Miditra an-tsehatra ireo ekipa mandehandeha misahana ny fahasalamana sy ny sakafo ara-pahasalamana
Fanamby lehibe ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana eny anivon’ireo vondrom-piarahamonina any amin’ny faritra saro-dàlana ny fiantohana ny fahazoana sakafo sy fikarakarana ara-pahasalamana sahaza ho an'ny ankizy.
Mbola tsapa any amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara ny vokatry ny rivodoza niseho tamin’ny 2022 sy 2023, ka ankizy 115.000 no mila fitsaboana noho ny tsy fanjarian-tsakafo antonony sy mahery vaika hatramin’ny faran’ny taona 2023. Any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana dia mahatratra 12,4% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, izany hoe mihoatra nohon’ny antsalany eto amin’ny firenena (7,7%).
Manoloana izany zava-misy izany dia tena ilaina ireo ekipa mandehandeha ireo, indrindra raha ireo vondrom-piarahamonina avy any amin’ny faritra tena mitoka-monina no asian-teny. Fa iza moa izy ireo? Tsy iza fa mpiasan'ny fahasalamana izay mivezivezy mamonjy tanàna saro-dàlana izy ireo, mba hihaonany amin'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana. Izy ireo dia mamantatra ny trangana tsy fanjarian-tsakafo, mikarakara ireo zaza tratran’ny tsy fahampian-tsakafo, ary manabe ireo ray aman-dreny mahakasika ny fomba fanao mifandraika amin’ny sakafo ara-pahasalamana.
Avy any ankavia miankavanana, Edith, 31 taona, Alexia, 28 taona ary Rocklain, 33 taona, no mandrafitra ny ekipa mandehandeha any amin’ny faritra Farafangana, atsimo atsinanan’i Madagasikara, izay tohanan’ny UNICEF. Mitety ireo tanànan’ny fokontany Miarinarivo any amin’ny faritra atsimo atsinanana izy ireo mba hamantarana ny trangana tsy fanjarian-tsakafo sy hamahana izany olana izany.
Manangona ny vaksiny sy ireo fitaovana ilaina avy any amin'ny tobim-pahasalamana any afovoan-tanàna ny ekipa ; ka handeha an-tongotra 7 kilometatra izy ireo hahatongavana any an-tanànan'i Miarinarivo.
Maka aina ny ekipa. « Tsy mitondra sakafo avy any an-trano izahay satria tokony ho amin’ny 6 ora maraina no miala ao Farafangana. Hohaninay izay hitanay eny an-dalana, na voankazo izany na zavatra hafa, » hoy ny fanazavan’i Alexia.
Niakatra sambo hiampita ny Reniranon'i Menagnivo ny ekipa, izay nampian’ny fokonolona tamin’ny fitaomana ireo sakafo ara-pahasalamana amin’ny baoritra. Entina manohana ireo zaza tsy ampy sakafo izany mba hahazoan’izy ireo fahasalamana.
Adiny iray aty aoriana, mbola mihosina ao anaty fotaka ny ekipa. Amin’ny maha mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny hopitaly Farafangana teo aloha azy ireo dia efa zatra miatrika olana izy ireo. « Indroa isam-bolana izahay no mitsidika ity tanàna ity. Efa zatra havizanana izahay, » hoy i Rocklain narahana tsiky
Mitondra boaty izay mihazona ny vaksiny amin'ny maripana sahaza i Rocklain, no sady manampy an'i Alexia hiala amin'izany fotaka izany.
Ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina dia mitondra baoritra misy sakafo ara-pahasalamana efa vonona, fantatra amin'ny anarana hoe PlumpyNut izay mitovy amin'ny dibera voanjo.
Adiny iray sy sasany aty aoriana, tonga ao Miarinarivo ny ekipa mandehandeha ary efa niandry azy ireo tamim-paharetana ny fokonolona teo an-toerana. Nanomana ireo fitaovana fanaovana fitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo, sy ny fitsaboana izany, ary ireo kojakoja fanaovam-baksiny sy fandrindram-pianakaviana ny ekipa.
Mandrefy ny manodidina ny sandrin’ny zaza iray i Alexia. Mampiasa kofehy miloko sady misy refy izy mba hamantarana raha tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ilay zaza na tsia.
Manindrona vehivavy iray izay nisafidy ny hanao fandrindram-pianakaviana i Edith. « Naniry hatrany ny ho lasa mpitsabo na mpampivelona aho. Izaho no voalohany miasa amin'ny sehatry ny fitsaboana ao amin'ny fianakaviako, » hoy izy.
Mizara PlumpyNut amin’ireo renin’ny zaza izay mbola manaraka fitsaboana i Rocklain. Ankizy 52 no natao fitiliana tamin’io andro io.
Mandrefy ny halavan’ny zaza iray i Rocklain. « Na dia eo aza ny sakana sy ny havizanana, dia mandrisika ahy hatrany ny fanampiana ireo ankizy ireo, » hoy izy. « Ny sasany tamin’izy ireo dia tao anaty toe-pahasalamana tena ratsy no hitako, ary efa sitrana izy ireo ankehitriny. »
Vita ny asa nataon’izy ireo adiny efatra taorian'ny nahatongavany tao an-tanàna, ka nanomana ny fodiany izy ireo. « Tsy ijerena hoe lahy na vavy, fa samy manao asa mitovy am-pitiavana izahay rehetra, » hoy i Alexia sady nitsiky.
Ny UNICEF, nohon’ny fanohanana avy amin’ny ECHO, CERF, USAID, BHA, ny governemantan'i Japana sy Irlandy, ary ny Komitim-pirenena alemana ho an'ny UNICEF, dia afaka manatratra ireo faritra mitoka-monina indrindra, manentana ireo mpiasan'ny fahasalamana mba hahazoana antoka fa mahazo sakafo sy fikarakarana ara-pahasalamana sahaza ny ankizy tsirairay.
Ho an'ny ankizy tsirairay, ekipa iray.