Mianatra tsy misy fetra miaraka amin’ny teknolojia
Araho ny fijoroana vavolombelona ataon’ireo mpianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra (CEG) Vohipeno sy ny fanandramana iainan’izy ireo mikasika ny fianarana nomerika.
Nanao sonia fifanarahana mba hanamorana ny fisitrahana ny fianarana nomerika eto Madagasikara ny teny anivon’ny UNICEF Madagascar, sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Airtel Madagascar. Fiaraha-miombonantoka mandritra ny dimy taona izy ity. Nohon’ny fisian’io fifanarana io dia afaka mampiasa ny tambajotra Airtel maimaim-poana amin’ny fotoana rehetra ao anatin’ny sehatra fianarana an-tserasera izay atolotry ny Ministera ny mpianatra sy ny vahoaka na faritra iza na aiza no misy azy eto amin’ny firenena. Sekoly 86 any amin’ny faritra fito eto Madagasikara no efa tafiditra ato anatin’ity sehatra ity hatramin’izao, ka mahatratra 51 931 ny mpianatra mahita fomba fianarana vaovao amin’ny alalan’ny teknolojia nomerika.
Mianatra zavatra maro izahay ary mahazo fahalalana vaovao nohon’ny fisian’ny tranom-boky nomerika.
Fantatro izao fa tsy amin’ny alalan’ny kahie ihany no ahafahana mianatra.
Mazava tsara ireo horonantsary sy ohatra aseho. Nanampy ahy hahita teny vaovao sy hanitatra ny voambolana haiko ny tranomboky nomerika.
Tiako ity fomba vaovao fianarana amin’ny alalan’ny teknolojia ity. Maro ireo lohahevitra azo jerena ao kanefa tsy ampianarina any an-dakilasy.
Manampy ny tanora hampivelatra ny fampiasany ny sainy ny teknolojia.