Lova Renée @ COP30 : «Ankoatran’ny fandraisana fanapahan-kevitra dia mila mihetsika maika koa isika

Bélem, Brésil. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony dia nanao antso avo tamin’ireo mpandray anjara tao amin’ny COP30 i Lova Renée mpiaro ny zon’ny ankizy ato amin’ny UNICEF.

Lalaina Harisoa Ralaiarijaona
Lova Renee COP1
UNICEF Madagascar/2025/Ralaiarijaona
20 Novambra 2025

Bélem, Brésil. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony dia nanao antso avo tamin’ireo mpandray anjara tao amin’ny COP30 i Lova Renée mpiaro ny zon’ny ankizy ato amin’ny UNICEF. Niantso izy mba hisy hetsika atao mikasikany voka-dratsy sy manimba ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro eo amin’ny ankizy. Nampatsiahy izy fa ny kirizy vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro dia kirizy miantraika amin’ny zon’ny ankizy koa ary marefo izy ireo eo anatrehan’ny zava-misy. Nampahatsiahiviny koa ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny ankizy ho mpisehatra tsy azo ihodivirana amin’ny fanovana hapetraka mikasika izany. Ireto misy sary vitsivitsy mikasika ny ady sisika nataony.

Lova Renee COP1
UNICEF Madagascar/2025/Ralaiarijaona

Nanatona ny mpanao gazety maneran-tany i Lova Renée sy ireo namany  mpisehatra amin’ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetrandro avy any amin’ny firenena misy azy avy ka nanao antso avo tamin’ny mpitondra azy ireo mba hihaino ny feon’ny tanora sy  ny ankizy. « Izy ireo » hoy ny nambarany « no mizaka  amin’ny ampahany betsaka indrindra ny voka-dratsy entin’ny fiovaovan’ny toetrandro».

Lova Renee Cop2
UNICEF Madagascar/2025/ Ralaiarijaona

« Zava-dehibe ny nanokafana toerana hifanakalozan-kevitra sy hifampiresahana amin’ny ankizy nandritra ny COP30. Io no toerana hahafahan’izy ireo mitantara ny zava-misy iainany sy izay mba nofinofiny ary koa hizarany ny heviny. Manampy betsaka amin’ny fomba azo tsapan-tànana ny fandraisana ny fanapahan-kevitra horaisina hahafahana manao ny tsaratsara kokoa hatrany amin’ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny izao fifampiresahana  izao hoy i Lova Renée. Nanatrika fivoriana  iray miara-mizotra amin’ny fivoriana hafa moa izy teto. Ny Ivon-toerana Alana no nikarakara ity fivoriana ity, izay nomen any lohateny hoe : « COP30, lova ho an’ny ankizy sy politika mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro »

Lova renee COP3
UNICEF Madagascar/2025/ Ralaiarijaona

« Isan-taona dia tena mamely mafyny rivo-doza any amin’ny faritra misy ahy. Mitsahatra ny fampianarana satria rava ny sekoly noho ny tondra-drano. Tsy mianatra mandritra ny herinandro maromaro izahay rehefa mitranga izany, ka lasa misy fiantraikany amin’ny fahaizanay izany, ary indraindray aza tsy voaarina intsony ny banga ateraky ny fahatapahan’ny fianarana. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony tao anaty fotoam-pivoriana iray mikasika ny  « ivon’ny paikady ho an’ny fandrindram-piainana sy ny fahaizana miaritra ny olan’ny fiovaovan’ny toetrandro no nanehoan’i Lova Renée izany hevitra izany. Nandritra ny fivoriana dia nifantoka tamin’ny fanomezana ohatra azo tsapain-tànana mikasika ireo fandaharanasa sy hetsika hiantohana ny fitohizan’ny fanabeazana na da mandritra ny fotoana andalovan’ny loza voajanahary aza ny lohahevitra nifampiresahana. 

Lova Renee COP4
UNICEF Madagascar/2025/ Ralaiarijaona

« Afaka mitondra vahaolana koa ny ankizy ». Io no hafatra narantirantin’i Lova Renée nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony rehefa nanao diabe ho an’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro nanerana ny tanànan’i Bélem ry zareo, izay fandaharam-potoana nokarakaraina ao anatin’ny fivoriam-be COP30.  Niady ho amin’ny fandraisana an-tànana avy hatrany mba hahitana fomba mahomby hiatrehana ny  fiovaovan’ny toetrandro izy sy ireo ankizy namany. 

Lova Renee COP5
UNICEF Madagascar/2025/ Ralaiarijaona

Any Bélem, mifanakalo hevitra amin’ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ihany koa i Lova Renée. Manao ady sisika izy mba hijery akaiky ny zava-misy iainan’ny ankizy ny fanjakana satria dia izy ireo no lasibatra voalohany amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. 

Lova Renee COP6
UNICEF Madagascar/2025/ Ralaiarijaona

Nihaona tamin’i Tamara Klink koa i Lova Renée – io manao ambony akanjo fotsy io - Mpanoratra sy tantsambo breziliana i Tamara ary tovovavy voalohany fantatra fa nahavita nandeha irery tany amin’ny faritra arktika sady Breziliana voalohany  namakivaky irery ny ranomasim-be Arktika. «Ohatra azo alain-tahaka i Tamara, » hoy i Lova Renée « maneho ny zavatra azon’ny tanora tanterahina ao anaty fikirizana».