Kirizy mpahazo ny olombelona : Lohalaharana eny an-toerana ny UNICEF sy ireo mpiara-miombonantoka

Ity tatitra an-tsary ity dia mitantara ny ezaka ataon’ny UNICEF sy ny mpiara-miombonantoka aminy amin’ny fanaovana fitiliana faobe ireo tranga-na tsifanjariantsakafo any amin’ireo faritra tratry ny kirizy mpahazo ny olombelona.

Maropia Ambohimazava, région Androy – Maharaka, agent communautaire, mesure le périmètre brachial d’un enfant afin de dépister la malnutrition.
UNICEF/UNI938873/Andrianantenaina
23 Martsa 2026

Ny 98% n’ireo olona voasokajy fa miaina ao anaty kirizy, izany hoe olona miisa dimy hetsy sy iray tapitrisa dia hita miaina any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo-antsinanan’i Madagasikara avokoa. Miisa 70.000 ireo olona latsaka anaty fahasahiranana lalina raha ny vokatry ny fanadihadiana « Cadre intégré de l’Insécurité Alimentaire ou IPC » na adika hoe Tetikasa mirindra ho an'ny fanasokajiana ny tsy fanjarian-tsakafo – izay fitaovana fampiasa haanaovana fanadihadiana eto Madagasikara hatramin’ny taona 2016. Natao tamin’ny volana jolay 2025 izany fanadihadiana izany ary nohamafisina tamin’ny volana Desambra 2025.


Eo anatrehan’izao toe-javatra izao dia miaraka manao antso ho amin’ny fanohanana iraisam-pirenena mba hanamafisana ny famaliana ny filàna amin’ny maha-olona ny fanjakana malagasy, ny rafitry ny firenena mikambana toy ny UNICEF, ny fiaraha-monina mitsinjo ny maha-olona miasa any amin’ireo distrika tafiditra ao anatin’ny faritra iharan’izany kirizy ara-tsakafo sy tsy fanjariantsakafo izany.

Au village de Maropia, au sud de Madagascar, deux agents communautaires effectuent des visites porte-à-porte pour sensibiliser la communauté au dépistage de la malnutrition et à la campagne en cours de distribution de vitamine A.

Ao amin’ny tanànan’i Maropia, any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara dia misy mpanentana ara-piaraha-monina mamangy isan-tokantrano sy manentana ny mpiara-monina hanao fitiliana ny tsy fanjariantsakafo sady manao ny fizarana vitamina A faobe.

Sandaniaina Raherijaona, spécialiste en nutrition à l’UNICEF, renseigne les formulaires de suivi des intrants et des activités.

Matihanina amin’ny sehatry ny fanjariantsakafo ao amin’ny UNICEF i Sandaniaina Raherijaona, ary izy no manara-maso ireo taratasy mikasika ny fandraketana an-tsoratra ny entana miditra sy ny sahanasa atao.

Âgée de 22 mois, Angela est dépistée à l’aide d’un ruban de mesure du périmètre brachial. Sa mesure, à la limite entre le rouge et le jaune, indique la nécessité d’une prise en charge rapide.

Natao fitiliana tamin’ny alalan’ny fampiasana ny metatra fandrefesana sandry i Angela, 22 volana. Teo amin’ny tsipika manasaraka ny loko mavo sy mena no nahitana ny refin’ny sandry manodidina ho azy. Midika izany fa mila raisina an-tànana haingana izy.

Dans la commune de Tanandava-Sud, ces agents utilisent CommCare, une application qui facilite le suivi de la nutrition et de la protection sociale des enfants grâce à une base de données et un identifiant unique, renforçant leur identification, le suivi périodique et le dépistage.

Ny CommCare no fitaovana ampiasain’ireo mpanentana ara-piaraha-monina manao ny fanaraha-maso ao amin’ny kaominina Tanandava-Atsimo. Manamora ny asa fanaraha-maso ataon’izy ireo ho an’ny tsifanjariantsakafo sy ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny ankizy ity fitaovana ity noho izy manana tahirin-kevitra fototra sy famantarana tokana. Manamafy ny famantarana ny ankizy tsirairay izany ary manamora ny fanaraha-maso ara-potoana ary fanaovana ny fitiliana.

Comme Angela, les enfants présentant une malnutrition confirmée reçoivent une ration d’aliments thérapeutiques, fournis par l’UNICEF, pour favoriser leur prise de poids et rétablir leur santé.

Toa an’i Angela izao dia hita fa tratry ny tsifanjariantsakafo izy ka nomena sakafo fitsaboana, izay atolotry ny UNICEF mba hampiakatra ny lanjany sy hiverenan’ny fahasalamany.

Les enfants dépistés comme Angela reçoivent également des suppléments de vitamine A, administrés sous forme de capsules : rouges pour les enfants de moins de 12 mois, bleues pour ceux de 12 à 59 mois, afin de renforcer leur immunité.

Mahazo fanampina vitamina A koa ny zaza vita fitiliana toa an’i Angela. Araraka ao am-bava izy io, ka mena ny lokony ho an’ny zaza latsaky ny 12 volana, manga kosa ho an’ny 12 ka hatramin’ny 59 volana. Natao hampitombo ny hery fiarovana ao amin’izy ireo izany.

Eliana, 24 mois, reçoit également cette vitamine par voie orale. Sa sœur aînée, Florentine, 16 ans, raconte : "Nous avons perdu notre mère il y a quatre mois et n’avons plus de père. Sans ressources financières, nous survivons grâce au soutien des autres membres de notre famille."

Nahazo ilay vitamina A araraka ao am-bava koa i Eliana, 24 volana. Toy izao ny fitantaran’ny zokiny vavy matoa antsoina hoe Florentine, 16 taona : "Efa maty ny reninay efa-bolana lasa izay. Izahay koa anefa efa tsy manan-dray rahateo. Tsy manana fidiram-bola izahay fa dia ny fanampian’ny havana eny no hivelomanay."

Fidanantsoa (au milieu), agent communautaire elle aussi, profite pour faire dépister ces deux enfants : Gustina et Fildina.

Nanararaotra nanao fitiliana ny zanany koa i Fidanantsoa (hita eo afovoan’ny sary). Mpanentana ara-piaraha-monina izy. Samy natao fitiliana ireo zanany : Gustina sy Fildina.

En fin de matinée, à l’issue de l’activité, les agents communautaires, satisfaits et fiers de leur travail, posent en photo de groupe avec la communauté.

Rehefa tapitra ny maraina, taorian’ny asa natao, dia nahatsiaro ho afa-po sy afaka nirehareha tamin’ny asa vitany ireo mpanentana ara-piaraha-monina. Ka indreo ry zareofa nipika sary kely niaraka tamin’ny fiaraha-monina.

Fanamarihana : ny fandaharanasa amin’ny fanomezana vitamina A dia azo notanterahina
nohon’ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana kanadiana.

Manome ny sakafo fitsaboana ihany koa ny UNICEF, avy amin’ny famatsiam-bola omen’ireo
mpiara-miombontantoka aminy : Irish Aid (Agence irlandaise de développement), ECHO (Komisiona aoropeana ho an’ny fanampiana amin’ny maha-olona), BMZ tamin’ny alalan’ny KfW – Banky alemandy ho an’ny fampandrosoana, BHA (Birao ho an’ny fanampiana amin’ny maha-olona any Etazonia), ny Principauté an'i Monaco, Fondation Axian ary ny Child Nutrition Fund.