Aimélia, 14 taona, mirehareha izy fa afaka mianatra ary mino fa hanana hoavy mamiratra.

Ao amin’ny kaominina Tataho, ny tantaran’i Aimélia dia manaporofo fa afaka manova ny fiainan’ny tovovavy ny tetikasa “Andao hiananatra” (Let Us Learn) izay manampy mba hahafahan’ny adolantseto manohy ny fianarany ao anaty tontolo tsaratsara kokoa.

Abela Ralaivita
portrait of Aimélia taken in front of a blackboard where it is written "Let Us Learn".
UNICEF/UNI826234/Ramasomanana
04 Jolay 2025

Mitsahatra ny taom-pianarana ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa CEG reference Manakara, atsimo atsinanan’i Madagasikara. Mandrahondrahona toy ny mahazatra rehefa ririnina ny andro, ary milalao baolina “migadra izay voatoraka“ (ballon prisonnier) eo an-tokontanin(t(sekoly ny mpianatra. Anisan’izany i Aimélia, 14 taona, miramiran’endrika ery izy. « Tsy andriko ny hahitàna ny vokatra faran’ny taona ! » hoy izy amim-pifaliana. Mahay matematika izy ary mitana hatrany ny laharana faharoa ao an-dakilasy.

Vavimatoa amin’ny zaza efatra i Aimélia. Monina ao Mahatsinjoriaka izy, tanàna kely iray ao anatin’ny kaominina Tataho, any amin’ny efatra kilaometatra eo ho eo miala ny sekoliny. Mianatra avokoa ny rahavaviny roa, Mialisoa (9 taona) sy Tsiory (6 taona). I Benjamin, zandriny faralahy kosa, izay mbola 4 taona monja, dia mbola tsy nahafeno taona hidirana an-tsekoly ka matetika mijanona miaraka amin-dreniny. Mamboly sy miompy akoho ny ray aman-dreniny, ary nivoatra tsikelikely ny fiainany noho ny fanampiana ara-bola isam-bolana avy amin’ny tetikasa Zara Mira, izay tohanan’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

Ity fanampiana isam-bolana ity, izay mitentina ho 2,30 dolara amerikana isan-jaza, izay omena isaky ny roa volana, hoenti-manampy amin’ny fandaniana mikasika ireo zavatra izay tena ilaina, toy ny fitaovam-pianarana. Misy ampahany amin’io vola io koa no atao petra-bola ho an’ny tahiry iombonana ao amin’ny vondrona misy azy.

Les trois sœurs traversent un pont sur le chemin de l’école.
UNICEF/UNI826243/Ramasomanana zy telo mirahavavy miampita ny tetezana eo amin’ny lalana mankany an-tsekoly.
Portrait de Lucie et de ses quatre enfants devant leur maison.
UNICEF/UNI826241/Ramasomanana Sarin’i Lucie sy ny zanany efatra manoloana ny tranony.

Tonga tamin’ny fotoana tena ilaina ity vola ity taorian’ireo tafiotra maromaro tamin’ny taona 2021 izay nanimba ny fambolena jirofo nataonay. Mba afaka manohy mianatra ny zanakay ary afaka manatsara kely ny fiainanay andavanandro koa izahay», hoy ny renin’i Aimélia, Lucie Rasoavelonjanahary.

“Andao hianatra” (Let Us Learn) : mihoatra lavitra noho ny fanampiana tsotra

Ity fanampiana ara-bola ity dia mifandray amin’ny tetikasa Andao hianatra na Let Us Learn ihany koa. Efa mahatratra ny dingana fahadimy ity tetikasa ity ankehitriny, 15 taona aty aorian’ny nanombohany. Tetikasa mahakasika sehatra maro izy ity, ary ny hanatsara ny fidiran’ny mpianatra sy ny hitohizan’izany fianarana izany mandritra ny fotoana maharitra no tanjony. indrindra ireo ankizivavy mianatra eny amin’ny fianarana ambaratonga faharoa fototra, ka isan’ireo sehatra voasahana amin’izany ny  sehatry ny fanabeazana, fiarovana ny ankizy, fiarovana ara-tsosialy ary ny fandraisan’anjaran’ny fiaraha-monina.

Ao Tataho, dia tanàna fito sy tokantrano manodidina ny 1 500 no mahazo tombony amin’ity fanampiana ara-bola ity. Ankoatra izany, ny ankizy tahaka an’i Aimélia ihany koa dia raisina an-tanana amin’ny alalan’ny vondrona fihainoana, izay iarahan’izy ireo miresaka lohahevitra toy ny zon’ny ankizy, fiarovana amin’ny herisetra, ary fahadiovana mandritra ny fadimbolana.

«  Isaky ny asabotsy dia mahazo fampianarana mahasoa, ho an’ny maha-vehivavy sy maha-mpianatra ahy aho», hoy i Aimélia manazava.

