UNICEF Madagascar - Hoavy tsaratsara kokoa ho an'ny ankizy
Newsletter enim-bolana faharoa - 2022

Amin'ity taona ity, ny UNICEF dia mitondra fanavaozana ary manakaiky kokoa ireo mpiara-miombon'antoka sy mpamatsy vola. Raha mbola mitohy ny hetsika sy fandraisana andraikitra isan-karazany ho an'ny ankizy, ny UNICEF dia maniry ny hizara ireo zava-bitany, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon'antoka rehetra.
Ny vonjy taitra any Atsimo – Manamafy ny fisiany maharitra ny UNICEF
Fanabeazana: Noho ny ezaka notontosain'ny UNICEF dia niverina an-tsekoly ireo olona marefo indrindra
Fahasalamana: Fanaovana vaksiny ny 80%-n-n’ny mponina, zavatra nimasoan’ny UNICEF tamin’ny 2022
Ankizy sy tanora, teny amin’ny lohalaharana raha ny resaka toetr'andro no asian-teny
Adisisika – Mpampirona fanta-daza anaty tambazotra sosialy, mba hiaro ny zon'ny ankizy
Inona no tokony ho fantatra mikasika ny…
Fantaro ireo mpiara-miasa aminay eny an-kianja!

Ny vonjy taitra any Atsimo – Manamafy ny fisiany maharitra ny UNICEF
Any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara dia tena mbola tsy zarizary ny toe-javatra iainan'ny mponina lasibatra voalohany amin'ny hain-tany sy ny hanoanana vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro:
- Manodidina ny 1.285.000 ny olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika,
- Ankizy maherin’ny 585.000 mahery anaty fahasahiranana
- Olona 187.000 fanampiny voakasiky ny rivodoza
- Tetibola ilaina: manodidina ny 40,08 tapitrisa dolara
- Tetibola voahaja tamin'ny taona 2022: 39%n’ny filàna
Ny famatsiam-bola azo dia ahafahan'ny UNICEF manohy ny làlana nizorany sy mahatratra ireo marefo indrindra ary mitady vahaolana mahakasika izay mety ho hetsika hotanterahina (fidirana an-tsehatra, fanamafisana, fanampiana, fanatsarana) isaky ny sehatra misy azy. Tena mampihetsi-po ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny mponina ao amin’ity fokontany Ehavo ity, izay nahazo tombontsoa tamin’ny fampiharana ny rafitra « Fampiasana ny rano amin’ny zavatra maro isan-karazany ». Toy izany koa, ny fananganana fotodrafitr’asa vaovao ho an'ny sekoly dia mariky ny fitrakana sy ny faharetana mivoatra tsikelikely. Ary ny tohana ara-bola dia ahafahan'ny fianakaviana maro miaina rivo-baovao amin'ny alàlan'ny fampiasam-bola amin'ny fanabeazana na amin'ny alàlan'ny asa mampidi-bola.

Fanabeazana: Noho ny ezaky ny UNICEF, miverina any an-tsekoly ireo tena marefo
Dingana iray fanampiny mankany amin'ny fisitrahana fanabeazana manara-penitra ho an'ny rehetra ! Nohon’ny hetsika “Miverena an-tsekoly sy mianatra” notanterahin’ny UNICEF Madagascar, dia miverina misokatra indray ireo sekoly, entina manome zo mitovy ho an’ny rehetra mba hahazoana fanabeazana.
« Tiako ny mandeha mianatra satria mahay mampianatra tsara ny mpampianatra ahy. Ary ny hariva dia faly aho manao entimody miaraka amin’ny ray aman-dreniko, » hoy i Séverin, 8 taona. « Nanamora ny fianaran’ny ankizy ireo kits azonay », hoy ny fanamarihan-dRabemananjara Victorien, mpampianatra ao amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra Lakovola, Faritra Boeny. Any amin’ny faritra Analanjirofo, i Emma, mpampianatra no manao tatitra momba ny soa azo tamin’ny fiofanana azony ary nanova ny fomba fiasany tamin’ny mpianatra iray manana olana amin’ny fihainoana. Mahavita manaraka tsara ny lesona toy ny mpianatra hafa rehetra izy izao, nohon’ny fomba fiasa sy ny fomba vaovao ampiasain'ilay mpampianatra.
