Mizotra mankany amin’ny ho aviny
Tantaran’i Jarelle, ho lasa dokotera izy na eo aza ny sakatsakana
Ao amin’ny firaisam-pokontany kely antsoina hoe Antanifotsy, any amin’ny faritra Analanjirofo, no misy an’i Jarelle, 14 taona kilasy fahavalo ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra. Izy ida vavolombelon’ny antsoina hoe zotom-po, fahavononana sy fanantenana. Na dia sarotra aza ny fiainana iainany, dia mamiratra hatrany izy any an-tsekoly, indrindra amin’ireo taranja ara-tsiansa izay tena ankafiziny tokoa.
Isan-kerinandro dia mandeha an-tongotra eo amin’ny 20 kilaometatra eo, mandroso sy miverina i Jarelle mba hamangy ireo ray aman-dreniny izay monina any amin’ny tanàna kely iray somary mihataka lavitrdavitra ny sekoly ianarany. Rehefa mirava ny sekoly ny zoma, dia mandeha an-tongotra irery mandany ny faran’ny herinandro any amin’ny fianakaviany i Jarelle. Saingy tsy hoe miverina any amin’ny ankohonany fotsiny izy amin’io fa sady mandeha maka vatsy. Ny alahady hariva indray dia miverina an-tongotra amin’iny lalana iny izy, miaraka amin’izay vatsy azon’ireo ray aman-dreniny nampitondraina toy ny vary, legioma sasantsasany sy trondro maina. Izy irery no misakelika ireoireo harona mavesatra ireo, mamakivaky ny lalan-tany mba ho vatsy amin’ny herinandro manaraka
Satria mipetra-drery izy. Izy ihany ko mikarakara ny sakafony sy mandamina ny asa fanaony andavanandro ary koa miatrika ny fianarany. Voatery izy hahavita tena na mbola kely aza, saingy tsy sakana ho azy izany fa fototra mahatonga azy ho matotra sy manana fahavononana hiezaka kosa
"Reraka ihany aho indraindray, fa rehefa mieritreritra ny nofinofiko ho tonga mpitsabo aho indray androany dia mahazo hery hanohy ny ezaka ataoko indray," namiratra ery ny masony nilaza izany.
Tsy hoe mipetraka lavitra ny fianakaviana sy anaty tsy fahampiana fotsiny i Jarellefa toy ireo tanora mitovy fiainana aminy di amaro ireo fihaikana atrehany nohon’ny tsy fananana foto-drafitrasa-pampianarana arak any tokony ho izy. Tsy ampy fitaovana ny sekoly fanabeazana faharoa fototra indrindra fa ireo fitaovana fanaovana fampiharana sy ahafahan’ny mpianatra mandray anjara mavitrika. Kanefa nohon’ny fomba fampianarana vaovao nampidirina izay mifototra Lamin’ny fanaovana fanandramana sy ny fandraisana anjara mavitrika ataon’ny mpianatra dia nanjary nankafy ny taranja ara-tsiansa i indrindra fany siansa mikasika ny fiainana sy ny tant ary ny fizika sy simia.
"Ankehitriny dia azoko tsara kokoa ny lesona. Tiako ny manao fanandramana ao am-pianarana. Na dia tsy manana fitaovana tsara foana aza izahay, dia miezaka ny mpampianatra mampiasa izay fitaovana misy” hoy izy nitsiky.
Noho ireo fomba fiasa vaovao dia nihatsara ny naotin’i Jarelle sady nitombo ny fahatokisany ny tenany. Voalazan’ny mpampianatra azy fa mpianatra mamiratra izy ao an-dakilasy, liana amin’ny zavatra ianarana ary tena mianatra sy vonona mandrakariva hanampy ny hafa.
Tsy faniriana tsotra fotsiny ny azy ilay ho lasa mpitsabo fa antso mipàka ao am-po. Maniry ny hitsabo sy hanampy ireo zazavavy ao anatin’ny fiaraha-monina misy azy izy mba hahatoky koa fa manana ny fahaizana anananay izy ireo
"Mba maniry aho mba hanana fitaovana bebe kokoa ny sekoly misy ahy, tsy ho anay mianatra amin’izao ihany fa koa ho an’ireo zandry ho avy any afara. Mora kokoa ny mianatra raha afaka mitsapa, mijery, manandrana."
Ity tantaran’iJarelle ity dia maneho ny fiainana iainan’ny zazavavy maro eto Madagasikara izay na eo aza ny halaviran-dalana sy ny fahantrana dia mbola manana nofy izy ireo hianatra sy hiady ho amin’ny ho avy tsaratsara kokoa. Izy koa dia vavolombeon’ny hery miasa mangina izay hoentin’ny fomba fampianarana nohavaozina izay azo ampiharina na sarotra aza ny zava-misy.
Rehefa hamafisina ny fitaovana mifanaraka amin’ny zava-misy ka ampitsomboina ny fanohanana ny mpampianatra ary atao manakaiky kokoa ny fiaraha-monona ny foto-drafitram-mpampianarana dia manome fampianarana ambony kalitao kokoa ho an’ny zaza aman-jatony toa an’i Jarelle isika sady koa manome azy ireo soa fanararaotra hoentiny manatsaka ny ho aviny.
Fanamarihana : ireto hetsika ireto dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Andao hianatra na Let Us Learn, izay azo notanterahina noho ny famatsiam-bola avy amin’ny Fondation Findel sy ny komity alemana ho an’ny UNICEF