Soafiny : 11 taona nanaovana soa ny fiarahamonina misy azy

Na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza i Soafiny, dia miasa feno ho an’ny fiarahamonina misy azy mba hahafahan’ny ankizy ao an-tanànany mitombo ao anatin’ny tontolo mampivoatra.

Abela Ralaivita
Photo portrait de Soafiny Foyer d’Apprentissage pour la Réhabilitation Nutritionnelle et l’Éveil (FARNE).
UNICEF – PAM Madagascar/2025/Andriantsoarana
16 Oktobra 2025

« Ny ankizy no hoavin’ity tanàna ity. Maniry aho mba ho lasa modely ny tanàna, ka samy ho afaka mitombo sy mivoatra tanteraka ny tsirairay. » Ireo no teny niavaka nataon’i Soafiny Marie Olga, mpanentana ara-pahasalamana izay 45 taona, taorian’ny fifanakalozanay.

Vao maraina izahay no nahita azy tao amin’ny tobi-panjariantsakafo iray  izay napetraky ny Birao Nasionaly Misahana ny  fanjariantsakafo eny an-toerana. Teo ampanoroana hevitra an’i Angeline i Soafiny tamin’izay. Angeline moa dia renim-pianakaviana manana zaza kambana sivy volana, Florida sy Florina. Nitebiteby izy rehefa nahatsikaritra fa nihen-danja ny zanany, ka tonga nanatona an’i Soafiny. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nanao ny fizaham-pahasalamana i Soafiny. Norefesiny ny sandrin’ireo zaza ka hitany fa ny iray amin’ireo kambana dia ao amin’ny faritra mavo. Izany dia manambara fa tratry ny tsifanjarian-tsakafo antonony izy. Nahatsikaritra koa izy fa tsy ampy lanja ny zaza. Nitondra ilay zazavavy kely tany amin’ny mpiara-miasa ao an-toerana avy hatrany i Soafiny. Noraisin’izy ireo an-tanana ilay zaza. Nomena fanampin-tsakafo voatokana hitsaboana azy izy.

Saika isan’andro dia ahitana tranga toy izao hatrany ao Terabovo, kaominina Sihanamaro, atsimon’i Madagasikara. Efa 11 taona i Soafiny no manao ny andraikitra maha mpanentana ara-pahasalamana azy izay tena zava-dehibe tokoa. Ao anatin’ny asany dia mamantatra ny trangan’ny tsifanjarian-tsakafo izy. Amin’izany izy dia mampahalala ihany koa ny ray aman-dreny ny fomba fanao tsara mikasika ny fahasalamana, ny sakafo, ary indrindra ny fahadiovana, sy ny maro hafa.

 « Ny fahafaham-po lehibe indrindra ho ahy dia ny mahita ireo reny manaraka ny torohevitra omeko, ka manana ankizy mitombo sy salama tsara », 

hoy izy niteny tamim-pitsikiana.
Soafiny procède à la pesée de l’une des jumelles sur le site de nutrition communautaire du village, afin de dépister la malnutrition.
UNICEF – PAM Madagascar/2025/Andriantsoarana Soafiny mandanja ny iray amin’ireo kambana ao amin’ny tobi-panjariatsakafo ao amin’ny tanàna.
Des enfants qui mangent leur repas de midi au FARNE.
UNICEF – PAM Madagascar/2025/Andriantsoarana Ankizy misakafo atoandro ao amin’ny FARNE.

Fijerena mialoha momba ny tsifanjarian-tsakafo

Eto  Madagasikara dia mahatratra 46 % amin’ny ankizy latsaky ny dimy taona no miaina endrika tsifanjarian-tsakafo iray farafahakeliny. Any amin’ny faritra atsimon’ny nosy no tena ahitana betsaka ankizy marefo toy izao satria faritra ianjadian’ny haintany sy toetr’andro ratsy matetika.

Rehefa avy nanao fanadihadina i Soafiny, dia nankany amin’ny Foibe Fampianarana ho an’ny Fanarenana Ara-tsakafo sy Fampandrosoana ny Ankizy (FARNE). Ahitana ankizy hafa miaina ao anaty tsifanjarian-tsakafo antonony ao an-toerana. Omena sakafo avy amin’ny akora vita eo an-toerana, voaomana araka ny fomba fanao isan-karazany avy ny ankizy ao. Toy izany ny andavanandron’i Soafiny. Mihaona amin’ireo vehivavy avy ao amin’ny tanàna misy azy isanandro izy izay manampy azy amin’ny fanomanana ny sakafo atoandro. Mangahazo, tsiasisa, katsaka, voanjo, sira misy iôda, avadika ho koba feno otrikaina no sakafo omena ny ankizy. Ny FARNE koa dia manome sehatra fanabeazana ho an’ny ankizy, amin’ny alalan’ny fanomezana tohana ara-tsaina sy ara-piarahamonina ary koa fanovana ireo fihetsika mampitombo amin’ny alalan’ny kilalao vita eo an-toerana.

Amin’ny ankapobeny, matetika miverina amin’ny toe-pahasalamana tsara ireo ankizy ireo, rehefa avy nanaraka fikarakarana ara-tsakafo mandritra ny 18 andro. Mampiofana ireo reny amin’ny fomba fahitana ny tsifanjarian-tsakafo amin’ny ankizy ihany koa i Soafiny. Amin’ny alalan’ny fitaovana fandrefesana sandry no ampianarana azy ireo ny fomba hamantarana ny tsifanjarian-tsakafo.

« Miara-miasa akaiky amin’ny mpiasan’ny fahasalamana koa aho, amin’ireo matihanina izay ifandraisako rehefa misy tranga mahery vaika mila fitsaboana », hoy Soafiny. « Miaina amin’ny fambolena sy ny fanjairana aho. Fa ity iraka ity no antoko maha-olona ahy: manampy ahy handray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiarahamoniko », 

hoy i Soafiny tamin’ny fahavononana.

Ny asa ataony sy ny an’ireo mpiara-miasa aminy dia tohanan’ny Tetikasa fanamafisana ny faharetan’ny fiarahamonina amin’ny fiarovana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana any Madagasikara, izay tohanan’ny BMZ, amin’ny alalan’ny KfW Banky ho an’ny Fampandrosoana. Tanterahina miaraka amin’ny PAM sy UNICEF ity tetikasa ity ary mahatratra olona 105 650 no misitraka azy ao amin’ny kaominina efatra any faritra atsimo. Ity tetikasa ity dia miavaka amin’ny fomba feno izay mampifandray tsara ny asa rehetra atao, ka manome fikarakarana mitambatra ho an’ny fitsaboana ny tsifanjarian-tsakafo antonony sy mahery vaika ao amin’ireo fiarahamonina marefo.