Diniho Paulette : mirotsaka eo anivon’ny fiarahamonina mba hiaro ny ankizy tsirairay amin’ny vaksiny
Miroboka an-tsehatra eto Antananarivo Diniho Paulette mba hahavita vakisiny ny zaza tsirairay
Varavarana fahafolo nodondonin’i Diniho Paulette teny amin’ny lalan-kelin’ny Fokontany Andafiavaratra anio maraina ity iray ity. Tsy miala eny an-tànany ny karine raha tonga eny an-toerana hanavao ny boky fanisana ny zaza latsaky ny dimy taona izy— saingy maro ny zavatra hitany teny am-panaovana ny asa fanisana mitety trano. Ao ohatra ireo reny vao tera-bao, ny zaza menavava mbola tsy nanaovana kopia, sy ny fianakaviana misalasala ny hanao vakisiny.
Filoha’ny kartie iray ao amin’ny boriborintany faharoan’Antananarivo renivohitra i Diniho Paulette, 43 taona. Renim-pianakaviana niteraka fito izy. Fantany avokoa ireo lalankely rehetra ao anatin’ny fokontany. Namakivaky ireny tamim-paharetana izy, resy lahatra fa ny fitsidihana isan-tonkantrano no mampitsiry ny fifampitokisana.
Raha atambatra dia tokantrano miisa 65 no tsy mantsy tsidihiny. Na teo aza ny fahasahiranana amin’ny fidinana ifotony toy izao dia nisy antony iray namporisika azy hanohy: miha-tonga saina hatrany ny fianakaviana fa zava-dehibe ny fiarovana ny zaza amin’ny aretina isan-karazany.
Ho azy ny varavarana tsirairay tsidihina dia midika fa misy olom-pantatra vaovao, misy tantara vaovao re, na koa misy hamehana tsy maintsy hatrehina. Misy reny vao tera-bao, misy mbola miandry andro. Ireny fitsidihana ifotony ireny no nahafahana nitily sy nandray an-tànana ireo zaza-menavava tsy mbola nanaovana fanambarana fahaterahana akory.
Mihoatra lavitra noho ny fanisana atao an-taratasy ity iraka ity. Tena asa mitsinjo ny maha-olona, mifototra amin’ny fihainoana, ny fifampitokisana ary ny fanentanana.
« Na eo aza ireo fihaikana sy olana atrehina mandritra ny fitsidihana, dia hita fa tena ilaina ny fanaovana itony fitsidihana itony. Ary tena tokony atao matetika mihintsy aza. Amin’ireny fotoana ireny no ahitana ireo reny vao tera-bao, sy ireo zaza vao teraka tsy mbola voasoratra anaty boky. Misy koa ireo vehivavy bevohoka, ka ilaiko ny manaraka azy hatramin’ny fahaterahan’ny zaza mba hahazoana manoratra sy mampiditra azy ao anaty boky firaketana an-tsoratra», hoy ny fanazavany.
Tsy mora ny asa eny ifotonya. Misy ireo fianakaviana mbola misalasala ny hanao vakisiny. Tsy miraviravy tanana anefa i Paulette. Am-pahatoniana sy am-pitiavana no hakany fotoana manazava, mampirisika sy mamaly fanontaniana hampisinda ny ahiahin’ny ray aman-dreny.
Soa ihany fa iray ihany tamin’ireo tokantrano 65 novangiana no nandà ny fanaovam-bakisiny. Tsy nahakivy an’i Paulette izany tranga izany, ny mifanohitra amin’izany aza. Tsy reraka izy manohy ny asa fanentanana ataony isaky ny tokantrano tsidihany.
Hoy izy mitantara amim-pahatokiana fatratra: « Iray ihany ny tokantrano nandà tsy hanao vakisiny ny zanany tamin’ireo rehetra novangiako. Fa tsy mahasakana ahy tsy hanohy ny fanentanana izany, satria tena ilaina ho an’ny fahasalaman’ny zaza ny vakisiny. Ny tena nanaitra ahy mafy dia ny fanontanian’ny ray aman-dreny maro hoe rahoviana no misy vakisiny faobe. Tian’izy ireo ny hiaro ny zanany. Rehefa nanontanianako izy ireo, dia namaly ahy izy ireo hoe maro ny aretina mahazo amin’izao fotoana izao, ka zava-dehibe ny hanaovana vakisiny ny zaza araka izay haingana indrindra ».
Tsapan’i Paulette hatrany amin’ireny fitsidihana ataony ireny fa tena miova ny toe-tsaina. Miha-misokatra ny fifanakalozana amin’ny fianakaviana. Mitombo ny fametrahana fanontaniana ary mitombo hatrany ny fahalianan’izy ireo mahakasika ny fahasalaman’ny zanany. Raha ny heviny, dia tena zava-dehibe tokoa ny fifanakaikezana mba hanorenana fifampitokisana maharitra eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fiarahamonina misy azy ireo.
Manana fahavononana hanompo ny fiarahamonina hatrany i Paulette ary manantena fa hisy ny fandaminana mba hisian’ny fitsidihana ifotony tsy tapaka. Araka ny heviny dia manamora ny fanisana ny ankizy latsaky ny dimy taona izany, sady manazatra ny ray aman-dreny hifandray amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ka hahafahana manao fifampizarana amin’izy ireo mikasika ny tombon-tsoa amin’ny fanaovam-bakisiny.
Tao anatin’ny hetsika fifaninanana ho an’ny Fokontany teo anivon’ny boriborin-tany enina eto Antananarivo renivohitra, ity hetsika ity, izay notanterahin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tohanan’ny UNICEF, izay mivoy ny famporisihina ny mpanentana ara-parahamonina (AC) hanao asa tsy mifototra amin’ny vola. Omena fanohanana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny mahakasika ny fanaovam-bakisiny. Mikendry ihany koa ity hetsika ity, ny hidiran’ny Filoham-pokontany sy ny filohan’ny kartie an-tsehatra sy hanolo-tena amin’ny fivoizana ny lohahevitra mikasika ny fanaovam-bakisiny ny zaza eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy ireo.
Misitraka ny fanohanan’ny Gavi sy ny Alliance du Vaccin) ary ny ‘Fondation Gates’ koa ity hetsika ity, izay mikendry ny hanaovana ny ezaka tsara rehetra handrakofana vakisiny ny toerana rehetra sy hiarovana ny zaza amin’ireo aretina azo sorohina amin’ny alalan’ny vakisiny. Ao anatin’izany faharisihina izany no hirosoan’ny mpiasan’ny fahasalamana eny anivon’ny fiaraha-monina mba hanakaiky kokoa ny mponina sy ny fianakaviana ny tolotra fanaovam-bakisiny ary ho mora kokoa ny fanarahana maso ny zaza.
Ny fanoloran-tena, ny herim-po ary ny finiavan’I Paulette hanakaiky ireo fianakaviana eny an-toerana dia fomba no hisoloan’i Paulette ireo vehivavy miasa ifotony, izay miasa mangina isanandro kanefa mitondra vokatra mahery vaika eo amin’ny fiarovana ny ho avin’ny ankizy.