Ireo marefo indrindra no iantefan’ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro voalohany

Maro amin’ireo tra-boina tany atsimo-atsinanana sy atsimo-andrefana, no mbola miaina ao anaty loto vokatry ny rano niakatra teny amin’ny toeram-ponenany tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy.

Abela Ralaivita
Deux enfants évitant de marcher dans l’eau dans le quartier d’Ambohitsabo, dans le sud-ouest de Madagascar après le passage du cyclone Freddy.
UNICEF Madagascar/2023/Andriantsoarana
28 Martsa 2023

Misavorovoro ny ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra ao Ambohitsabo, an-tampon-tanàna’i Toliary, faritra atsimo-andrefan’i Madagasikara. Nanambara ny fiverenan’ny mpianatra any an-dakilasy mantsy ny tompon’andraikitra kanefa dia mbola olona enim-polo mahery, traboina nitondra faisana noho ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tamin’ny volana martsa 2023 no mitoby ao amin’izany toerana izany. Maherin’ny 500 no isan’ireo tra-boina tsy maintsy nampiantranoina vonjimaika tao amin’ny sekoly nandritra ny tapabolana. Maro tamin’izy ireny no mipetraka any amin’ny faritra iva ka dobon-drano hatrany isaky ny misy oram-be ary dia voatery tsy maintsy miala ny toeram-ponenany ny ampitson’ny fiavian’ny orana.  

 

« Nasaina nody izahay kanefa ny rano eny amin’ny faritra misy anay aza mbola manasa-dranjo. Tsy afaka mamelona anay intsony ny vadiko noho ny toetrandro ratsy » hoy ny fanazavan’i Valentine nanazava, reny iray nialokaloka teo am-body hazo iray sady miala ny hafanana mandoron’ny masoandro.

 

Mahaliana ilay fiaraha-monina avokoa izay vahiny rehetra mandalo satria miandry am-paharetana fatratra izy ireo manantena fa mba mety hisy fanampiana hozaraina ahafahan’izy ireo miaina. Maro no mbola te-hijanona eo amin’ilay toeram-ponenana vonjimaika. « Faly aho fa hiverina hianatra ny zanako anankitelo, rehefa niato roatokom-bolana. Feno fanahiana koa anefa aho raha hiverina hody satria mety hiteraka aretina ho anay ny rano maloto, indrindra ho an’ireo zanako », hoy Edmondine, izay manana zanaka mianatra ao amin’io sekoly io.

 

Olona 17 no maty tamin’ny fandalovan’iny rivo-doza Freddy iny ary eo ho eo amin’ny 190 000 ny olona tra-boina manerana ny Faritra 12 eto Madagasikara. Mpianatra manodidina ny 90 000, isan’izany ny zanak’i Valentine sy Edmondine, no voatery nahato tamin’ny fianarana nandritra ny fotoana lavabe satria simban’ny rivo-mahery ny sekolin’izy ireo na dobo noho ny fiakaran’ny rano.  

Deux filles déplaçant une table de chevet hors de leur maison afin de la mettre dans un endroit un peu plus sec.

Zazavavy anankiroa mamoaka sy mibata ny latabatra kely fatao eo an-dohafandriana ka mamindra azy ho amin’ny toerana maina kokoa

Un maçon installant le tarpaulin une bâche doté donnée par l’UNICEF afin de remplacer temporairement le toit d’une salle de classe décoiffé par le cyclone Freddy.

Mpanao trano mametaka takelaka labasy natolotry ny UNICEF hatao tafo vonjimaika amina efitrano fianarana iray izay nindaosin’ny rivo-doza ny tafo taila teo aminy 

Une latrine provisoire, fournie par l’UNICEF, installée au sur le site des sinistrées d’Ambohitsabo.

