Mpivady mifanohana, fianakaviana sambatra
Ity lahatsoratra ity dia mampiseho ny fahombiazan’ny mpivady tanora iray noho ny fanohanana azony tamin’ireo mpisehatra maro samihafa eo an-toerana sy ny fikambanana iraisam-pirenena izay nanampy ny fiaraha-monina misy azy ireo.
Mbola mitsoka somary mangatsiaka ny rivotry ny ririnina ao amin’ny tanànan’i Terabovo, ao amin’ny kaominina Sihanamaro, any atsimon’i Madagasikara. Ao anatin’izany fitoniana tanteraka izany, dia misy ny hafatra momba ny fomba fanao tsara eo amin’ny sakafo. Izany dia heno miverimberina amin’ny alalan’ny fanamafisampeo napetraka teo an-tokotanin’i Notsimbininiavo L-Adina, tantsaha iray sahabo ho 31 taona eo.
« Miara-miasa amin’ny ONG eto an-toerana aho, ary izy ireo no nametraka ity toerana fihainoana ity eto amiko ». Izany no nambarany no sady manara-maso an’i Hortense, zanany vavy dimy taona, izay milalao miaraka amin’ny namany izy. Ny vadiny, Cynthia, kosa dia mahandro ao an-dakozia: lasopy legioma isan-karazany no sakafo androany, miaraka amin’ny vary sy tsiasisa. Nalaina tamin’iny maraina iny tao amin’ny zaridaina iombonana izany. Tsy adinon’i Cynthia ny manasa tsara ireo legioma amin’ny rano nafangaro zavely, araka izay nianarany nandritra ny fiofanana. Tsy misalasala koa izy mampiasa rano ampy tsara satria akaiky ny paompy misy rano madio napetraky ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy.
Mivelona amin’ny fambolena ireto mpivady ireto, izay manana zanaka roa: i Hortense sy i Urbain, fito volana. Hatramin’ny taona 2021 izy ireo dia mandray anjara mavitrika amin’ny zaridaina iombonana izay itambaran’ny tokantrano 25. Miara-mamboly karaoty, betiravy, anandrano, voatavo, voatabia, tongolo, “poivron” ary sakay izy ireo. Mandritra ny fotoa-pamafazana dia miara-miasa ny rehetra. Mifandimby amin’ny fikarakarana sy fanondrahana ny fianakaviana tsirairay. Ifampizaran’ny mpikambana rehetra ny vokatra azo, ary amidy ny ambim-bokatra mba hahazoana vola hividianana masomboly vaovao, ankoatra ireo izay efa omen’ny ONG iray hafa izay manatanteraka ity tetikasa natomboky ny PAM ity.
« Taloha dia mangahazo fotsiny no sakafo teo ambony latabatray isan’andro. Fa hatramin’izay nandraisanay anjara tamin’ny zaridaina iombonana izay, dia afaka mamboly legioma isan-karazany izahay. Ankoatr’izay, dia mbola manofa tany koa izahay hambolena mangahazo, vomanga, katsaka ary tsiasisa »,
Fahaizan’ny vondrom-piarahamonina miatrika sy mandresy ny fahasahiranana
Mialohan’ny nandraisany anjara tamin’ity hetsika zaridaina iombonana ity, dia nahazo fiofanana tao amin’ny tanim-piofanana ho an’ny tantsaha ny fianakaviana. Nahazoany fahalalana fototra mikasika ny fambolena izany. Tema Colette, vehivavy mpitarika, no nanentana sy nanome izany fiofanana teny ifotony izany. Ankoatra izany koa, ny UNICEF, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia nanome fiofanana momba ny teknika fambolena ho fanatsarana ny vokatra azo.
Tonga ny fotoanan’ny sakafo atoandro ka vorilanona manodidina ny sakafo matsiro naroson’i neny ny fianakaviana iray manontolo. Na dia i Urbain kely aza, rehefa avy ninono, dia tafiditra ao anatin’io fotoana feno hafaliana io koa. « Zava-dehibe amiko ny ihinanan’ny zanako sakafo miovaova sy maroloko, satria izany no manampy amin’ny fitomboany tsara », hoy i Cynthia.
« Ireo fomba fanao rehetra ireo dia nianarako avy tamin’ireo mpisehatra amin’ny fanofanana sy ny vondrona mpanohana. Izany dia natao tamin’ny toerana hahafahana mianatra sy mifampizara. Noho ireo fanohanana ireo dia tsy mbola nijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo mihitsy ny zanako. »
Any amin’ireo faritra izay matetika iharan’ny hain-tany no hanatontosana ireo hetsika rehetra ireo. Avy amin’ny tetikasa fanamafisana ny fahaizan’ny vondrom-piarahamonina miatrika sy mandresy ny fahasahiranana sy hiantohana ny fahampiana ara-tsakafo sy ny fahasalamana izany. Tohanan’ny BMZ amin’ny alalan’ny KfW Banky ho an’ny Fampandrosoana izany tetikasa izany. Ity farany dia tanterahin’ny PAM sy ny UNICEF miaraka amin’ny kaominina Itampolo (distrikan’i Ampanihy), Sihanamaro (distrikan’i Ambovombe), ary Tsivory sy Ifotaka (distrikan’i Amboasary). Maharitra 60 volana ny faharetany, nanomboka tamin’ny volana desambra 2022 ary hifarana ny volana desambra 2027, ary sitrahan'ny olona miisa 105 650, isan’izany ny fianakavian’i Notsimbininiavo.
Fianakaviana sambatra
Ity fianakaviana ity dia maneho ny fahaiza-miatrika ny andro sarotra sy ny fahaleovan-tena eo amin’ny fiainana. Mpikambana mavitrika ao anaty fikambanana manao fitehirizam-bola iombonana i Cynthia. Afaka nanokatra tsena kely izy, sy nividy kojakoja an-tokantrano avy amin’ny vola azony tao amin’ny fikambanana, ary koa omby sy sarety izay ampanofain’izy ireo. Manana toe-pahasalamana mavitrika ihany koa ny fianakaviana ary manana lava-piringa. Tsara hatrany ny sakafon’ny zanany, ary voakarakara tanteraka sy vita vaksiny. I Cynthia koa dia niteraka tao amin’ny tobim-pahasalamana, izay nahazoany fitsaboana sy fikarakarana araka ny tokony ho izy.
Rehefa vita ny sakafo atoandro dia entin’izy mivady any amin’ny sehatra Mandady ny zanany. Izany dia sehatra filalaovana natsangan’ny UNICEF manokana ho an’ny fanabeazana sy fiarovana ny ankizy madinika ao an-tanàna. Ao amin’ity toerana ity, i Masy Sahazesoa, tompon’andraikitra, no manentana sy milalao miaraka amin’ny ankizy amin’ny kilalao novokarin’ireo skoto avy amin’ny fitaovana efa tsy nampiasaina intsony. Ireo kilalao ireo dia nodiovina sy nahodina mba hanana endrika vaovao.
« Zava-dehibe ny filalaovan’ny ankizy sy ny fahasambarany, satria tena fototra amin’ny fivoarany ara-batana sy ara-tsaina ny lalao »