Nanao sonia ny fifanarahana fiaraha-miasa ho fanamafisana ny fanohanana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara ny UNICEF sy ny Japan International Cooperation Agency (JICA) Madagasikara mba hiantohana fa misitraka fampianarana tsara kalitao

23% monja amin’ireo ankizy 7 ka hatramin’ny 14 taona eto Madagasikara no mahay mamaky teny raha toa ka 7% monja kosa no mahafehy ny kajy. Ity fiaraha-miasa ity dia hoenti-manohana ny fanatsarana ny fahafaha-misitraka ny kalitaom-panabeazana.

04 Martsa 2025
Tanaka Kaori et Christine Jaulmes lors de la signature du MOC entre JICA et UNICEF
UNICEF Madagascar/2025/Andriantsoarana

Antananarivo, 04 martsa 2025 – Dingana iray vaovao ho amin’ny fanatrarana ny tanjona iombonana mba hahafahan’ny ankizy tsirairay eto Madagasikara misitraka fanabeazana tsara kalitao afaka mampivelatra ny fahaiza-manaon’izy ireo ity fanaovan-tsonia ny fifanarahana ho amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny UNICEF sy ny Japan International Cooperation Agency (JICA) Madagasikara ity

Telo taona no faharetan’ny fiaraha-miasa eo amin’ireo fikambanana roa tonta. Hanatsara amin’ny fomba azo tsapain-tanana sy maharitra ho an’ny sekoly fanabeazana fototra eto Madagasikara no tanjona amin’izany fiaraha-miasa izany. Mbola tohin’ny fifanarahana efa nisy teo aloha izay efa naharitra telo taona, nosoniavina tamin’ny Desambra 2020 ihany koa ity fanaovan-tsonia vaovao ity . Manampy betsaka tamin’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny fandaharanasa fanarenana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra ny fisiany.

Satria tokoa raha fanabeazana no resahina dia 7% monja amin’ireo ankizy 7 ka hatramin’ny 14 taona no manana fahaiza-manao fototra amin’ny kajy, ary 23% no mahafehy tsara ny famakian-teny. Ankoatra izany dia mbola ambony dia ambony ny tahan’ny fialàna an-daharana amin’ny fandehanana an-tsekoly. Mahatratra 22,2% -n’ireo ankizy voasoratra anarana no mandao ny sekoly raha mbola eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra izy no mianatra. Mahatratra 20% kosa izany eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Mampitombo ny tsy fitovian’ny eo amin’ny fahafaha-misitraka fanabeazana sy ny fahombiazana amin’ny fanadinam-panjakana koa ny tsy fahampian’ny mpampianatra nahazo fiofanana. 25,7% monja amin’ireo mpampianatra eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra no manana diplaoma mifandraika amin’ny fanabeazana raha 36,5% kosa izany ho an’ny mpampianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra[1].

Mbola manampy trotraka ireo fihaikana voatanisa eo ambont ireo koa ny toe-java-misy nohon’ny hamehana toy ny fandalovan’ny rivo-doza sy ny tondra-drano. Mitaky ezaka fanampiny ny fisian’ireo eto Madagasikara. Anisan’izany ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika

fotoan-tsarotra sy ny fahafaha-mandeha an-tsekoly ho an’ny ankizy. Araka ny angon-drakitra tao anatin’ny telo taona farany avy amin’ny BNGRC izay navoakany tamin’ny 2024, dia miisa 3.700 ireo efitrano fianarana teny amin’ny sekolim-panjakana no rava vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza ary mihoatra ny 3.750 kosa no simba.

Lafin-javatra maro no voafaokan’ity fiaraha-miasa ity toy ny fitazonana ny ankizy an-tsekoly, fanohanana amin’ny fampidirana ireo zaza mbola tsy tafiditra an-tsekoly, , ny fanofanana ireo mpampianatra amin’ny sekoly fanabeazana mba hahafahany mahazo ireo teknikam-pampianarana mahomby – indrindra ny fomba fampianarana Teaching at the Right Level (TaRL) na koa hoe fampianarana mifanaraka amin’ny fahaizan’ny mpianatra, ny fanamafisana ny andraikitry ny Komity Mpitantana ny Sekoly (FEFFI) sy ny fanaraha-maso ny fianaran’ny ankizy, ny fanamafisana sy fizarana ny fomba fanao tsara indrindra, ary ny fanohanana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fanaovana fanaraha-maso sy tombana ny tetikasa iombonana. Ankizy miisa 4 489 353 eo ho eo sy mpampianatra 107 944 avy amin’ny sekoly fanabezana fototra sy sekoly 27 803 manerana ny faritra 23 eto Madagasikara no kendrena hahazo tombony amin’ity fiaraha-miasa ity.

Nambaran-dRamatoa Christine Jaulmes, solontenan’ny UNICEF fa “Ity fiaraha-miasa ity no paikady hoentina mirotsaka an-tsehatra hitondra fiovana maharitra eo amin’ny fanabeazana. Ary natao izany mba hisy fiantraikany tsara eo amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina sy ny ankizy ary ny fianakavian’izy ireo,” .

Nanambara kosa Ramatoa TANAKA Kaori, Solontenan’ny JICA eto Madagasikara fa Amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity dia haparitaka manerana an’i Madagasikarany ny vokatra tsara azo tamin’ny tetikasa TAFITA. Hanampy betsaka asa ny fanabeazana ho an’ny ny ankizy Malagasy rehetra izany.”

--- [1] Antontan’isa 2024–2025, Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN) (2024)

Fifandraisana

Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar
Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Araho ny UNICEF amin'ny XFacebook, Instagram sy LinkedIn