Fanaovana vakisiny ny adolantsento mba hiarovana azy ireo amin’ny homa-miadan’ny vozon’ny tranonjaza
Ity tatitra an-tsary ity dia mitantara ny fizotry ny ezaka fanombohana ny fanaovana ny vakisiny faobe miady amin’ny viriosy HPV eo amin’ny sehatra nasionaly. Ny adolantsento 9 ka hatramin’ny 14 taona no tena anaovan’ny mpisehatra ifotony ny vaksiny.
- Français
- Malagasy
Iray amin’ireo ekipa mpanao vakisny folo avy ao amin’ny tobim-pahasalamana ao Fenoarivo Antsinanana ireto amin’ny sary ireto. Ahitana mpanao vakisiny iray, mpiadidy ny fandraketana an-tsoratra roa sy mpanentana ara-piaraha-moninia roa izay miandraikitra ny fanetsiketsehana ny fiaraha-monina. Mizotra ho any amin’ny toerm-pivorian’ny fokonolona izy ireo, eny amin’ny tanàna kely iray any Maromandia.
9 taona i Farazina. Atao vakisiny miady amin’ny HPV izy eo amin’ny sary. « Faly aho » hoy i Christelle « satria afaka mianatra am-pilaminana sy manana ho avy salama »
Nandeha nanentana ny namany hatao vakisiny indray i Edwina sy Christelle rehefa vita ny fanaovana vakisiny miady amin’ny HPV azy roavavy.
Manentana ny adolantsento eny anivon’ny sekoly fanabeazana fototra sy ny sekoly ambaratonga faharoa fototra eny Amparatanana mikasika ny vakisiny miady amin’ny viriosy HPV ny ekipan’ny fahasalamam-bahoaka avy amin’ny faritra sy ny Minisitera foibe.
Izy no Tovo Florent Solo, Talen’ny sekoly fanabeazana fototra sy ny sekoly ambaratonga faharoa fototra eny Amparatanana. Mandray ny ekipa mpanao vakisiny izy eto. « tena zava-dehibe tokoa ny fisorohana. Lafo dia lafo ny vakisiny ary tena soa fanararaotra ho an’ny adolantsento ny fisian’ity hetsika faobe fanaovam-bakisiny ity. Azo antoka sy mahomby rahateo ity vakisiny ity. »
Izy no Sylvie. Mpanao vakisiny no asany. Eo am-panomanana ny vakisiny miady amin’ny HPV izay hatao amin’ny adolantsento iray izy eto. Ny tavoahangy kely tsirairay avy ampiasaina dia ariana ao anaty boaty voaaro manokana miaraka amin’ny fanjaitra fanindronana. Aorian’izay vao ariana ao anaty dabam-pako. Izany no atao mba ho fanajana ny fenitra amin’ny fitantanana ny fako.
Mihetsiketsika avokoa ny olon-drehetra. Izy no Samisonina Claudia Sylvianne, talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any Analanjirofo. Mandray anjara mavitrika eny an-tsehatra izy amin’ny fanaovana vakisiny ny adolantsento ao amin’ny sekoly faharoa fototra ao Andreba.
13 taona i Jenia. Maneho ny hafaliany izy fa atao vakisiny.
Sarin’i Jenia sy ny reniny taorian’ny fahavitan’ny vakisiny miady amin’ny viriosy HPV natao tao amin’ny tanànan’i Maaromandia. Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra miantoka ny fahasalamana sy ny filaminam-piainan’ny zanany.
Natao ho paikady tsy miovaova ao anatin’ny fanofanana momba ny fahasalamana sy ao anatin’ny paikady manakaiky sy manatratra ny mponina lavitra tobim-pahasalamana ity hetsika fanombohana amin’ny fanaovana ny vakisiny miady amin’ny viriosy HPV ity. Ka ny sekoly sy ny fokontany ary ny tsena no kendrena hanaovana ny hetsika.
9 volana i Rihanna no nahazo ny daozin’ny vitamina A sy ny vakisiny miady amin’ny kitrotro. Ity ezaka fanaovam-bakisiny miady amin’ny viriosy HPV ity koa dia nampiarahina amin’ny fanaovana vakisiny miady amin’ny kitrotro sy ny fanomezana fanampin-tsakafo vitamina A ho an’ny zaza 6 hatramin’ny 59 volana.
Na dia betsaka aza ny zava-tsarotra natrehana toy ny fiparitahan’ny siosio mikasika ny vakisiny miady amin’ny HPV ho an’ny adolantsento, ny andro ratsy sy ny lalan-dratsy ka nahasarotra ny fandehanana tany amin’ireo toerana faran’ny lavitra, dia natao izany satria ny ankizy tsirairay, ny ankizivavy tsirairay dia manana zo ho arovana sy hatao vakisiny.
Homamiadana fahaefatra mamely vehivavy betsaka indrindra maneran-tany ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Nandritra ny dimy andro, ny 8 ka hatramin’ny 12 desambra 2025 no nanaovana ny ezaka fanombohana ny fanaovam-bakisiny miady amin’ny viriosy HPV. Nahatratra 1,7 tapitrisa ny adolantsento 9 ka hatramin’ny 14 taona vita vakisiny.
Fanamarihana : Eto Madagasikara, dia tohanan’ny mpiara-miombon’antoka maro ny fanaovana ny vakisiny miady amin’ny viriosy HPV : ny Gavi – Alliance du Vaccin no mamatsy vola. Ny sehatra mpiantoka ny famatsiana ao amin’ny UNICEF Copenhague no miantoka ny fitaterana ary ny Governemantan’i Canada kosa no miantoka ny famatsiana ny fanampin-tsakafo vitamina A.