Nahazo sekoly vaovao ny ao Terabovo
Hanova ny andavanandrom-pianaran’ny mpianatra an-jatony ao amin’ity tanàna ao amin’ny kaominina Sihanamaro, any atsimon’i Madagasikara ity, ny fananganana fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny sekoly.
Ny fikitran’ny maritoa no re mandritra ny andron’ny asa fanorenana atao ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ao Terabovo. Efa herinandro maro izay no nisian’ny fialantsasatra tamin’ny sekoly, ary mbola maro ny trano mbola andalam-panorenana, raha mbola miala sasatra kosa ny mpianatra. Ao amin’ny fivarotana kely eo an-toerana, no ahitanay an’i Sambevave, 15 taona. Vao nahavita soa aman-tsara ny BEPC izy ary manomana ny fidirana amin’ny lisea. Mandritra ny fiandrasana ny fanombohan’ny taom-pianarana, dia manampy ny reniny ao amin’ny toera-pivarotana kely an’ny fianakaviana izy. Mahatsiaro ny taona vitsivitsy niainany tao amin’ny sekoly i Sambevave.
« Tena nahafinaritra ahy tao, saingy maniry fatratra ny hanomboka ny taom-pianarana vaovao any amin’ny lisea aho. Ny efitrano tranainy dia vita amin’ny vy fotsy ary tena mafana tsy azo hiainana ao anatiny. Tsy ampy jiro sy rivotra ihany koa. Noho ity toe-javatra ity dia sarotra ny mifantoka amin’ny fianarana. Mampalahelo fa tsy nanana tombontsoa nianatra ao amin’ireo trano vaovao mbola andalam-panorenana izahay, nefa toa tena tsara ery izy ireo. »
Ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa dia ahitana: efitrano fianarana efatra, efitrano ho an’ny asa maro samihafa (salle polyvalente) izay azo ampiasaina ihany koa amin’ny fanandramana siantifika, ny biraon’ny tale, ny kianja filalaovana ho an’ny tarika rehetra, misy zana-kazo maniry miisa 100. Hisy koa ny kabone misaraka ho an’ny zazavavy sy zazalahy, noho ny fanohanana ara-bola avy amin’ny famatsiam-bola ho an’ny “ecovillage”. Hahazo fanaka koa ny sekoly, mba hahafahan’ny mpianatra mianatra ara-dalana. Ireo asa fanorenana efitrano fianarana rehetra ireo dia tanterahin’ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ary azo notanterahina noho ny fanohanana ara-bola avy amin’ny komity japoney ho an’ny UNICEF sy ny “ SL Creations”.
Avy amin’ny fianakaviana maro anaka i Sambevave: manana zandry valo izy ka ny efatra amin’izy ireo dia mbola mianatra. Anisan’izany i Vavitiana, 13 taona, vao nifindra ho amin’ny kilasyT7 ao amin’ilay sekoly ambaratonga faharoa ihany koa; « Tianay tokoa ny hianatra ao amin’ireo foto-drafitrasa vaovao ireo, satria amin’izao fotoana izao dia mbola tsy maintsy mizara efitrano fianarana izahay », hoy izy naneho ny heviny.
Sekoly mavitrika eo afovoan’ny tanàna maitso
Ny sekoly dia tantanan’i Sailambo Safidisoa Mihaona Tinahinjanahary, izay efa telo taona no nitarika ny sekoly. « Hanome ainga vao ho an’ny sekoly ireo trano vaovao ireto. Hampitombo isan’ny mpianatra izany ka raha 472 izao no isany dia mety hahatratra 700 amin’ny taona ho avy, satria efa misy tanàna hafa mikasa ny handefa ny zanany hianatra eto », hoy Tale.
Ny tanànan’i Terabovo dia anisan’ireo tanàna maitso 21 napetraka any atsimon’i Madagasikara. Natao ho tanàna modely ary mahazo fanohanana maro hoentina hanampiana ny fiarahamonina hiatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana, ary ho fanamafisana ny fiatrehana izany fiovana izany izy ireo. Miaraka amin’ny fotodrafitrasa mety, hetsika momba ny sakafo, fahasalamana, fampiasana rano madio ary fanabeazana. Ireo tanàna ireo dia manome toerana iainana milamina kokoa, indrindra ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana marefo indrindra.
Nandritra ny taona nianarany tao amin’ny sekoly, i Sambevave dia isan’ny mpiditra anaty fikambanana, sy toerana fifanakalozan-kevitra ho an’ny mpianatra. Noho ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Komisiona Eoropeana ho fanohanana ny maha-olombelona, dia mpianatra mpianatra manodidina ny 30 no afaka nandray anjara tsy tapaka tao amin’ity fikambanana ity. Tao izy no nianatra momba ny zon’ny ankizy, sy ny fomba fiarovan-tena amin’ny herisetra.
« Nampianatra ahy hiteny am-pahatokiana sy hiara-miasa amin’ny vondrona ity fikambanana ity », hoy izy tamin’ny feno fahatokisan-tena.
Maniry ho lasa rasazy i Sambevave. Ny zandriny Vavitiana kosa dia maniry ho lasa mpampianatra, mpikambana ao amin’ny kilioba “Sekoly maitso” koa izy, izay mampianatra momba ny fikarakarana ny tontolo iainana. « Ao anatin’ity fikambanana ity, izahay no mamboly hazo, mikarakara zaridaina, mitantana ny fako, ary efa manodidina ny 60 isa izahay izao», hoy izy nanazava.
Fanamarihana:
Ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, amin’ny alalan’ny tetikasa fananganana tanana maitso, dia manohana ny tetikasa “Sekoly maitso” ihany koa amin’ny alalan’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Zonta International, Fondation Findel, Today and Tomorrow Initiative. Ny fananganana ireo tanana maitso ireo koa dia tohanan’ny Komity Nasionaly ho an’ny UNICEF avy any Belzika, Pays-Bas, Royaume-Uni (fondations Moondance et Eleva), Frantsa, Andorre, Korea ary Alemana.