Mijoro ho lohalaharana hiady amin’ny aretin’ny lefakozatra

Manoloana ny loza mitatao nohon'ny fihanaky ny aretina lefakozatra dia an'arivony ireo mpisehatra niara-nientana tany amin'ny faritr'i Atsimo-Andrefana

Clémence Andrianaivoson
« La lutte contre la polio se construit d’abord en équipe. Sous la coordination du chef du Centre de Santé de Base (CSB) – Mahavatse 1, dans la région Atsimo Andrefana, avec la participation de la Youth Advocate Lova Renée. Chaque acteur se prépare à relever un même défi : protéger chaque enfant, partout. Une mobilisation collective qui se poursuit jusqu’au dernier kilomètre pour atteindre tous les enfants de 0 à 59 mois et garantir qu’aucun ne soit laissé de côté. »
UNICEF/UN0918065/Andriantsoarana
09 Septambra 2026
Glacière en main, Nomena la vaccinatrice quitte le Centre de Santé de Base, Mahavatse I dans la région à Atsimo Andrefana avec les doses nécessaires de vaccin contre la polio pour sa journée de travail. Derrière chaque vaccin administré se cachent la préparation, l’engagement et la détermination des équipes de terrain à atteindre les enfants, jusqu’au dernier kilomètre.

Miainga avy ao amin'ny tobim-pahasalamana fototra ao Mahavatse I, faritra Atsimo andrefan'ny Nosy i Nomena, eny an-tanany ny vata mitahiry hatsiaka sy ny daozim-bakisiny rehetra ilaina ho an'ny anio. Ao ambadiky ny vaksiny tsirairay atolotra ny ankizy iray dia misy fiomanana, fanoloran-tena ary ny fikirizana avy amin'ireo ekipa miasa eny an-toerana mba hahavita vakisiny ny zaza rehetra, eny na ireo monina any amin'ny kilaometatra farany lavitra indrindra aza.

Nomena atteint sa première maison. Ce premier enfant reçoit les deux précieuses gouttes qui le protégeront contre la poliomyélite, marquant le début d’une journée dédiée à la santé des enfants.

Tonga ao amin'ny trano hotsidihiny voalohany i Nomena. Mahazo ny ranom-panafody sarobidy indroa mitete  hiaro azy amin'ny aretina lefakozatra ity zaza voalohany ity. Manamarika ny fiandohan'ny andro natokana ho an'ny fahasalaman'ny ankizy izao fotoana izao.

Vacciné et marqué. Ce geste simple mais essentiel permet aux équipes de suivre les enfants déjà protégés et de s’assurer qu’aucun enfant de 0 à 59 mois ne soit oublié.

Vita ny vakisiny dia nasiana marika kely izy. Tena ilaina ity dingana tsotra ity. Manampy ny ekipa amin'ny fanaraha-maso ireo ankizy efa vita vaksiny ny fametahana ity marika kely ity, sady miantoka fa tsy misy ankizy eo anelanelan'ny 0 sy 59 volana adino tamin'ny fanaovana ny vakisiny.

La protection des enfants passe aussi par la précision. Après chaque visite, l’enregistreur met à jour la fiche de pointage. Cet outil essentiel permet de vérifier que chaque enfant a bien été pris en compte et garantit un suivi rigoureux des activités de vaccination.

Tatitra mazava tsara ho fiarovana ny ankizy. 

Aorian'ny fitsidihana tsirairay, dia havaozin'ilay mpanao vaksiny ny lisitra fanamarinana ireo ankizy vita vakisiny. Fitaovana tena ilaina io firaketana io mba hahazahoana antoka fa tafiditra anaty lisitra avokoa ny ankizy rehetra. 

La vaccination est aussi une affaire de pères. Aux côtés de sa femme, ce père de famille s’engage pour la santé de ses filles en veillant à ce qu’elles reçoivent leur vaccin contre la polio. Un exemple de parentalité positive qui montre que protéger un enfant est l’engagement de toute la famille.

Anisan'ny tompon'andraikitra amin'ity hetsika fanaovam-bakisiny ity koa ny raim-pianakaviana. Eo akaikin'ny reny izy, ary mandray andraikitra amin'ny fahasalaman'ny zanany ka miantoka fa mahazo ny vaksiny hiarovana azy amin'ny aretin'ny lefakozatra izy ireo. Ohatra iray amin'ny fitaizana miabo izany, mampiseho fa ny fiarovana ny ankizy dia adidy iandraiketan'ny fianakaviana iray manontolo.

