Hita ihany ilay zanak’i Fanjarline izay very nandritra ny 12 andro taorian’ny rivo-doza Gezani.
Tafaverina tao amin’ankohonany ihany i Espérance (8 taona) rehefa nanao ny ady sisika mba hikarohana izay misy azy ny UNICEF.
Nifamahofaho be ihany ny olona tany amin’ireo toby natokana hialofan’ny tra-boina, tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra La Foire, any Toamasina, faritra Antsinanan’i Madagasikara. Nifanampy tamin’ny mpitandro filaminana ny mpisehatra ara-tsosialy tamin’ny fikarohana an’i Espérance, 8 taona, ka hita ihany izy, 12 andro taorian’ny nandalovan’ny rivo-doza Gezani.
Tena faly tsy nisy toy izany i Fanjarline reniny, 34 taona fa tanteraka ny faniriany lalina. Natao fanadihadiana moa izy herinandro talohan’izao, ary nilaza fa manantena ny mbola hihaona indray amin-janany, na dia eo aza ny fiainana tsizarizary niainany tao an-toby.
« Ny hihaona amin-janako no faniriako lalina indrindra. Ary tanteraka izany ankehitriny. Tena faly aho fa hitako indray izy. Ny zanako no hany harenako.»
Latsaka tanaty alahelo lalina i Fanjarline fony izahay nihaona voalohany. Tsy nahahetsika teo am-pandriana izy, eo am-pitrotroana ny zanany kely mbola iray volana.. Trano fianarana iray no nitoerany sy ny fianakaviany taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza. Ontsa azy avokoa ny mpiara-monina taminy tao anatin’ny efitrano fianarana.
Mitorevaka eo amin’ny dabiliom-pianarana eo akaikiny koa ny vadiny. Reraky ny fitaintainana izy ny amin’izay tokony hatao hikarohana an-janany. Etsy an-daniny ny andraikitra amin’ny fiahiana ny ankohonany sy ny fikarohana ny zavatra ilainy. Na dia tao anaty alahelo lalina toy izany aza anefa ny fianakaviana, dia azo nifampiresahana ihany. « Niezaka nitady azy izahay ny tolakandro, raha efa tena antomotra tamin’izay ny famelezan’ny rivo-doza. Saingy nohon’ny hamehana dia tsy maintsy namonjy ny toby fialofana aloha izahay. Tsy nahomby anefa ny ezaka fikarohana nataonay » hoy ny reniny latsa-dranomaso.
Espérance, anarana mitondra fanantenana
Tsy nanary toky mihitsy i Fanjarline. « Tsy fantatro akory na efa maty izy na tsia. Fa niezaka foana aho hanana finoana fa any ho any izy », hoy ny nambarany. Dimy ny zanak’i Fanjariline ary anisany i Espérance. Roa andro taorian’ny nihaonantsika dia tonga teo an-toby i Delphine, mpisehatra ara-tsosialy. Nanampy ireo tra-boina izy. Niresaka manokana taminy i Fanjarline ary nihaino sy nampahery azy ity farany, sady niteny taminy tsy hanary toky.
Manodidina ny 6 000 ny ankizy tsy maintsy afindra toerana nohon’ny fitombon’ny olana mifandraika amin’ny fiarovana
Vokatry ny ezaka nataon’I UNICEF dia misy mpisehatra ara-tsosialy folo toa an’i Delphine voatendry miasa ao Toamasina. Ao anatin’ity ezaka ity dia mpisehatra ara-tsosialy 22 ihany koa nalefa niasa any amin’ny tanan-dehiben’i Fenoarivo Antsinanana. Manampy amin’ny fanohanana ara-tsaina sy ara-piaraha-monina ny fianakaviana mila izany izy ireo.
Fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ny ady sisika natao tamin’ireo mpitondra fanjakana mba hikarohana ity zazalahy kely ity. Nisy vokany ny ezaka natao : hita tany amin’ny tsena anankiray teo an-tanàna i Espérance.
« Nisy nanome sakafo aho tany an-tsena. Na izany aza dia nitaintaina foana aho. Tany amin’ny reniko foana ny saiko. »
Nanao antso tselatra ho amin’ny fanampiana mandritra ny hamehana ny Firenena mikambana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ao anatin’ny sehatra fitandrovana ny maha-olona Fanampiana mitentina 67 tapitrisa dôlara amerikana no nilaina hahafahana mitondra ireo fanampiana fototra sy miankina aman’aina ho an’ny mponina miisa 486 000. Efa manao izay azony atao ireo fianakaviana amin’ny fiatrehana ny zava-misy. 8,4 millions dôlara amerikana amin’io tontalim-bola no natolotry ny UNICEF mba hanamafisana ny fanampiana fototra sy hanohanana ny fanarenana ny fiainan’ny ankizy sy ny fiaraha-monina.
Hijanona fotoana voafetra ao amin’ny toby filofan’ny tra-boina aloha i Fanjarline sy ny fianakaviany mandra-pahitàny toera-ponenana vaovao. Marina fa tsy mbola tafody any an-tranony izy ireo, fa saingy efa tafavory kosa ny fianakaviana. Ary izay no tena fahasambarany. Hoy ny nambarany namarana ny resaka : « Efa hita izao i , dia hiezaka indray izahay hitady asa fivelomana sy trano honenana ; toerana izay hahafahanay miaina tsy misy tebiteby. »
Fanamarihana : tafiditra ao anatin’ny hetsika manoloana ny hamehana ny fiomanana izay vatsian’ny « Fonds central d’intervention d’urgence des Nations Unies (UN CERF) » vola.