Ady amin’ny aretina lefakozatra : tantaran’ny taranaka iray

Noheverina fa tsy loza mitatao intsony fa aretina efa fongana eto Madagasikara ny lefakozatra. Ireto raki-tsary ireto dia mitatitra ny hetsika fanaovam-bakisiny, fihodinana voalohany, izay mikendry ny hanaovana vakisiny ny ankizy

Elodie Randrianarijaona
 Aout 2026, Ambinanimbe, dans le sud de Madagascar. Litna Junior, âgée de trois semaines vient de recevoir les premières doses du vaccin contre la poliomyélite.
UNICEF/UN0917708/Ramasomanana
09 Septambra 2026
Tout commence par le travail des mobilisateurs qui font le porte-à-porte. Hermine- 65 ans, mobilisatrice est en train d’informer les parents sur les dates de la campagne après avoir fait le prémarquage des ménages.

Ireo mpanentana no nanomboka ny asa. Nitety tokantrano izy ireo tamin'izany. 65 taona i Hermine. Mpanentana koa no asany. Eto dia mampahafantatra ny ray aman-dreny mikasika ny datin'ny hetsika fanaovam-bakisiny izy rehefa avy nametaka marika mialoha teo amin’ny tokantrano notsidihany.

Deux cent premier, mobilisateur social du centre de santé d’Ankaramena, posant les affiches de la campagne dans les lieux fréquentés.

Mametaka ireo takelaka fanentanana mikasika ny hetsika fanaovam-bakisiny i Deux cent premier. Mpanentana ao amin'ny tobim-pahasalaman'i Ankaramena izy. Eny amin'ireo toerana be olona mandalo no ametahany izany.

La mobilisation continue avant campagne avec les lancements aux niveaux régional et district, à travers la sensibilisation des parents et responsables d’enfants.

Mitohy ny fanentanana mialoha ny hetsika fanaovam-bakisiny, ao anatin’izany ny hetsika fanokafana isam-paritra sy isaky ny distrika amin'ny alalan'ny fanentanana ny ray aman-dreny sy ny mpiandraikitra ny ankizy. 

 

Tsivery, 9 ans, s’est rendu seul au marché de Manambaro, dans le district de Tolagnaro (région Anosy), pour faire vacciner contre la polio ses deux petites sœurs, Safidy, 5 ans, et Volana, 5 mois, lors du lancement de la campagne. Leur mère, Nandrasana, 27 ans, était occupée par ses activités de vente au marché.

Sivy taona i Tsivery. Nandeha irery tany amin'ny tsenan'i Manambaro, distrikan'i Tolagnaro (faritra Anosy) izy mba hitondra ireo anabavikeliny anankiroa antsoina hoe Safidy, 5 taona, sy Volana, 5 volana, hatao vakisiny nandritra ny hetsika fanokafana. Sahirana amin'ny raharaham-barotra ataony mantsy ny i Nandrasana reniny,  27 taona. 

Comme Melanie et Soafara, plus de 2000 équipes de vaccination, dans les 25 districts des 5 régions du Grand Sud vont vacciner plus de 1,1 million d’enfants de moins de 5 ans en porte-à-porte, dans les sites dédiés et les centres de santé.

Mihoatra ny 2.000 ny isan'ireo mpiasan’ny fahasalamana mandrafitra ny ekipa mpanao vaksiny manerana ny distrika 25 ao amin'ireo fari-piadidiana dimy tafiditra ao anatin'ny faritra Atsimon'i Madagasikara. Anisan'izany i Melanie sy Soafara. Miisa 1.1 tapitrisa ireo zaza latsaky ny dimy taona atao vakisiny. Tao ireo notsidihana isan-tokantrano, ary tao koa ireo namonjy ny tobim-pahasalamana natokana hanaovana ny vakisiny.    

Fy – Youth Advocate pour la vaccination et la polio en action durant la campagne pour sensibiliser les communautés et accompagner les équipes de vaccination

Miasa ihany koa i Fy – Mpiaro ny zon'ny ankizy ho an'ny fanaovam-bakisiny sy ny ady amin'ny lefakozatra. Manentana ny fiaraha-monina izy ary manotrona ireo ekipa mpanao vakisiny.  

On retrouve Deux cent premier accompagnant Jeannette – vaccinatrice, pendant le marché hebdomadaire d’Ankaramena après avoir vacciné les enfants dans les ménages.

Hitantsika eto, miaraka amin’i Jeannette - mpanao vakisiny - indray i Deux cent premier mandritra ny tsena isan-kerinandron’Ankaramena. Avy nandeha nanao vakisiny nitety tokantrano izy ireo tamin’io.

Le marquage de l’auriculaire gauche après avoir reçu les deux gouttes du vaccin polio oral bivalent (VPOb) est important.

Zava-dehibe ny manisy marika eo amin'ny ankihikely ankavia rehefa avy nahazo ny vakisiny indroa mitete ao am-bava izay miaro amin'ny karazana poliovisiosy anankiroa (VPOb) ny ankizy. 

La poliomyélite est une maladie virale très contagieuse mais elle peut être prévenue grâce à la vaccination. Durant les quatre jours, du 11 au 14 aout 2026, la campagne de riposte contre la poliomyélite a permis de vacciner plus d’1,2 million d’enfants de 0 à 59 mois et plus de 42 000 enfants zéro dose polio.

Ny aretina lefa-kozatra dia aretina azo avy amin'ny viriosy ary  tena mifindra izy io. Na izany aza dia azo sorohana amin'ny alalan'ny vaksiny izy. Nandritra ny efatra andro, nanomboka ny 11 ka hatramin'ny 14 Aogositra 2026, no nanaovana ny hetsika fanaovam-bakisiny hiadiana amin'ny aretina lefakozatra. Mihoatra ny 1,2 tapitrisa ireo ankizy eo anelanelan'ny 0 sy 59 volana nahazo izany vakisiny izany, miampy ireo ankizy hafa miisa 42 000 izay mbola tsy nahazo fatra vaksiny polio mihitsy. 

Fanamarihana: Eto Madagasikara, ny hetsika fanaovam-bakisiny miaro amin'ny lefakozatra dia tohanan'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Hetsika Maneran-tany ho famongorana ny aretina lefa-kozatra (GPEI) – ny Fikambanana Maneran-tany momba ny Fahasalamana (OMS), Rotary International, ny Foibe Amerikana misahana ny Fanaraha-maso sy ny Fisorohana ny Aretina (CDC), ny UNICEF, ny Fondation Gates, Gavi – ny Alliance du Vaccin, ny Commission Européenne (EC) ary ny Banky Eoropeanina ho an'ny Famatsiam-bola (EIB).