Onixia, herim-pon-jazavavy manoloana ady sarotra
Nahazo ny mari-pahaizana « baccalauréat » ihany i Onixia na dia teo aza ny fahantrana sy ny fanimbazimbana natao azy, eny fa na dia nitondra vohoka izy tamin’ny faha-19 taonany.
Manana fanapahan-kevitra hentitra sy ambom-po sahady Razafindrasoa Onixia na dia vao 20 taona monja aza. Nahazo ny mari-pahaizana « baccalauréat » izy ny taona 2025. Maro no mety hihevitra fa mari-pahaizana tsy dia manao ahoana loatra izany, saingy ho an’i Onixia kosa dia mariky ny fandresena taorian’ireo taona maro nitolomany mangina sy nanaovany sorona nny tenany tamin’ny zavatra maro izany.
Lehibe tao Mahatsinjo, tanàna kely any Vondrozo, any amin’ny faritra Atsimo-atsinanan’i Madagasikara i Onixia. Fianakaviana tsotsotra, manana zanaka efatra no niaviany. Mpiasam-panjakana ny rainy raha mikarakara tokantrano kosa ny reniny. Laharam-pahamehana tamin’ireo ray aman-dreniny hatrany ny fanabeazana ireo zanany. Tany amin’ny sekoly tsy miankina izy ireo no nianatra nandritra ny taona voalohandohany nianarany, ary niavaka hatrany i Onixia tamin’ny voka-panadinana.
Nanomboka nanana olana ara-bola anefa ny fianakaviana rehefa nahazo fifindran-toerana hiasa lavitra ny tanàn-dehibe ny raim-pianakaviana. Nafindra tany amin’ny sekolim-panjakana noho izany i Onixia mba tsy havesatra loatra ny fandaniana. Nahazo ny mari-pahaizana voalohany (CEPE) izy ary nirehareha tamin’izany. Rehefa izany dia mbola nanao ezaka be ny ray aman-dreniny ka afaka nanohy tany amin’ny sekoly tsy miankina indray izy ary nahazo ny mari-pahaizana BEPC.
Betsaka nyu fihaikana natrehany rehefa tonga teny amin’ny lisea izy : teo ohatra ny olana ara-bola, teo koa ny maha-adolantsento ka lasa varimbariana izy ary indrindra tonga teo amin’ny fotoana nitsirian’ny fitiavana voalohany izy ka nisy fiantraikany teo amin’ny voka-panadinana ireny rehetra ireny. Fa tafakatra kilasy famaranana ihany izy na izany aza. Nikorontana ambony ambany anefa ny fiainany ny taona 2023 rehefa fantatra fa nitondra vohoka izy. Maro ny fanerena natao azy mba hanalàny ny zaza fa tsy nanaiky Onixia. Nalefan-drainy tany Farafangana izy ho fitsinjovana ny fahasalamany. Akaiky ny distrikan’i Vondrozo ihany io toerana io ary manana ny rafitra rehetra ilaina mba hahafahany misitraka fiterahana azo antoka ka hahafahany manohy ny fianarany indray aoriana.
« « Toa nisesy nanjavona avokoa ny nofinofiko » hoy izy nijoro ho vavolombelona « nefa niezaka aho nampahery tena hoe tsy maintsy hisy varavarana vaovao hisokatra ho ahy any ».
Efa nitondra vohoka efa-bolana izy ny volana janoary 2024 no nandeha nisoratra anarana ho mpiadina tsy miankina. Niaritra ny fanebahana sy ny fanambaniana natao azy izy rehefa niditra ny efitrano nisy mpianatra miisa hatrany amin’ny efa-jato. Manampy trotraka koa ny hanohanana sy ny tsy fahampiam-bola satria dia roa dôlara isan-kerinandro monja no mba azon-drainy nalefa taminy kanefa dia làlana lavitra no alehany isanandro rehefa handeha hianatra. Ny volana aprily, dia teraka tsy ampy volana izy satria vao fito volana am-bohoka monja ny zanany. Niverina an-tsekoly indray izy telo volana taty aoriana na eo aza ny tsy fahampian-torimaso sy ny andraikitra tsy maintsy raisiny amin’ny fitaizana ny zanany. Nindrana kahie tamin’ny namany izy mba hanonerana ny fahataràna. Napetrany tamin-dreniny tany Vondrozo ny zazakely rehefa niverina nianatra tany Farafangana izy mandapaha-tapitry ny taom-pianarana.
