Toamasina: Miezaka miarina amin’ny mpiara-beloma aminy i Chantale taorian’ny fandalovan’ny rivodoza
Ankoatr’ireo trano rava, dia namela ratra tsy hita maso ny rivodoza Gezani: miaina anaty tebiteby isan'andro ny ankizy sy ny fianakaviany. Ny fiaraha-mientan’ny mpiara-belona no hery enti-miatrika ny zava-tsarotra.
Miverina tsikelikely amin’ny laoniny fiainana andavanandron’ny mponina ao amin’ny fokontany Tanambao 5, toerana misy ny seranan’ny fiara fitaterana ao Toamasina. Dimy andro taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani dia efa feno fiara mpitatitra indray ny seranana. Teo amin’ny faran’ny lalan-kely iray no nahitanay an-dRafaraniaina Chantale, renim-pianakaviana 30 taona. Manana zanaka telo mianadahy izy: Ericka (11 taona), Aina (5 taona) ary Fiarena (4 volana.
Mipetraka any Moramanga, tanàna niaviany, ilay vavimatoany nohon’ny fahasahiranan-dreniny ka tsy hahafahany mitaiza azy telo mianadahy miaraka. « Nanahy mafy aho rehefa mieritreritra hoe nanao ahoana aza izay i Ericka nandritra ny fandalovan’ny rivodoza. Tsy mba afaka nifampiresaka akory mantsy izahay: tapaka ny jiro sady ratsy ny fifandraisana rehefa iny mba afaka mamahana finday iny aho », hoy izy nitantara.
Vehivavy maromaro, samy nitondra ireo zanany avy, no nifamory teo an-tokontan’ny tranony. Tsapa avy hatrany ny firaisankinan’ireto vondron’olona kely ireto. « Mpanofa trano ato amin’ity faritra kely ity daholo izahay. Nandritra ny fandalovan’ny rivodoza dia niaraka nisitrika tao amin’ilay trano biriky tokana hany nisy teto izahay », hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ireo reny. Rava avokoa mantsy ireo trano vita amin’ny akora marefo nohon’ny herin’ny rivotra.
« Namelatra kidoro tamin’ny tany ihany izahay hatoriana. Niakatra anefa ny rano ka ny zaza no navela hatory teo ambony fandriana fa izahay kosa nijorojoro fotsiny; tsy afaka natory mihitsy izahay nandritra ny alina noho izany»
Ny fandriam-pahalemana sy ny fahasalamana
Mipetraka vonjimaika ao amin’ny toby f natokana ho an’ny trà-boina ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) ao an-tanànany i Chantale rehefa atoandro, mba tsy hanelingelina ireo olona hafa miara-mipetraka aminy. Nianatra tany an-tsekoly, kilasy garabola io zanany io talohan’ny nandalovan’ny rivo-doza.
« Maro ny olona mipetraka eto an-toby ka sarotra ny fiaraha-monina. Tsy mahatsiaro ho voaro sy milamina ny saiko. Aleoko miara-matory amin’ireo mpifanolobodirindrina amiko ihany rehefa alina », hoy ny fanazavany. Asa an-tselika no hameloman’i Chantale ny ankohonany. Azony antoka kokoa raha ireo mpiara-monina aminy no hametrahana ny zanany rehefa izy mandeha miasa.
Manodidina ny 6 000 ireo ankizy nafindra toerana tafalatsaka ao anaty olana mifandraika amin’ny fiarovana.
Mahatratra 350 ireo trà-boina no miara-mipetraka ao amin’ny toby iray ary vehivavy sy ankizy ny ankamaroany. Miara-miasa amin’ny UNICEF i Delphine, mpisehatra ara-tsosialy. Manazava ny fepetra raisina hiarovana ny ankizy sy ny olona marefo izy. « Manao fanentanana izahay hisorohana ny herisetra, ny fanararaotana ary ny herisetra ara-nofo. Manome fanohanana ara-tsaina ho an’izay mila izany koa izahay, » hoy ity matihaninantsika ity.
Etsy ankilany, manao izay fara heriny i Chantale sy ny mpiara-belona aminy hiatrehana ny zava-misy.
Izao no namaranany ny teniny «Ny faniriako lehibe indrindra, dia ny hahita ity trano ity ho voaarina indray, ary ho tafaverina ao an-tokantranonay. Mbola manantena ny hiverenan’ny fiainanay taloha koa aho ».
Fanamarihana: tafiditra ao anatin’ny hetsika manoloana ny hamehana ny fiomanana izay vatsian’ny ”Fonds central d’intervention d’urgence des Nations Unies (UN CERF)” vola.