Lucie, la mère d’Aimélia, s’occupe de son élevage de poules.
UNICEF/UNI826239/Ramasomanana Lucie, renin’i Aimélia, mikarakara ny akoho fiompiny.
Ando, 23 ans, anime une session de groupe d’écoute sur la lutte contre le mariage des enfants.
UNICEF/UNI826309/Ramasomanana Ando, 23 taona, mitarika vondrona fihainoana miresaka ady amin’ny fanambadiana aloha loatra.

Fiaraha-monina manohana ny hoavin’ny ankizivavy

Ny tetikasa Andao hianatra na Let Us Learn dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanentanana ny fiaraha-monina. Amin’ny alalan’ireo komity mpanara-maso ny sekoly antsoina hoe FEFFI, izay ahitana ny talen’ny sekoly, ny solontenan’ny manampahefana eo an-toerana, ny ray aman-dreny, ny solontenan’ny fiaraha-monina ary ny mpiara-miombon’antoka hafa, dia samy manao izay ho afany avy mba hahazoana antoka fa ny ankizivavy rehetra dia afaka mianatra sy mijanona ao an-tsekoly.

Lucie, renin’i Aimélia, dia nanambara hoe: « Hanao izay rehetra azoko atao aho mba  hahavitan’ny ny zanako vavy fianarana hatramin’ny farany. Izaho tsy afa-nanohy fianarana intsony taorian’ny kilasy faha-8, ary ny rain’izy ireo kosa nijanona tamin’ny kilasy faha-9. Tsy tiako ho tahaka izany izy ireo, tsy tiako hanenina. »

Ny lalana mankany an-tsekoly tsy maintsy andehanan’i Aimélia dia maharitra 30 minitra an-tongotra eo ho eo isan’andro. In’efatra isanandro izy no mandeha amin’io lalana io. Mafimafy ihany izany saingy ataony amim-paharetana mba hahafahany manohy ny fianarany. Tia mianatra izy, mandany fotoana miaraka amin’ny namany, ary manonofy ho lasa mpitsabo mpampivelona rahatrizay, mba hahafahany hanasitrana sy manampy ny olona ao amin’ny fiarahamonina misy azy. Ankehitriny, noho ny fandraisan’anjaran’ny fianakaviana sy ny fanohanana avy amin’ny tetikasa, dia efa 82% amin’ny ankizy ao Tataho no afaka mandeha an-tsekoly.

« Mirehareha aho fa tovovavy, ary fantatro tsara ny tombontsoa ananako. Ny fandehanana an-tsekoly no hahafahako manana hoavy tsara kokoa. » - Aimélia, 14 taona.

portrait of Aimélia smiling and standing in the schoollyard
UNICEF/UNI825728/Ramasomanana

« Tamin’ny alalan’ny vondrona fihainoana no nianarako mikasika ny zo-ko. Ankehitriny, afaka manome torohevitra ny namako aho mba hisorohana ny fitondrana vohoka aloha loatra. » – Yolande, 14 taona

portrait of Yolande, 14, holding the Malagasy national flag before the start of a listening group with around thirty children and adolescents
UNICEF/UNI826298/Ramasomanana

« Ny eto amin’ny kaominina misy anay dia tsy misy fandeferana mihitsy amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy. » – Randriamaro Gaston, ben’ny tanànan’i Vohilany.

portrait of Mr. Randriamaro Gaston, Mayor of Vohilany taken during a training of key actors for the Social and Behaviour Change component in the Commune of Vohipeno.
UNICEF/UNI826316/Ramasomanana

 « Mirotsaka an-tsehatra ho mambran’ny komity mpanara-maso ny sekoly – FEFFI-  aho, mba hahazoako antoka fa ny ankizy feno taona hidirana hianatra dia ao an-tsekoly avokoa». – Razafimiadana Bénédicte, tale mpanabe ao amin’ny collège Manatosikora.

Portrait of Ms. Razafimiadana Bénédicte, director of the Manatosikora secondary school during a training of key actors for the Social and Behaviour Change component in the Commune of Vohipeno.
UNICEF/UNI826314/Ramasomanana

 « Amin’ny maha-zokiolona ahy eto an-tanàna, diaataoko azo antoka fa tsy misy herisetra mihatra amin’ireo ankizivavy mianatra ao an-tsekoly. » – Randriamanantena François, filohan’ny FEFFI ao Vohilany.

portrait of Mr. Randriamanantena François, president of FEFFI in Vohilany taken during a training of key actors for the Social and Behaviour Change component in the Commune of Vohipeno.
UNICEF/UNI826315/Ramasomanana

Fanamarihana: Ny tetikasa “Andao hianatra” na Let Us Learn dia tanteraka noho ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Fondation Findel sy ny Komity Alemàna ho an’ny UNICEF. Toy izany ihany koa ny fanampiana ara-bola ho an’ny ankizy rehetra sy ny fanohanana ny fitovian-jo amin’ny alalan’ny programa Zara Mira ao amin’ny kaominina Tataho.