“Miverena any an-tsekoly sy mianatra”? Izany dia midika famerenana ireo ankizy tena marefo any an-tsekoly ary koa ny fitazonana sy ny fanentanana ireo efa mandia fianarana. Ny hevi-dehibe mikasika ireo hetsika notanterahina dia mifandraika amin’ny fanofanana mpampianatra manodidina ny lohahevitra maromaro, ary koa amin’ny famporisihana ireo ray aman-dreny mba hifantoka amin’ny lanjan’ny fanabeazana ho an’ny hoavin’ireo zanany.
Ireo isa fototra:
- Mpampianatra maherin'ny 5.500 ao amin'ny biraom-paritra 8 no voaofana.
- Mpianatra miisa 227.000 nahazo tombotsoa tamin’ilay fandaharan’asa, izay nahitana fizarana “kits scolaires” mba hanentanana azy ireo hianatra.
- •Fametrahana fotodrafitr’asa ahitana efitrano fianarana, efitrano malalaka na lavapiringa.
Fahasalamana: Fanaovana vaksiny ny 80%-n’ny mponina, zavatra nimasoan’ny UNICEF tamin’ny taona 2022
Tena mbola laharam-pahamehana eo amin’ny firenena ny fanaovana vaksiny COVID-19 sy ireo vaksiny mahazatra ho an’ny ankizy, izay miantoka ny fahasalaman’ny mponina sy ny fiverenan’ny toekaren’i Madagasikara. Ny UNICEF, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, dia nampitombo ny ezaka nataon’izy ireo entina manatratra izany tanjona izany.
Nandray anjara tamin’ny ambaratonga ambony indrindra ny UNICEF Madagascar nandritra ny fitsidihan’ny komity iraisam-pirenena telo. Ny Fiaraha-miombon’antoka Maneran-tany momba ny Fitsinjarana ireo Vaksiny iadiana amin’ny COVID-19 (CoVDP) dia nitarika fifanakalozan-kevitra mba hanamafisana ny fanoloran-tena avo lenta avy amin’ireo mpisehatra rehetra amin'ny fampitomboana ny fandrakofana vaksiny COVID-19 sy ny famahana ireo sakana lehibe.
Ity fitsidihana ity dia niafara tamin'ny fiaraha-miombon'antoka nahazoan’ny rehetra tombony niaraka tamin'ny Ministeran'ny Fizahantany, izay nahafahan'ny UNICEF nanamafy ny toerany ho isan'ireo mpiara-miombon'antoka tena ilaina amin'ny fanaovam-baksiny. Nanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany tany Ampefy ny volana oktobra lasa teo sy ny Festival Marokintana tany Nosy-Be ny volana novambra ilay hetsika fanentanana mahery vaika natao tamin’ny volana oktobra.
Niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ireo ihany koa ny UNICEF mba hanomezana marika ireo orinasa miisa 8 nanao vaksiny maherin’ny 80 isan-jaton’ny mpiasany tamin’ny volana desambra.
Fanampin'izany, nifanesy ireo asa fanaovana adisisika sy fanohanana ara-teknika mikasika ny fampitsaharana ny fipariahan'ny poliovirus eto Madagasikara (cVDPV1) avy amin'ny Hetsika manerantany hamongorana ny lefakozatra (IMEP) sy ny Komity Afrikana manome fanamarinana ny lefakozatra (ARCC) mba hanavaozana ny Drafitra vonjy taitra momba ny famongorana ny lefakozatra ho an'ny enimbolana voalohany amin'ny taona 2023.
