Lalam-piainana roa, safidy iray: Mampisokatra ny mason’ny olona i Ando.
Manolo-tena i Ando hampita hafatra amin’ny ankizy momba ny fanambadiana aloha loatra sy ny lanjan’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny vondrona fihainoana ao amin’ny fandaharan'asa Zara Mira.
« Iza amin’ireto tantara roa ireto no tena tianareo: ny tantaran’i Mbity sa ny an’i Meva ? » hoy i Ando, am-pitsikitsikiana, manoloana ankizy sy tovovavy manodidina ny telopolo isa. Miara-mamaly izy rehetra manao hoe : « Ny an’i Meva ! ». Lalan-kizorana roa samihafa no mipoitra eo amin’ilay boaty mirakitra sary: tsy inona izany fa ny an’i Mbity, izay voatery nanambady aloha loatra, ary ny an’i Meva, izay nanohy fianarana ary tafita ankehitriny.
Notontosaina tao amin’ny toby ifotony ao Ambohimandroso, any atsimo atsinanan’i Madagasikara ity hetsika ity, ka tao amin’ny « Toerana fikatsahana hatsaram-piainana » no nokarakaraina izany. Ity toerana ity dia natokana ho an’ny fifampizarana fomba fanao tsara miaraka amin’ny ray aman-dreny sy ireo ankizy misitraka ny fandaharan’asa Zara Mira. Tamin’io andro io, tamin’ny fomba fanehoana mahafinaritra sady mandona ihany koa no nanatanterahan’i Ando tafatafa sy fifampizarana tamin’ireo ankizy sy tanora nandritra ny ora iray. Lohahevitra mila fitandremana toy ny fiarovana amin’ny herisetra sy ny fanoherana ny fanambadiana aloha loatra no noresahana tamin’izany.
I Ando, izay mitondra ny anarana feno hoe Andonirina Razanadrafara, 24 taona, dia mpanentana ifotony ao amin’ny kaominina Tataho. Miandraikitra ny fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina izy, mampita ireo vaovao manan-danja, ary manao fitsidihana tokantrano mba hanaraha-maso ny fivoaran’ireo mpisitraka ny fandaharan’asa. Tanàna telo no sahaniny, ary miara-miasa akaiky amin’ireo ray aman-dreny mpitarika sy tanora mpilatsaka an-tsitrapo eny anivon’ny fiarahamonina izy. Renim-pianakaviana manan-janaka telo taona i Ando, ary isan’ireo misitraka ny fandaharan’asa Zara Mira ihany koa.
« Heveriko fa mendrika tohanana amim-pitiavana ireo olona marefo, indrindra fa ny ankizy sy ireo manana fahasembanana. Tsy tokony hisy hohadinoina na dia iray aza izy ireo. » – hoy i Ando.
Rehefa nivadika ho antso ilay sedra
Nanohy fianarana tany an-drenivohitra, tao Antananarivo i Ando, ary nahazo ny diplaoma bakalorea. Saingy noho ny tsy fahampian’ny enti-manana sy ny fihibohana nandritry ny vanim-potoanan’ny valan’aretina COVID-19, dia voatery namoy ny zavatra nokasainy izy ary niverina tany amin’ny tanàna nihaviany, tany Ambohimandroso. Nanaraka fiofanana tamin’ny teny Anglisy tany Manakara izy nony avy eo, ary fotoana fohy taorian’izay dia nitondra vohoka izy. Ankehitriny, ny andavanandrom-piainany dia laniny amin’ny varotra madinika iandraiketany na ny fandraisany anjara amin’ny asa eny anivon’ny fiaraha-monina.
Teny am-piandohana dia mpanentana ara-pahasalamana i Ando, mialohan’ny nandraisany ny andraikitra ho mpanentana ifotony. Asa iray iantsorohany amim-pireharehana izany, satria ahafahany mijanona akaikin’ny mpiara-monina ary manokatra fifandraisana amin’ny olona. Mahazo tambin-karama manodidina ny 40 dolara isam-bolana i Ando amin’ny andraikitra sahaniny amin’ny maha-mpanentana ifotony azy. Ahafahany miatrika ny andavanandrom-piainany izany tambin-karama izany, ankoatra ny fanampiana ara-bola isam-bolana azon’ny zanany avy amin’ilay fandaharan’asa. Manome fanohanana isam-bolana ho an’ny mpisitraka izany mantsy io fandaharan’asa io. Ao amin’ny kaominina Tataho, tanàna fito sy tokantrano manodidina ny 1 500 no misitraka izany fanohanana ara-bola izany.
Tovovavy maromaro no manatrika tsy tapaka ity hetsika antsoina hoe “vondrona fihainoana” ity ao amin’ilay toerana fikatsahana hatsaram-piainana, ka mahita voka-tsoa maro avy amin’izany izy ireo. Tena ankasitrahan’izy ireo ny fomba fizaran’ny mpanentana ny fahalalana sy fanabeazana amin’ny alalan’izany fifanakalozana izany.
« Tena tiako ireo lesona azoko eto, ary hoampitaiko amin’ny namako izany », hoy i Juliana, iray amin’ireo mpandray anjara tamin’io andro io.
Eto Madagasikara, manodidina ny 39-n’ireo zazavavy no manambady na manao tokatrano maso mialohan’ny faha-18 taonany. Manohana ny fandaharan’asa Andao Hianatra na “Let Us Learn” ny fandaharan’asa Zara Mira, izay mampihatra fomba fiasa marolafy, entina manatsara ny fisitrahana fanabeazana eny amin’ny ambaratonga faharoa sy ny fihazonana ireo ankizy any an-tsekoly, indrindra fa ireo zazavavy. Ny fampivondronana ny hetsika eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fiarovana ny ankizy, fiahiana ara-tsosialy ary ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina no ahafahana manatontosa izany.
Fanamarihana : Ao amin’ny kaominina Tataho, ny fandaharan’asa Zara Mira, izay mikendry ny fanolorana fanampiana ara-bola ho an’ny ankizy sy ny fiantohana fitoviana herijika ho an’ny rehetra, ary koa ny fandaharan’asa Andao Hianatra na “Let Us Learn”, dia vatsian’ny Fondation Findel sy ny ny Komity mpanohana ny UNICEF any Alemana.