Ekipan'ny fitsaboana: miditra an-tsehatra amin’ny fanaovam-baksiny ny mpitarika ara-piaraha-monina

Niditra an-tsehatra tamin’ny fanaovana ny vaksiny ho an’ny ankizy tsy mbola vita vaksiny (0 daozy) sy ireo tsy mbola nahavita ny vaksiny rehetra ny mpitondra fanjakana tany an-toerana sy ireo lohandohany ao amin’ny sampana fahasalamana.

Domoina Ratovozanany
Un agent de santé vaccine un enfant lors d’une consultation médicale et d’une séance de vaccination menée par l’équipe locale.
UNICEF/UN0508149/Ramasomanana
12 Septambra 2025

Natombok’i Madagasikara ny fomba fiasa « ekipan’ny fitsaboana », notohanan’ny Gavi, mpiray asa amin’ny fanaovam-baksiny, tamin’ny alalan’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy any amin’ny faritra Androy, any amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Ity tetikasa ity dia manana tanjona hanampy ireo reny mbola misalasala ny hampanao vaksiny ny zanany latsaka ny dimy taona, izay mbola tsy vita vaksiny na tsy nahavita azy rehetra ka hanesorana ny sakana tsy hahavitana ny vaksiny sy hamporisihana azy ireo hisitraka bebe kokoa ny fitsaboana fototra misy rehetra.

Mihoatra ny 1 300 ireo mpanentana ny fiaraha-monina - reny sy rain-java nahavita tanteraka ny vaksiny tokony hatao rehetra amin’ny zanany – mandray fiofanana sy fanentanana ankehitriny. Manamafy ny fifampiresahana amin’ny mpiray monina sy manamafy izay resahiny amin’ny fanomezana ohatra mikasika ny fanandramana nataon’izy ireo mikasika ny fanaovam-baksiny ny zanany.

Efa nisy fanadihadiana natao mialoha ho fenitra iasana nataon’ny fikambanana Vonjy IV tamin’ny volana May 2025, izay nahafahana nametraka ireo fomba fiasa fototra amin’ny fanatanterahana ny asa fanaovam-bakisiny. Naravona ny vokatry ny fanadihadiana nandritra ny atrikasa natao ny 21 jolay 2025 maraina tany Ambovombe, ary narahina atrikasa fanombohana ny tetikasa teo ambany fandrindran’ny  fikambanana SAHA sy Tokontany Iraisana izany.

Olivia, Mpitsabo mpanampy, dia manomana fatran’ny vaksiny ho an’ny fanaovana vaksiny zaza iray.
UNICEF/UNI640907/Andrianantenaina Centre de santé de Nikoly, district de Tsihombe, région Androy : l’infirmière Olivia prépare des doses de vaccins pour la vaccination d’un enfant.

Ny mpitondra, ny mpitarika ara-politika sy ara-pahasalamana dia nanaiky fa ny vokatry ny fanadihadiana ampiasaina ho fenitra dia maneho tokoa ny zava-misy any amin’ny faritra Androy. Nanampy betsaka tamin’ny fitadiavam-bahaolana hoenti-manampy ireo ray aman-dreny sy ny mpanentana ny fiaraha-monina hahafahana mandrodana amin’ny fomba mahomby sy maharitra ny vato misakana amin’ny fanovam-bakisiny ny ankizy ny fanadiihadiana natao.

Noho izany dia nangataka Andriamatoa Emmanuel Tody, lefitry ny lehiben’ny distrikan’i Beloha, ny hanamafisana ny fidiran’ny mpitarika ara-piaraha-monina an-tsehatra : « Ny faniriako dia ny hahavitan’ny ankizy rehetra eto Androy vaksiny Androy. Mahatoky aho fa ny fomba fiasa « Ekipan’ny fitsaboana » dia hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandray anjara rehetra ka hisy asa mivaingana hataon’ireo mpitarika ny fiaraha-monina ».

Andriamatoa Foliantsoa Damy, ben’ny tanànan’i Bekily Afovoany kosa dia nanoso-kevitra mikasika ny fiaraha-miasa ataon’ny sehatra samihafa: « Nohon’ny fahantrana, dia laharam-pahamehana ho an’ny ray aman-dreny ny fanabeazana sy ny fanomezana avy amin’ny Fiahiana ara-tsosialy raha oharinan amin’ny fitsaboana. Misy koa ny finoana sy ny fomban-drazana eto an-toerana izay mbola manana ny anjara toerany lehibe. Noho izany dia hahita fahombiazana betsaka kokoa isika raha miara-miasa amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Minisiteran’ny mponina, sy ny mpitarika ara-drazana ary ny sefom-pokontany».

Ny mpiandraikitra ara-pahasalamana dia nikonona hanentsika ireo olona to teny eo amin’ny fiaraha-monina sy hampiditra tanteraka ny sampana fahasalamana ao anatin’ny tetikasa. Araka ny voalazan’i Mary Tahina, izay lehibe mpisolo toerana nao amin’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) ao Behabobo distrikan’i Beloha dia: «Tena ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitsabo ara-drazana sy ny renin-jaza mba hahafahan’izy ireo mandefa ny zaza hatao vaksiny,satria ireo no tena olona hatonin’ny fianakaviana rehefa marary izy ireo ».

Nanampy izany koa Ramatoa Vaviniriako Ange Tiana Rasendrasoa, mpiasan’ny fahasalamana faharoa ao amibn’ny tobim-pahasalamana ao  Anjana Avaratra ao Bekily ka nilaza fa : « Ny reny dia mazoto kokoa hampanao vaksiny ny zanany ary miezaka mandresy ny tahotra mikasika ny mety ho voka-dratsy ateraky ny vaksiny ka mitondra ny zanany hatao vaksiny raha toa ka afaka misitraka ireo tolotra ara-pahasalamana hafa izy ireo rehefa mandala any amin’ny tobim-pahasalamana. Noho izany dia ilaina ny mampiditra ny tolotra rehetra misy ao anatin’ny tetikasa ».