Farany, mitohy hatrany ireo ezaka fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana, ho fanohanana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka (MSANP) amin’ny jery todika feno momba ny fandaharan’asa mikasika ny fahasalamam-bahoaka.


Fomba fahitana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena – Ny fiverenan’ireo komity nasionaly sy ny mpanao gazety iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mizotra tsara ny fanarenana an'i Madagasikara taorian’ny valan'aretina COVID-19. Noraisin’ny UNICEF Madagascar ny komity nasionaly miisa efatra nandritra ny taona 2022, tao anatin’ny hetsika fanentanana ho an’ny fampivelarana ny zaza malagasy.
Araka izany, indroa miantoana no tonga teto Madagasikara ny Komity nasionalin’i Danoà mba hijereny ny fidirana an-tsehatry ny UNICEF izay vatsiany vola sy mbola tiany ho vatsiana vola. Tamin’ny volana janoary dia nisy telethon ho an’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika notanterahina tany amin’ny faritra Atsinanana, raha ny volana jona kosa, dia ilay mpaka sary fanta-daza, Jan Garup no nampiseho ny talentany nandritra ny hetsika fanentanana iray mba hiantohana ny fahazoana ny enti-manana ilaina ho an’i Madagasikara.
Tonga nanatanteraka tatitra an-tsary tany atsimon'ny nosy ny Komity Soisa mba hanokanany ny andiany isan-taona amin'ny « Twinkle Weeks » ho an'ireo ankizy lasibatry ny hain-tany sy ny hanoanana.
Ny Komity nasionalin'i Norvezy miaraka amin'ny mpiara-miombon'antoka aminy Kiwi, kosa indray dia hanokana « fanentanana ho an’ny Krismasy » ho fanangonam-bola ahafahana mividy sakafo ara-pahasalamana efa vonona ho an'ny zaza tsy ampy sakafo taorian'ny fitsidihana nampietsi-po tany amin’ny faritra Ambovombe.
Ny Komity nasionaly Frantsay kosa dia liana indrindra amin’ny olana mahakasika ny famatsian-drano any Atsimo Andrefana, amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasany miaraka amin’ny Volvic.



Ankizy sy tanora, eny amin’ny lohalaharana raha ny lafin’ny toetr'andro no resahina
Araka ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF tamin’ny taona 2021 dia anisan’ireo firenena folo voalohany maneran-tany ahitana ankizy atahorana indrindra ho lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Nanao fanentanana ny UNICEF Madagascar mba ahafahan’i Madagasikara manatevin-daharana ireo firenena 34 hafa nanao ny fanekena COP 25 tao Madrid izay mametraka ny tombontsoa sy ny fandraisan'anjaran'ny tanora sy ny ankizy ho fototr’ireo fanapahan-kevitra mifandraika amin’ny toetr'andro.
Izany no anton’ny fandraisan’anjara voalohan’ny UNICEF Madagascar tamin’ny fihaonambe COP 27, natao tany Sharm El Sheikh-Egypt, ny 6 ka hatramin’ny 18 Novambra 2022. Ny COP 27 dia fotoana ahafahana mampita ireo hafatra fanentanana manan-danja mba hanomanana sy hiarovana ary hametrahana ny ankizy tsirairay ho laharam-pahamehana amin'ny fanapahan-kevitra mahakasika ny toetr’andro. Ny UNICEF Madagascar dia nanotrona ireo tanora mpikatroka, solontenan’ny delegasiona malagasy tamin’ireo hetsika adisisika notanterahany teo anivon’ny fitondram-panjakana ho amin’ny fanaovan-tsonia ny Fanambaran’ny ankizy sy ny tanora ary ny hetsika momba ny toetr’andro novolavolain’ny UNICEF.
