Manamora ny fitondrany vohoka faha-13 ireo fanampin-tsakafo vaovao misy otrikaina isan-karazany
Mitantara ireo soa azony tamin’ny alalan’ireo fanampin-tsakafo vaovao misy otrikaina isan-karazany nomena azy nandritra ny fitondrany vohoka i Josiane ato amin’ny tantara ity.
Nody tao an-tranony Rasoarimanana Josiane, 40 taona, rehefa avy niasa nandritra ny tontolo andro tany an-tsaha sy reraky ny daniky ny masoandro. Any Anovo, any amin’ny faritra atsimon’ny Madagasikara izy no mipetraka. Mamboly katsaka, vomanga, mangahazo, ary voamaina i Josiane. Mipetraka manodidina azy eo ireo zanany. Natovolahy no faralahiny, roa taona izy izao. Mitondra vohoka ny zanany faha 13 indray i Josiane ankehitriny. Saingy tsy toy ny nitondrany ireo vohoka 12 teo aloha ny toe-batany fa tsy mba reradreraka loatra izy tamin’ity.
Isaky ny mitondra vohoka i Josiane dia mandeha misafo hatrany ary mahazo vy sy asidra folika foana. Teraka soaman-tsara ao amin’ny tobim-pahasalamana eo an-toerana hatrany izy. Na izany aza dia mahatsiaro reraka be foana izy. Na hitango ravitoto fotsiny aza dia efa mandreraka azy vetivety.
Nahazo fanafody fanampin-tsakafo vaovao hafa hanoloana ny vy sy asidra folika fihinany teo aloha i Josiane tamin’ity vohoka fahatelo amin’ny folo ity : fanampin-tsafako misy otrikaina isan-karazany no azony teny amin’ny tobim-pahasalamana nandritra ny fotoana fisafoana. Ny UNICEF sy ireo mpiara-miombonantoka aminy, amin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Mohammed Bin Rashid Al Maktoum Global Initiatives (MBRGI) sy ny Child Nutrition Fund (CNF) no mamatsy izany. Mihinana pilina iray isan-kariva i Josiane. Tsy dia nahita fahasamihafana tamin’ity fanafody ity sy ny vy sy asidra folika fihinany taloha izy raha resaka tsiro na ny fofona. Saingy ny vokatry ny fihinanana azy kosa no tena hitany.
« Nanjary nazoto nisakafo sady natanjaka ny fahatsapako ny tenako rehefa nihinanna ireto pilina misy otrikaina isan-karazany ireto » hoy izy « afaka miasa tsara any an-tsaha aho mandritra ny fotoana fitondrako vohoka. »
Milanja hatrany izy rehefa mandeha misafo ary nolazaina azy hatrany fa ara-dalana ny fitombon’ny lanjany. Mahatsapa ho voaara-maso sy salama tsara izy. Tsapany fa mitondra hery bebe kokoa ho azy ireo vitamina sy mineraly nomena azy raha miohatra amin’ireo vohoka nentiny teo aloha. Manaraka ny toro-hevitry ny mpampivelona koa izy mikasika ny sakafo tokony hohanina. Mampitombo ny fatram-bary, katsaka, trondro, voamaina, anana sy voankazo hohaniny koa izy. Ny vadiny moa, izay mahatsapa tsara ny hamafin’ny famelomana fianakaviana misy mambra betsaka dia mamporisika azy hihinana ny pilina isan-kariva.
« Fantany fa sarotra aminay ny mahita sakafo ampy ary manampy amin’ny famenoana ireo filàna miakatra ny otrikaina omena ahy mba hahafahako manana fahasalamana sy hampitombo tsara ny zanakay.»
Mandritra ny vohoka, dia voakenakena ery i Josiane. Ny reniny sy ny rafozany no mikarakara ny sakafony indraindray. Sakafo miovaova no omendry zareo azy ary mamporisika azy koa ireo hanaraka tsara ny torohevitra. Nohon’ny fidiran’ireo mpiara-miombonantoka samihafa dia afaka manohy ny fanomezana ny otrikaina isan-karazany ho an’ny vehivavy mitondra vohoka i Madagasikara.
Mizara ny fanandramana nataony amin’ireo namany mitondra vohoka ao an-tanàna i Josiane: « Maro anaka daholo izahay ireto » hoy izy « ka mandany vitamina betsaka ny vatanay vokatry ny vohoka misesy sy matetika. Tena tsara ho an’ny fahasalamanay sy ny zazakely ireto pilina ireto » Nahazo hery, tsy mora reraka ary nahazo aina tsara nohon’ny teo aloha i Josiane raha nitondra ny vohoka faha13 noho ireo otrikaina isan-karazany nomena azy.