Lava-piringa vonjimaika naorin’ny UNICEF ho an’ny traboina ao Ambohitsabo

Hetsika hoenti-mamaha olana avy hatrany

Mifanampy ny fiarahamonina ao amin’ity toeram-ponenana vonjimaika ity mba hahafahana miatrika miaraka ny zavamisy. « Miezaka mifanohana ara-tsaina izahay hiatrehana izao sedra mafy izao », hoy i Edmondine. Anisan’ireo loha-laharana mitondra ny hoenti-manana hoenti-mamaly ny filàn’ireo mponina ny UNICEF sy ny mpiombonantoka aminy. Ireny no ahafahan’ireo mpiantsehatra ara-tsosialy miasa ho an’ireo tra-boina, singanina manokana amin’izany ny tohana ara-tsaina sy toro-hevitra azo ampiharina omena ny ankizy mba hahafahany mandresy ny fikorontanan-tsaina mahazo azy ireo. Eo ihany koa ny fitsaboana sy ny fanohanana ara-tsakafo nomen’ny UNICEF tsy tapaka taorian’ny fandalovan’ny rivodoza. 

 

«Nametraka fitaovana toy ny lava-piringa vonjimaika sy ny koveta fanasa-tanana teny amin’ny sekoly izahay ho fitandrovana ny maha-olona satria zava-dehibe tokoa izany. Efa hody ankehitriny ny tra-boina, ka hifantoka amin’ny fidiran’ny mpianatra sy ny fomba hamitana ny fandaharam-pianarana nisy fahatarana teo indray izao izahay », hoy ny fanazavan’i Sasany Idvertine, talen-tsekoly. Labasy, fanomezana avy amin’ny UNICEF no natao tafo vonjimaika ho an’ny efitrano fianarana mandra-pahavitan’ny fanamboarana. Ary hizarana fitaovam-pianarana koa ny mpianatra hisolo ireo fitaovana potika.

 

Mafy ny zavatra hatrehin’i Edmondine sy ny zanany rehefa ho tafaverina any aminy ry zareo. Tsy maintsy miaritra kelikely izy ireo vao hahatafaverina ny fiainany toy ny taloha. Eny, na ny sampan-draharaha miantsehatra amin’ny resaka fahadiovana aza dia tena miady fo manao ny ezaka mba hanalana ireo rano maloto mbola tavela eny an-toerana ka mampiasa milina mpisintona rano mandeha amin’ny herin’aratra, fanomezana avy amin’ny UNICEF izy ireo hanatanterahana izany.

 

 

Ny fandraisana andraikitr’ireo mpiantsehatra amin’ny lafiny samihafa no mamaha ny olana ateraky ny rivo-doza. Mifameno ny andraikitra raisina ka voavaly ny filàn’ny mponina, hoy Jacky Randimbiarison, manam-pahaizana manokana mikasika ny vonjy taitra ao amin’ny UNICEF Madagasikara.

    F

Miandalana ny fanarenana saingy tsy maintsy mampifanaraka ny asa ataony amin’ny fiovaovan’ny toetrandro i Madagasikara. Mamely mafy anaty velaran-tany midadasika ny haintany raha mandravarava manerana ny faritra maro eto amin’ny nosy kosa ny rivodoza sy ny tondra-drano. Mila apetraka ho laharam-pahamehana ny fanorenana foto-drafitrasa maharitra toy ny trano sekoly mahavita miatrika rivodoza sy/na ny fametrahana siniben-drano any amin’ny toerana saro-drano ato anatin’ny taona maromaro ho avy. 

 

Edmondine de retour chez elleentre chez elle, oùu plusieurs de ses biens ont été détériorés par les ’eaux salesouillées, entrée dans sa maison.
UNICEF Madagascar/2023/Andriantsoarana Tafaverina any amin’ny toeram-ponenany i Edmondine, na dia potika noho ny fidiran’ny rano maloto tafiditra tao an-tranony aza ny ankamaroan’ny fananany.
Les pieds abimés des enfants d’Edmondine après deux semaines ayant à circuleré dans l’eau du quartier d’Ambohitsabo.
UNICEF Madagascar/2023/Andriantsoarana Sarin’ny tongotry ny zanak’i Edmondine nandehandehanana tapabolana tao amin’ny toeram-ponenany teny Ambohitsabo.