Max Fontaine, tanora malagasy 26 taona, mpanorina ny orinasa sosialy Bôndy, dia nanao fanambarana teny am-pamaranana ilay hetsika: « Amin’izao fotoana izao ny fiovaovan’ny toetr’andro fa tsy any aoriana any akory; ilaina ny fandraisana anjaran’ny tanora satria isika no voalohany ho lasibatry ny fiantraikan’izany». Ny tafatafa feno dia azo jerena eto.

Adisisika – Mpampirona amin’ny tambazotra sosialy fanta-daza, mba hiaro ny zon'ny ankizy
“Zon’ny Ankizy, mba tandrovy moa” na atao dikanteny tsotra hoe « Aoka isika hanome lanja ny zon’ny ankizy. » Tamin'ny taona 2022, ny mpitondra tenin'ny UNICEF Madagascar misahana ny fampiroboroboana ny zon'ny ankizy, Mirado, dia namoaka hira iray entina mampahatsiahy ny rehetra ny zo fototra ananan'ny ankizy tsirairay sy ho fiarovana ny tamberin'andraikitra eny anivon’ny ambaratonga rehetra. Toy ny tamin’ny lafin’ny fampiatiana sy fahasamihafana, dia miara-miasa amin'i Lova Renée, fantatra endrika indrindra tamin’ny resaka fihetsika sakana nandritra ny COVID-19, sy Luco, kintana vao misondrotra tany amin’ny faritr’i Amboasary ary Gilardy, tanora tratran’ny aretin’ny bobo.
Fa ny UNICEF Madagascar ihany koa dia mirehareha nanomboka tamin'ity taona ity nohon’ny fiaraha-miasa tamin'ilay mpampirona amin’ny tambazotra soialy, I am Lorah Gasy. Tena malaza amin'ny fiarovana ny zon'ny tovovavy sy ny vehivavy izy, sady mpanohana ny zon'ny ankizy ankehitriny ary mitondra hafatra ho an'ny fampiroboroboana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana, ohatra. Noraisiny an-tanana ny fanombohana ny lalao Ika'lio mba hanampiana ireo tovovavy amin’ny fikarakarana ny fidiovana mandritryy ny fadimbolana.
Inona no tokony ho fantatra mikasika ny…
COP 27 sy ny hetsika fanentanana ataonay
Ny COP 27 dia fotoana ahafahana mampita ireo hafatra fanentanana manan-danja mba hanomanana sy hiarovana ary hametrahana ny ankizy tsirairay ho laharam-pahamehana amin'ny fanapahan-kevitra mahakasika ny toetr’andro. Ny UNICEF Madagascar dia nanotrona ireo tanora mpikatroka, solontenan’ny delegasiona malagasy tamin’ireo hetsika adisisika notanterahany teo anivon’ny fitondram-panjakana ho amin’ny fanaovan-tsonia ny Fanambaran’ny ankizy sy ny tanora ary ny hetsika momba ny toetr’andro novolavolain’ny UNICEF.
Ny Fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana, fotoana iray anaovana adisisika
Ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny Fihaonana an-tampony ho amin’ny fanovana ny fanabeazana tamin’ny volana septambra, niaraka tamin’ny fanohanan’ny UNICEF, dia nahafahana nanasongadina ireo fanamby lehibe amin’ny fanabeazana eto amin’ny nosy sy ny fanohanana eo amin'ny lafiny famolavolana ireo politikam-panabeazana.
