Manambatra ny heriny hiady amin’ny tsifanjariantsakafo mpahazo ny ankizy eto Madagasikara ny « Fondation AXIAN » sy ny UNICEF.
Miisa 5000 ireo ankizy tratran’ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika misitraka fitsaboana famerenana aina any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.
Antananarivo, 27 martsa 2025 — Niara-nanomboka hetsika ho fanampiana ireo ankizy miisa 5 000 tratran’ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika eo anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 59 volana any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izay tratry ny tsy fanjariantsakafo ny Fondation AXIAN sy ny UNICEF Madagascar. Tafiditra ao anatin’ny rafitra Child Nutrition Fund (CNF) ity hetsika ity. Ity farany ity dia rafitra famatsiam-bola hoenti-manohana ireo firenena hahitana ankizy tratry tsy fanjarian-tsakafo betsaka indrindra, ka anisan’izany i Madagasikara.
Mitentina 100 000 dolara ny fandraisana anjara avy amin’ny Fondation Axian ary hampitomboin’ny Child Nutrition Fund (CNF) ho avo roa heny izany. Mbola eo koa ny tohana avy amin’i Jeff Bezos, Fondation Bill sy Melinda Gates, ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena hafa. Hamatsy vola ny UNICEF amin’ny fividianana ireo sakafo hoenti-mitsabo ny tsy fanjariantsakafo azo ampiasiana avy hatrany . toy Plumpy nut miisa 3 000 baoritra izy ireo. Tena ilaina amin’ny fitsaboana ireo ankizy tratran’ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika io karazan-tsakafo io. Ankoatra ny sakafo dia ao anatin’ny fanohanana koa ny fanaovana fanaraha-maso feno ny fahasalamana, ny fanomezana fanafody, ary ny fanaovana fitiliana ara-potoana.
Vahaolana avy hatrany ho an’ny olana mitohy lavareny
Mbola latsaky ny 5%-n’ny zaza eo anelanelan’ny 6 hatramin’ny 23 volana no miaina ao anatin’ny tsy fanjariantsakafo any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Manampy trotraka izany ireo loza mitranga eo amin’ny tontolo iainana - hain-tany miverimberina sy fahapotehan’ny tontolo iainana izay vao maika mananoasarotra ny fahazoan’ny tokantrano sakafo mahavelona. Mahatratra 86 isan-jaton’ny fianakaviana any amin’ity faritra ity no tsy mahazo sakafo feno otrikaina. 24 isan-jaton’ny ankizy manerana an’i Madagasikara no latsaka anty tsifanjariantsakafo. Saika sokajin-tsakafo roa monja amin’ireo valo ilaina amin’ny fitomboan’ny ankizy no mba hitany sy azon’izy ireo hohanina.
Tafiditra ihany koa ao anatin’ny hetsika maneran-tany “Vovonan’nysakafo hitomboana 2025” ity ezaka ity. Ezaka iraisam-pirenena mikendry ny hanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo no atao amin’izany, amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra azo tsapain-tànana avy amin’ny mpisehatra ara-panjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Fidirana an-tsehatra ho an’ny ho avy
Tafiditra ao anatin’ny Vovonan’nysakafo hitomboana 2025, izay natao tao Paris ny 27 sy 28 martsa lasa teo ity hetsika ity. Nanolo-tena hanao asa azo tsapain-tànana hiady amin’ny tsy fanjariantsakafo sireo mpisehatra ara-panjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Toy izao ny fanambaran’i Christine Jaulmes, Solontenan’ny UNICEF Madagascar : “ Ity fiaraha-miasa amin’ny Fondation AXIAN ity dia mampiseho ireo vokatra tsara hoentin’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny ankizy. Afaka hanampy ankizy maro kokoa izahay nohon’ny fisian’ity fanohanana ity, ka hanome azy ireo ho avy salama kokoa.Notohanan’ingahy Hassanein Hiridjee, Tale Jeneralin’ny Groupe AXIAN sady Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Fondation AXIAN izany ka nampiany hoe:“Ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo dia tsy natao hitsinjovana ny maha-olona fotsiny fa adidy ara-moraly ihany koa. Ny zaza tsirairay izay voatohana tsara ara-tsakafo anio no ho lasa mpisehatra amin’ny fampandrosoana rahampitso.”
Nofaranan’I Mialisoa Andrianasolo, Talen’ny mpanatanteraka Fondation AXIAN ny fitenenana ka hoy izy :“Mino izahay fa manan-jo hanana ho avy f salama ny ankizy tsirairay. Manamafy ny fanoloran-tenanay amin’ny fampandrosoana maharitra sy mirindra ho an’i Madagasikara ao anatinity fiaraha-miasa amin’ny UNICEF ity izahay.”
Momba ny Fondation AXIAN
Miasa ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy mampiaty eto Madagasikara sy manerana an’i Afrika ny Fondation AXIAN. Manolo-tena hampisy hitondra vokatra maharitra a min’ny alalan’ny fidirana an-tsehatra amin’ny tetikasa mifantoka amin’ny fahasalamana, fampianarana, ary ny fiarahan’ny rehetra manatsara ny toe-karena eny amin’ireo fiarahamonina tena marefo..
«. » Ny UNICEF dia tsy manohana orinasa, na marika, na vokatra na tolotra ara-barotra.
Fifandraisana
Momba ny UNICEF
Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.
Araho ny UNICEF amin'ny X, Facebook, Instagram sy LinkedIn