Mialoha ny fihaonam-be iraisam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo ho an’ny fitomboana izay hatao any Parisy, dia manao fanambarana i Madagasikara fa handray andraikitra amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Mila tosika ara-politika sy ara-bola manokana i Madagasikara mba hahafahany manatratra ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra 2030, anisan’izany ny tanjona faha-2.1 izay mikendry ny famongorana ny hanohanana manerantany.

27 Febroary 2025
La delegation SUN avec le President de la République de Madagascar, Andry Rajoelina
UNICEF Madagascar/2025/Ramasomanana

Antananarivo, 25 Febroary 2025 – Notanterahina androany teo ambany fiahian’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, ny atrikasa ho fanombohana ny fandraisan’andraikitr’i Madagasikara mba hanafainganana ny fandrafetana ny politika sy ny asa momba ny fanjarian-tsakafo ho an’ny fitomboana sy ho fiomanana amin’ny ny fihaonam-be iraisam-pirenena momba ny “fanjarian-tsakafo ho an’ny fitomboana”, izay hatao any Parisy tamin’ny faran’ny volana martsa.

Ity hetsika ity dia novolavolaina nandritra ny fotoana nanaovandRamatoa Afshan Khan, Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana Lefitra  sady Mpiandraikitra ny hetsika mikasika ny fampiakarana ny tahan’ny fanjarian-tsakafo (SUN), sy Atoa Brieuc Pont, Sekretera Jeneralin’ny fihaonam-be, fitsidihana teny an-toerana.

Eto Madagasikara, ny tsy fanjarian-tsakafo dia olana lehibe amin’ny fampandrosoana. Raha ny marina, dia iray amin’ireo firenena 28 maneran-tany izay ahitana taha ambony amin’ny tsy fanjarian-tsakafo maharitra, mihoatra ny 30% tao anatin’ny folo taona mahery i Madagasikara.

Araka ny fenitra napetraky ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana (OMS), voafaritra ny zaza latsaky ny roa taona dia tokony hihinana farafaha-keliny sokajin-tsakafo dimy amin’ireo valo misy mba hahafahany mivelatra ara-tsaina sy ara-batana. Kanefa, araka ny tatitra farany[1] azo, dia ny 74% amin’ny zaza eto Madagasikara no mihinana sokajin-tsakafo telo na efatra monja isan’andro, ary ny 24% kosa dia tsy mihinana afa-tsy sokajin-tsakafo iray na roa fotsiny. Voasokajy ho latsaka anaty fahantrana ara-tsakafo lalina izy ireo. Any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara dia mahatratra 86%-n’ny tokantrano no tsy manana fahefa-mividy hahafahana misitraka sakafo miovaova sy ara-dalàna.

Ao anatin’izany tontolon-kevitra izany no hanasan’ny Fihaonam-be ho an’ny fanjarian-tsakafo ho an’ny fitomboana izay natao tany Parisy ny firenena rehetra handray andraikitra matotra ka haneho izany amin’ny fametrahana tanjona amin’ny alalan’ny fanaovana fandaharan’asa, teti-bola sy politika. Soa fanararaotra ihany koa izany ho an’ireo mpisehatra rehetra -  ka ao anatin’izany ny mpitondra fanjakana, ny fiaraha-monim-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola – mba samy hiara-mientana sy hanao fampiasam-bola ampy ho an’ny fanjarian-tsakafo

Ho an’i Madagasikara, ny fandraisan’andraikitra dia mifototra amin’ny tady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo lalina sy mitohy maharitra izay atao hatramin’ny taona 2030, sy ny fanamafisana ny ary koa amin’ny fanamafisana ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra.

Ny fanarian-tsakafo dia mitaky fiaraha-mientana amin’ny sehatra samihafa to ny fambolena ,ny fahasalamana, ny fiarovana ara-tsosialy, ny fanabeazana, ny rano, ny fidiovana sy fahadiovana, ny fiompiana ary ny jono. Iray amin’ireo fandraisana andraikitra ataon’i Madagasikara ny fampidirana ny fanjarian-tsakafo ao amin’ny fandaharanasa mikaiska ny fambolena hatramin’ny taona 2030. Ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra ny fahantrana ara-tsakafo mpahazo ny ankizy dia tsy hihena raha tsy misy ny fampiasana vola amin’ny famokarana sakafo isan-karazany, sy afaka miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro.

Ny firenena mikambana, ny Fikambanana frantsay, ny mambran’ny hetsika "SUN" dia samy mandray andraikitra sy miara-miasa amin’ny fahasalamana sy sakafo mahavelona ka hahafahany mitombo amin’ny fahafenoany.

Fifandraisana

Zoé Rasoaniaina
Chargée de l’Information Publique, de la Communication et du Plaidoyer
Bureau du Coordonnateur Résident – Madagascar
Tel: +261 34 59 531 09
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Araho ny UNICEF amin'ny XFacebook, Instagram sy LinkedIn