Rivodoza Gamane : firaisankina sy faharetana any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara
Ity tatitra an-tsary ity dia manasongadina ny fomba nahafahana nandefa fanampiana ho an'ny mponina, na dia teo aza ireo fanamby ara-pitaovana maro.
Any Ambilobe, ny fahatapahana ny tetezan’i Mahavavy, simba taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane, dia nampitoka-monina tanàna maromaro, ka nametra ny fivezivezen’ny olona sy ny varotra tamin’ny volana aprily 2024.
Lasa tsy azo ihodivirana ny famindrana olona sy entana rehefa mitatitra azy ireo ho any amin'ny toerana hafa.
Ny fiaramanidina UNHAS, izay ampiasain’ny PAM, no nitatitra ny fanampiana voalohany natolotr’ireo mpisehatra amin’ny maha-olona, indrindra fa ny UNICEF. Noho ny fahatapahan'ny làlana dia ny fitaterana an’habakabaka no fomba mahomby indrindra entina mitatitra ireo entana.
Ireo kit vonjy taitra ho an’ny fanabeazana izay natolotry ny UNICEF dia notaterina teny amin’ny biraon'ny distrikan'ny sekoly tamin'ny alàlan'ny sambo kely, ka nahatonga izany ho fomba haingana indrindra hanatrarana ireo vondrom-piarahamonina ireo.
Avy eo dia taterina amin'ny alàlan'ny sarety nentim-paharazana any amin'ireo toerana mitoka-monina indrindra izany fitaovana izany mba hiantohana ny fahafahan'ny mpianatra rehetra misitraka izany fanampiana izany.
Liana te hahita izay tao anatin’ireo baoritra feno entana ny mpianatra ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ao Matiakoho, izay tonga tapa-bolana teo ho eo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane.
Izany kit izany dia ahitana kojakoja fianarana ahafahan'ireo mpianatra miverina haingana any an-tsekoly taorian'ny fitsaharan’ny fampianarana.
Mizara kit scolaire ho an’ireo mpianatra i Josias Ratsimbazafy, manampahaizana manokana momba ny fanabeazana eo anivon’ny UNICEF, sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ankoatra ireo efitrano fianarana vonjimaika dia niantoka ny fitohizan’ny fampianarana ho an’ny mpianatra miisa 11.500 eto amin’ny faritra SAVA ireto kits ireto.
Mba hiantohana ny fahadiovana tsara indrindra dia nampitaina tamin’ny alàlan’ny sambo niainga avy any Toamasina ihany koa ireo fitaovana mahakasika ny rano, fahadiovana sy fidiovana, izay nahitana fitaovana fanadioana rano, fanasan-damba, koveta, ary savony, sns.
Taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza dia nisy ny fanadiovana ny lavadrano sy ny rano tamin’ny alàlan’ny chlore teny anivon’ny fiarahamonina. Ity hetsika ity dia manampy amin'ny fisorohana ny fihanaky ny aretina vokatry ny fahalotoan'ny rano.
Mitety faritra maro ny ekipa iray ahitana mpiasa sosialy miaraka amin'ny mpiasan’ny UNICEF mba hanomezana fanohanana ara-tsaina ho an'ireo niharam-boina. Roa herinandro mahery taorian’ny fandalovan’ny rivodoza dia mbola hatreny an-tongotra ihany ny haavon’ny rano.
Vokatry ny rano mihandrona amin’ireo faritra ireo dia maro ny olona tratran’ny hidihidy sy fery amin’ny tongotra, nohon’ny tsy fahampian’ny fitaovam-piarovana toy ny baoty.
Mpiantsehatra ara-tsosialy avy amin'ny fikambanana tsy miankina iray ao an-toerana no manandrana mampahery zaza iray izay mety ho voadona ara-tsaina noho ilay toe-java-nitranga vao haingana.
Niverina nitsikitsiky indray ireo mpianatry ny sekoly fanabeazana fototra rehefa nisitraka ny kits scolaires izy ireo. Na dia teo aza ny fahatapahan’ny fianarana vonjimaika dia niverina namonjy sekoly tamin-kafanam-po izy ireo.
Fanamarihana: Ny firotsahan’ny UNICEF an-tsehatra ho fiatrehana ny vokatry ny rivodoza Gamane dia nahazo fanohanana ara-bola avy amin’ny Tahirim-bola Foibe ho fiatrehana Vonjitaitra na “Central Emergency Response Fund” (CERF) sy ny Hetsika ho an’ny Anio sy ny Ampitso na “Today Tomorrow Initiative” (TTI).