Au-delà des chiffres et des doses administrées, cette campagne est le reflet d’un engagement humain exceptionnel. Un personnel de santé dévoué, mobilisé sans relâche pour une seule cause : protéger chaque enfant et construire un Madagascar sans polio.

Ankoatra ny tarehimarika sy ny fatra nomena ny zaza, dia maneho ny fandraisana anjara miavaka amin'ny maha-olona koa ity hetsika fanaovam-bakisiny ity. Ao ireo mpiasan'ny fahasalamana izay tena feno fanoloran-tena,  miasa tsy an-kiato nohon'ny antony tokana monja, dia ny hiaro ny ankizy rehetra sy ny hanangana Madagasikara tsy ahitana ny aretina lefakozatra intsony. 

Cette campagne est l’histoire d’une mobilisation collective. Des vaccinateurs aux mobilisateurs communautaires, des parents aux partenaires, chacun joue un rôle essentiel. Aux côtés du ministère de la Santé Publique, l’UNICEF poursuit son engagement pour une seule mission : protéger chaque enfant, partout, jusqu’au dernier kilomètre.

Mirakitra ny tantaran’ny ezaka iombonana ity hetsika fanaovam-bakisiny ity. Manomboka amin'ireo mpanao vaksiny ka hatramin'ireo mpanentana, sy ireo ray aman-dreny ary ny mpiara-miombon'antoka dia samy manana ny andraikitra manan-danja nosahaniny avy. Miara-dàlana amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny UNICEF, ary manolo-tena hatrany amin'ny fanatanterahana iraka tokana, dia ny hiaro ny ankizy rehetra, na aiza na aiza, eny na ireo any amin'ny toerana lavitra indrindra aza.

Lova Renée, la Youth Advocate rappelle l’importance de la vaccination lors de sa séance de sensibilisation. Devant les parents, les autorités locales et les leaders communautaires, elle appelle chacun à contribuer à la protection des enfants en favorisant l’accès aux vaccins essentiels. Son message souligne également l’importance d’accueillir et de soutenir les agents de santé dans leur mission

Lova Renée, Mpiaro ny zon’ny ankizy, dia mampahatsiahy ny maha-zava-dehibe ny fanaovam-baksiny nandritra ny hetsika fanentanana nataony. Teo anatrehan’ny ray aman-dreny sy ireo manampahefana any an-toerana ary ireo mpitarika eny anivon’ny fiarahamonina, dia miantso ny tsirairay izy mba handray anjara amin’ny fiarovana ny ankizy amin’ny fanamorana ny fahazoan’izy ireo misitraka ireo vaksiny rehetra. Manamafy ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanatanterahana ny asany. 

Faire reculer la polio est l'affaire de tous. Aux côtés des autorités locales, Lova Renée, la Youth Advocate amplifie les messages de sensibilisation pour que chaque parent fasse le choix de protéger son enfant par la vaccination.
UNICEF Madagascar/2026/ Andrianaivoson

Andraikitry ny rehetra ny famongorana ny aretina lefa-kozatra. Miara-miasa amin'ny manam-pahefana eo an-toerana i Lova Renée, mpiaro ny zon'ny ankizy, manamafy ny hafatra fanentanana mba hahatonga ny ray aman-dreny hisafidy ny hiaro ny zanany amin'ny alalan'ny fanaovana vaksiny. 

Au cœur de chaque porte frappée, de chaque séance de sensibilisation et de chaque kilomètre parcouru par les équipes de santé se trouve un objectif unique : permettre à chaque enfant de recevoir les vaccins dont il a besoin pour grandir en bonne santé.

Ny isam-baravarana, ireo fanentanana natao, sy ireo kilometatra ataon’ireo ekipan’ny fahasalamana, dia tanjona iray no iombonana: mba hahafahan’ny ankizy tsirairay misitraka ireo vaksiny ilainy, mba hitomboany sy ho salama tsara. 

Fanamarihana: Eto Madagasikara, ny hetsika fanaovam-bakisiny miaro amin'ny lefakozatra dia tohanan'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Hetsika Maneran-tany ho famongorana ny aretina lefa-kozatra (GPEI) – ny Fikambanana Maneran-tany momba ny Fahasalamana (OMS), Rotary International, ny Foibe Amerikana misahana ny Fanaraha-maso sy ny Fisorohana ny Aretina (CDC), ny UNICEF, ny Fondation Gates, Gavi – ny Alliance du Vaccin, ny Commission Européenne (EC) ary ny Banky Eoropeanina ho an'ny Famatsiam-bola (EIB).