Na teo aza anefa ny ezaka be nataony dia tsy afa-panadinana i Onixia. Tsy kivy anefa izy, vao maika aza niha-mafy ny fanapahan-keviny. Nasain-drainy nijanona tamin’ny fianarana izy fa tsy nety. « Tsia, tsy maintsy azoko ny baccalauréat na inon-kitranga na inon-kidona. »
Nisoratra anarana tao amin’ny lisean’ny Vondrozo i Onixia ny taom-pianarana 2024-2025. Nanatrika ny fianarana rehetra, namerin-desona sy nanao ny fanadinana tamin-kerim-po sy fifehezan-tena izy. Nanjary fanoitra namporisika azy hiezaka ny zanany. Nivaly ny ezaka natao ka afa-panadinana izy ny taona 2025.
Tsy nijanona teo anefa ny faniriany. Maniry ny hanohy ny fianarany ao amin’ny ENS na ny ivon-toerana fanofanana mpampianatra ao amin’ny oniversitean’I Fianarantsoa, faritra Matsiatra ambony izy. Tiany ny ho lasa mpampianatra. Nanjary maodely ho an’ny ankizivavy teo an-toerana i Onixia. Nasehony fa afaka manova ny ady sarotra ho tanjaka ny fifehezan-tena izy ary fikirizana.
Araka ny fanadihadiana misy tondro marolafy nataon’ny MICS6 dia adolantsento 10 ka hatramin’ny 19 taona no mameno ny ampahaefatry ny isan’ny mponina eto Madagasikara ary latsaky ny 25 taona avokoa ny 64 %-n’ny mponina.
Azo lazaina fa maneho ny tanjaky ny mponina io isa io nefa koa ireo tanora sy ankizy ireo koa no marefo indrindra. Navoakan’ny vali-pitiliana mikasika ny tsy fahampiana marolafy sy mifampiditra « Multiples Chevauchements de Privations (MODA) 2023, fa 96 % - n’ny ankizivavy 10 hatramin’ny 17 taona no miaina ao anaty fahantrana maro lafy .
Betsaka ny ireo ady sarotra maneho izay toetra marefo eo amin’ny ankizy vavy izay : fanambadiana aloha loatra, vohoka tsy niriana, fialana an-daharana amin’ny fianarana, ary raharaha marobe atao ao an-tokantrano. Any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, dia mahatratra 59 %n’ireo vevivavy 20 ka hatramin’ny 24 taona no nanambady talohan’ny faha-18 taonany raha 16 % kosa ny lehilahy. Mahatratra 55%-n’ny ankizy 5 ka hatramin’ny 17 taona no tafiditra ao anatin’ny tranga-na fampiasana zaza tsy ampy taona any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ka mandao ny sekoly tsy fidiny sady tsy afaka mampivelatra ny maha-izy azy. Manakana ny fivelarany tanteraka izany toe-java-misy izany.
Manohana ny fanjakana ny UNICEF, indrindra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ka manohana ny fivoriana mikasika ny fanomezan-danja ny zazavavy natao tao Vondrozo mba hanamafisana ny fahombiazana amin’ny fianarana, ny fahaleovan-tena ara-toe-karena, ary ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena. Nandritra io fivoriana io dia nandray anjara tamin’ny fampiroboroboana fahaiza-miaina, fitarihana, fandraharahana, fahafahana mahazo fahalalàna, ny fanohanana sy ny fanazavana momba ny asa azo atao, ny fanohanana sy fiarovana amin’ny herisetra, ny fanentanana mikasika ny fahadiovana sy fahasalamana, fampirantiana momba ny siansa sy teknolojia, ny asa, ny inenieria sy ny matematika (STEM) ny UNICEF mba hahafahana manampy ny adolantsento hanana fijery lavitra.
Mazava ny hafatri’i Onixia : aza avela hampiodina ny sainao tsy hibanjina ny tanjona napetrakao ny sakana sy ny tsikera ataon’ny hafa. Manao antso avo ho an’ny ray aman-dreny koa izy : amporisiho ny zanakareo hanohy fianarana satria ny fianarana no harena lehibe indrindra. Noporofoiny tamin’ny lalana nodiaviny fa raha manana fanapahan-kevitra hentitra sy mahazo fanohanana ny olona iray dia afaka mandrresy ny ny toe-javatra sarotra indrindra aza.