manao fanentanana eny anivon’ny fianakaviana, ny mpitarika eny anivon’ny fiaraha-monina, ary ny zatovovavy ny Vondrona Tanora Ifotony any amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara (VTI).
Sarin’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo mamakivaky ny Tetezan’i Matitanana, teny an-dalana ho any amin’ny tanànan’i Fenorarivo. Avy any ankavia mandeha miankavanana, ahitana an’i Gertrude, Edvine, Larissa, Rufina ary Olin.
Manentana renim-pianakaviana iray ao an-tokantranony ny ekipan’ireo tanora mpilatsaka an-.tsitrapo, ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ny zatovovavy no ifampiresahana eto.
Nanao fanentanana ho an’ny renim-pianakaviana iray teo am-pidirana ny tanàna ny y ekipan’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo, notarihin’i Larissa (faharoa avy eo ankavanana), 22 taona.
Mbola maro ny zazavavy tsy mandeha an-tsekoly. Tsy ho vesatra ho an’ny fianakaviana intsony anefa ny zazavavy raha mahazo fanabeazana. Afaka mandray anjara amin’ny fivelaran’ny zanany izy any aoriana any nefa koa afaka manorina ny hoaviny manokana.
Mpianatra amin’ny taona famaranana amin’ny ambaratonga ambony i Larissa. Niditra tao amin’ity vondrona ity izy mba hahazo traikefa amin’ny asa an-tsitrapo sady koa manampy ireo zazavavy hafa. Mahazo aina tsara izy rehefa miresaka amin’ny fiarahamonina sady tia mifandray amin’ny olona ary mahatsapa fa misy mihaino rehefa manao fanentanana. Manantena ihany koa izy ny ho ohatra tsara ho an’ireo zazavavy tanora ao amin’ny fiarahamonina misy azy.
Sarin’i Rufina, 22 taona, mpianatra amin’ny kilasy famaranana amin’ny lisea.
Zava-dehibe amiko ny fanentanana ireo tovovavy satria tiako ny hahita azy ireo hahomby amin’ny ho avy.
Ho an’i Rufina, ny fandraisany anjara ao amin’ity vondrona ity dia traikefa manampy azy hanakaiky ny tontolon’ny asa. Liana amin’ny fandraharahana ihany koa izy ary maniry ny hanangana ny orinasany manokana indray andro any, sady mbola hanohy hamporisika ireo zazavavy hatoky ny fahaizany sy ny hoaviny.
Sarin’i Olin, 24 taona, nandritra ny fanentanana isan-tokantrano momba ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ny zazavavy tao amin’ny tokantrano iray .
Tiako ny manao hetsika toy izao miaraka amin’ny tanora hafa. Hiaraka isika hamporisika ireo zazavavy haanohy ny fianarany any an-tsekoly.
Mpianatra amin’ny taona farany amin’ny lisea i Olin ary mandray anjara amin’ireo hetsika ataon’ny fiarahamonina ihany koa.
Sarin’i Gertrude, 21 taona, iray amin’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo.
Tena nalahelo aho rehefa voatery nijanona tsy nianatra intsony. Tsy tiako hisy zazavavy hafa hiaina izany fahoriana niainako izany.
Fantatr’i Gertrude loatra ny vokatr’izany hoe miala an-daharana tsy mandeha an-tsekoly intsony. Voatery niala tamin’ny fianarany izy raha mbola tany amin’ny ambaratonga faharoa fototra nohon’ny olana ara-bola. Fanandramana vaovao ho azy ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika fanentanana ataon’izy ireo fa indrindra dia fomba iray hanampiana ireo zatovovavy hanana fanantenana sy hanohy ny fianarany ihany koa izy ity.
Edvine, 22 taona, mitsiky mijery ny fakantsary ary mizara fotoana mahafinaritra miaraka amin’ireo namany eo ambanin’ny Tetezan’i Matitanana.
Rehefa mihaino anay ny olona, dia mahatsapa izahay fa tena afaka mitondra fiovana.
Nahavita ny bakalorea teo I Edvine. U-Reporter ihany koa izy, sady mandray anjara mavitrika amin’ireo hetsika fanentanana. Tena tiany ny mandeha mitsidika ny fiarahamonina toy izao, satria ny dia toy izao no ahafahany mahita zava-misy mifandray amin’ireo fianakaviana maro. "Tiako” hoy izy, “ny manao asa fanentanana toy izao satria ahafahako mahita toerana sy toe-javatra maro samihafa. Rehefa mihaino anay ny olona, dia mahatsapa izahay fa tena afaka mitondra fiovana." Manantena ny hanohy fianarana eny amin’ny oniversite i Edvine mba ho lasa mpampianatra.
Ny vondron’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo dia manao fanentanana miaraka amin’ny vondron’ny vehivavy sy ny zazavavy eo ambanin’ny Tetezan’i Matitanana.
Sarin’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo eo ambanin’ny Tetezan’i Matitanana. Avy aty ankavia mandeha miankavanana, dia ahitana an’i Larissa, Edvine, Rufina, Gertrude ary Olin.
Fanamarihana: Ny fandaharan’asa Let Us Learn dia ao anatin’ny dingana fahadimy amin’ny fampiharana azy. Ny taona 2026 dia manamarika ny faha-15 taona nisian’ity tetikasa ity ihany koa. Tanteraka ity hetsika ity noho ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Findel Foundation sy ny Komity Alemanina ho an’ny UNICEF.