Tsy mitsaha-mitombo ny fanelingelinana ny fanabeazana vokatry ny trangan’ny toetr’andro
Mpianatra 100 000 no voatery nanajanona ny fianarana mandritra ny herinandro maro taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy namakivaky iny atsimo atsinanana mankany atsimo andrefan’i Madagasikara iny.
Fidirana an-dakilasy tamin’izay tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra tao Antaninarenina any atsimo andrefan’i Madagasikara. Nirohatra nankany an-tsekoly ny mpianatra fa efa hipaika ny amin’ny 7 ora. Roatokom-bolana izay no nihatoan’ny fianarana ho an’ny mpianatra 800 ao amin’io sekoly io, rehefa nandalo ny rivodoza Freddy tamin’ny vola marsa tao amin’ny Faritra. Mitambatra ao anaty fefy iray ny sekoly ambaratonga faharoa fototra sy ny lisea. Trano lay roa lehibe ho solon’ny lakilasy vonjimaika no nomen’ny UNICEF. Nisy miaramila vitsivitsy, nanara-maso ny fidirana, nialokaloka teo ambodihazo, rehefa avy nizaha tsy tapaka ny fandriam-pahaleman’ny toerana hatramin’ny nisian’ny rivodoza. Hita tao amin’ny biraony ho valaka tokoa Tsirengea Rajos Monista, tale, rehefa avy nandray ireo tra-boina 900 tao amin’ny sekoly, izay natao ho toby fandraisana nandritra ny tapabolana.
“Raha ny tokony ho izy dia tsy natao ho toeram-pandraisana ny tra-boina loatra ny sekoly. Saingy tranga tsy azo hanoharana moa izy ity ka dia nosokafanay ho azy ireo ny varavarana. ” hoy ny tale nanazava. “Ny ankizy foana no voa mafy voalohany rehefa misy loza voajanahary, satria aorian’ireny toe-javatra ireny, dia mitangorona aty amin’ny sekoly ny olona, dia mijanona ao mandritra ny fotoana ela, ka dia tapaka ny fianarana », hoy izy nanohy.
Ao amin’ny kilasy roa vonjimaika no nanombohana ny fianarana siansa momba ny fiainana sy tantaran’ny tany ho an’ny taona faha-8 (4ème), nataon’ny mpampianatra mpiofana Razafindrazaka Miaso. “Izaho koa mba tra-boina fa simba ny tafo-tranoko. Mbola vizana ny ankamaroan’ny mpianatra sady misy fiantraikany ratsy amin’ny fifantohan’ny mpianatra ilay fanapahana lava dia lava. Ambonin’izany indray, tsy manana fitaovam-pianarana ny sasany amin’izy ireo fa simban’ny rano”, hoy izy nijoro ho vavolombelona.
Efa ho mpianatra 100 000 no tsy maintsy nanajanona ny fianarana nandritra ny herinandro maromaro, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tany atsimo atsinanana sy atsimo andrefan’i Madagasikara. Naharitra iray volana mahery iny rivodoza iny sady indroa nandravarava nihamafy hatrany ny faritra atsimo andrefana. Tsapan’ny mponina amin’iny faritra iny fa sady nihamafy fiantraika fatratra no matetitetika ny tranga eo amin’ny toetr’andro tato anatin’ny taona vitsivitsy farany, manambara fa vokatry ny fiovan’ny toetr’andro izany.
Fanarenana sy fanenjehana fandaharan-pianarana
Efitrano roa no simba tao amin’io sekoly io. Ankoatrny fanomezana trano lay vonjimaika, dia mbola nanome labasy koa ny UNICEF handrakofana ny tafo lasan’ny rivotra, sady namatsy fitaovam-pianarana sy fitaovana fampiasa rehefa manao fanatanjahan-tena ho an’ny ankizy. “nampikorontana ny mpampianatra sy ny mpianatra iny fiatoana iny, nefa dia tsy maintsy atao izay azo atao rehetra hampiverenana amin’ny laoniny ny fampianarana sy hanenjehana ny fandaharam-pianarana, indrindra ho an’ny kilasy hanao fanadinana”, hoy ny tale nanantitrantitra. Nahatratra 76% ny taham-pahafahana BEPC farany teo tato amin’ny sekoly vokatry finiiavana lehibe sy ny ezaka tsy nitandro hasasarana sy ny fanajana fitsipika natosiky ny finiavana mahery vaika avy anaty izany.
Nisy fiantraikany tamin’i Nady, 13 taona, koa iny fandalovan’ny rivodoza iny. “Niakatra haingana be ny rano tany amin’ny kartie nisy anay ka voatery nifindra tany amin’ny renibeko izay monina amin’ny toerana avoavo izahay. Faly aho mahita indray Ireo namana mpiara-mianatra na dia be aza ny zavatra tsy maintsy enjehina taorian’iny fanapahana lavabe iny”, hoy izy.
Manaitra ny tompon’andraikitra mikasika ny fitohizan’ny fanabeazana ny UNICEF na dia ao anatin’ny tranga sarotra aza, raha vao misy fahalemana hahafahan’ny mpianatra miverina an-tsekoly. Naparitaka avy hatrany ireo tahiry nipetraka tany amin’ny Faritra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Nandritra ny fahamaizana tamin’ny 2023, dia trano lay vy 34 sy labasy 1 500 natao efitrano fianarana vonjimaika no nomen’ny UNICEF. Nomena tambatra fitaovam-pianarana (kahie, stylo, …) 308 sy tambatra fitaovana filalaovana hifalian’ny ankizy sy hamoha ny sainy amin’ny alalan’ny lalao ireo faritra tena voa mafy.