Fanampin-tsakafo misy kasinga mahavelona maromaro : sakafo mahavelona manatsara ny reny sy ny zaza

Ireo antony mahatsara ny fanampin-tsakafo mahavelona

Clemence Andrianaivoson
18th july 2024, Fitovinany, Manakara – Lokomby, Fenoarivo - Sambitia's household - Team 7. Ranto RAKOTONDRAVAO (collection agent) sampling the family's salt and giving compensation (in iodized salt) in return - it is to measure the iodine content of the salt used by the family.
UNICEF/UNI621391/Andriantsoarana
06 Septambra 2024

Ao an-tranon'i Sambatia, any amin'ny faritra Fitovinany, Atsimo Atsinanan'i Madagasikara, mijery an'i Ranto izy, mpanentana ara-pahasalamana, manamarina ny haavon'ny iody amin'ny sira ao,  tamin'ny volana jolay 2024. Ny ioda moa dia kasinga manan-danja.

: Rafaliherinjatovo Nampoina, Mpanentana ara-pahasalamana - CSB2 Soavinandriana Itasy
UNICEF/2024/Clemence Andrianaivoson
Any amin’ny distrikan’i Soavinandriana, i Nampoina maka sary miaraka amin’ny zanany lahikely vao 3 volana. Miverina mandray ny asany amin'ny maha-mpanentana ara-pahasalamana azy ao amin'ny tobim-pahasalamana fototra izy taorian'ny fiterahany.
Rasoanantenaina Fenitra Catherine – bevohoka 7 volana
UNICEF/2024 Clemence Andrianaivoson
Andro fizaham-pahasalamana mandritra ny fitondrana vohoka ho an’i Catherine, bevohoka fito volana, nokarakarain’ny mpampivelona avy amin'ny tobim-pahasalamana fototra. Mahazo ny boaty faha-enina misy ireo kasinga mahavelona maromaro ihany koa izy.

Ao Soavinandriana, faritr’Itasy, afovoan’i Madagasikara, mampahafantatra ny vehivavy bevohoka ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana pilina misy otrikaina i Nampoina Rafaliariherinjatovo, mpiasan’ny fahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina. Mikarakara vehivavy bevohoka 20 avy amin’ny vohitra manodidina izy ary manazava amin’izy ireo ny maha-zava-dehibe ireo pilina misy otrikaina ireo ho an’ny fahasalaman’ny zanak’izy ireo.

Fenitra Catherine Rasoanantenaina, 22 taona, bevohoka voalohany ary amin’ny volana fahafito amin’izao fotoana izao, dia manatona mandrakariva ny tobim-pahasalamana amin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny vohoka entiny. Nilaza izy fa nahatsikaritra fiovana hatramin’ny nanombohany nihinana ireo pilina misy otrikaina ireo: « Miaraka amin’ny fampiasana ny takelaka, tena reko matanjaka kokoa ny zanako ary na ny dokotera aza dia nahita fa mihatsara ny fivoarany », hoy izy. « Izaho koa mahatsapa fiovana: mihatsara ny fahazotoako homana ary tsy mora reraka intsony aho. »