Mpampianatra mafana fo amin’ny fanohanana ny hetsika fanaovam-bakisiny i Zafrine

Mpampianatra amin’ny sekoly fanabeazana fototra i Zafrine. Noraisiny ho laharam-pahamehana ny fanaovana vakisiny ny zanany lahikely sy ny mpianany.

Elodie Randrianarijaona
Zafrine recevant la carte de vaccination distribuée durant la campagne de riposte contre la rougeole à Mahambo.
UNICEF Madagascar/2025/Andriantsoarana
19 Desambra 2025

Andro faha-efatra nanaovana ny ezaka fanaovam-bakisiny faobe hiadiana amin’ny aretina papillomavirus humain (HPV), izay karazana virosy mahatonga ny homamiadan’ny tranon-jazan’ny vehivavy ity andro ity. Mihetsiketsika ny sekoly fanabeazana fototra ao Mahambo manafana ny hetsika fisorohana atao amin’ity aretina ity. Tafiditra ao anatin’izany hetsika izany ihany koa ny ady amin’ny kitrotro sy ny fanomezana vitamina A. Mafana ny fanohanan’ny tale ity andron’ny vakisiny ity miaraka amin’ny mpampianatra maromaro avy ao amin’ny sekoly ka anisan’izany i Zafirine.  Nitsena tamin’ny fomba manetriketrika ny ekipa mpanao vakisiny izay tonga mitondra ny fanefitra hitandrovana ny fahasalaman’ny tovovavy izy ireo.

Hatramin’ny taona 2019, no niasa sy nampianatra ny kilasy faharoa ao amin’ny SFF Mahambo i Zafrine. Ho azy dia tsy asa fe asa fotsiny ihany ny asa fampianarana fa antso manokana. Mafana fo amin’ny fanohanana ny hetsika fanaovam-bakisiny koa izy . Rehefa misy ny fandaminana atao mikasika ny hetsika fanaovam-bakisiny ao am-pianarana dia mamporisika ny ray aman-drenin’ny mpianatra tsirairay ao amin’ny kilasiny izy mba hamelan’izy ireo ny zanany hatao vakisiny. Mahita fomba hatrany izy hanentanana ny mpianany sy hiresahana ny maha-zava-dehibe ny fanaovana vakisiny. 

 

« Maka fotoana kely foana aho manentana ny ray aman-dreny mba hampananao vakisiny ny zanany indrindra mandrindra ny hetsika fanaovam-bakisiny faobe karakarain’ny Minisitera. Indrindra fa betsaka ny aretina mety hanjo azy ireo amin’izao taonany izao. Ho ahy manokana dia ny vakisiny no fomba mahomby tokana hisorohana izany. »

Zafrine

Manana zanaka kely 17 volana ihany koa i Zafrine.  Wendjino no anarany. Toy ny ankamaroan’ny ankizy dia efa nahafeno ny vakisiny rehetra tokony hatao aminy i Wendjino tamin’ny faha 15 volany. Na izany aza dia mbola nitondra azy natao vakisiny miaro amin’ny kitrotro sy nihinana vitamina koa i Zafrine nandritra ity hetsika fanaovam-bakisiny ity.  Manaraka tsara ny kalendary fanaovam-bakisiny mahazatra izy ary isaky ny misy hetsika faobe toy izao dia hoentiny hatrany ny zanany. Manohana azy amin’izany ny vadiny satria mahasoa ny fahasalamana sy ny miantoka filaminam-piainan’ny zanany izany.

« Na dia efa manao ny vakisiny mahazatra rehetra aza ny zanako, dia ilainy ihany koa ny atao vakisiny ankehitriny mba hahatonga ny hery fiarovana hatanjaka. Maimaim-poana rahateo ny fanaovam-bakisiny nefa tena mahomby. » 

Zafrine avec son fils Wendjino dans la salle de classe en train d’enseigner ses élèves de la classe de10ème de l’école primaire publique de Mahambo.
UNICEF Madagascar/2025/Andriantsoarana Sarin’i Zafrine miaraka amin’i Wendjino zanany lahikely mampianatra ny ankizy kilasy faharoa, ao anaty efitrano fianarana iray ao amin’i sekoly fanabeazana fototra ao Mahambo.
Zafrine 28 ans et son fils Wendjino 17 mois vacciné contre la rougeole et a reçu une dose en vitamine A lors de la campagne de vaccination intégrée à l’EPP Mahambo.
UNICEF Madagascar/2025/Andriantsoarana 28 ans taona i Zafrine ary 17 volana kosa i Wendjino zanany lahikely izao nahazo vakisiny miaro amin’ny kitrotro sy nahazo ny daozina vitamine A izao, nandritra ny hetsika fanaovam-bakisiny faobe tao amin’ny SFF Mahambo.

 

Ny 8 ka hatramin’ny 12 desambra 2025, no nanaovana ny vakisiny HPV izay natao hiarovana ny ankizivavy 9 ka hatrmain’ny 14 taona amin’ny aretin’ny homamiadana’ny vozon’ny tranon-jaza. Ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no nikarakara ity hetsika fanaovam-bakisiny ity. Ankizivavy mahatratra hatrany amin’ny 2 tapitrisa no kendrena hahazo izany vakisiny izany. Ary nampiarahaina amin’ity vakisiny ity koa ny vakisiny miady amin’ ny valanaretin’ny kitrotro ka zaza 6 ka hatramin’ny 24 volana mahatratra 1.7 tapitrisa no kendrena. Mbola misy koa ny fanomezana vitamina A ho an’ny zaza 6 ka hatramin’ny 59 volana izay nokendrena ho an’ireo zaza eny an-toerana. Natao teny amin’ny tobim-pahasalamana, ny sekoly miankina sy tsy miankina sy ireo toerana natokana hanaovana izany toy ny biraom-pokontany (isan-tanàna) na ny toerana be olona rehetra ny fanaovam-bakisiny.

Eto Madagasikara dia ny mpiara-miombonantoka sy ny mpamatsy vola toy ny  Gavi sy ny  Alliance du Vaccin no manohana ny asa fanaovam-bakisiny. Ny fitaterana ny vakisny kosa dia iantohan’ny birao mpiantoka ny famatsiana eo anivon’ny UNICEF Copenhague ary ny fanjakana Kanadiana kosa no miandraikitra ny fanomezana Vitamine A.

«Amin’ny maha reny sy mpampianatra ny tenako dia hotohizako hatrany ny fidirana an-tsehatra amin’ ny fanentanana ny fanaovam-bakisiny ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra  mba hiantohana ho avy ao anaty fahasalamana ho an’ny ankizy »

Zafrine