Ny fanadihadiana tamin'ny alalan'ny U-Report izay nanome feo ho an'ny tanora maherin'ny 3.000 momba ny lohahevitra toy ny kalitaon'ny fanabeazana, ny fidirana amin'ny aterineto any an-tsekoly, ny fahasalamana sy ny fiarovana any an-tsekoly ary ny loharanon-karena , ny fahaiza-manao any an-tsekoly izay naseho nandritra ny fihaonana an-tampony dia nitarika tamin'ny volavolan-dalàna vaovao momba ny fanabeazana natolotra ny Antenimierampirenena nandritra ny fivoriana parlemantera faharoa tamin'ny taona 2022
Andro maneran-tany ho an'ny ankizy sy ny « Going Blue » 2022
Ny ady amin’ny fanavakavahana amin'ny endriny rehetra no lohahevitry ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy tamin’ny taona 2022. Naseho tamin’ny alalan’ny fifanintsanana baolina kitra misy mpilalao 7 izay nokarakaraina tany amin’ny faritra 3 hiasan'ny UNICEF izany dia Antananarivo, Analanjirofo ary Androy. Ankizivavy, ankizilahy, ankizy manana fahasembanana, ankizy marefo… ny ekipa tsirairay dia naneho ny firaisankina ao anatin'ny fahasamihafana izay lohahivitra nezahin'ny UNICEF naseho nandritra ny fankalazana.
Ary toy ny isan-taona, ny lapan’i Manjakamiadana eto Antananarivo dia nohazavain'ny loko manga UNICEF nandritra ny folo andro teo ho eo. Hetsika nandraisan'i Madagasikara anjara miaraka amin'ireo firenena 190 maneran-tany entina hanasongadinana ny zon’ny ankizy.
Vonona amin’ny fiatrehana ny hamehana !
Isan-taona dia iharan'ny hamehana i Madagasikara noho ny loza voajanahary, miteraka hain-tany, rivo-doza ary tondra-drano.
Ho fanampiana ireo ankizy sy fianakaviana tra-boina, ny biraon'ny UNICEF eto Madagasikara dia manohana ny fandraisana andraikitra tarihin'ny governemanta amin'ny alàlan'ny Birao Nasionaly momba ny fitantanana ny loza (BNGRC). Ny UNICEF dia manohana manokana ny fampandrosoana ny drafi-piatrehana ny loza eny anivon' ny faritra sy eo amin' ny sehatra nasionaly, ny fanofanana ny teknisianina momba ny fomba fanombanana ny rivodoza sy ny tondra-drano, ary koa ny famolavolana ny drafitra entina mamonjy ireo traboina indrindra fa ireo niaran' ny hain-tany maharitra any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara. .
Fantaro ireo mpiara-miasa aminay eny an-kianja !
Sariaka Ranaivoson, vehivavy mpamily voalohany ao amin’ny biraon’ny UNICEF eto Madagasikara

Amin'ny maha-vehivavy voalohany sy hany mpamily ho an'ny UNICEF eto Madagasikara, Sariaka dia mizara izany traikefa izany amintsika. « Mampirehareha ahy ny mieritreritra fa izaho dia manao asa izay heverin'ny ankamaroan'ny olona ho natokana ho an'ny lehilahy. Ary tsy izany mihitsy ny zava-misy, ataoko io asa io ary ary tiako. Ankehitriny, tsy mbola nahatsiaro sambatra toy izao aho amin'ny zavatra ataoko. Ny fifanajana eo amin'ny samy mpiara-miasa dia tsapa, hita, iainana isan'andro ary tena mahafinaritra. Izany no zavatra mbola tsy niainako tao anatin’ny tontolon’ny asa. Azoko lazaina fa, ny toerana misy ahy amin'izao fotoana izao dia nanome ahy fahatokisan-tena feno ihany tamin’ny farany. » Efa nahazo traik’efa nandritra ny 12 taona teo amin’ny sehatry ny varotra i Sariaka talohan’ny nisafidianany hivadika tamin’ny sehatry ny fitaterana. Rehefa nahazo ny fanohanan’ny fianakaviany izy, na dia tsy takatry ny ankamaroan’ireo olom-pantany aza ny fanapahan-keviny, dia afaka nanaporofo tamin’izy ireo androany izy fa safidy tsara no noraisiny. “Faly aho fa anisan'ny mpiasan'ny UNICEF, izay miasa ho an'ny reny sy ny zaza, ary izany no zava-dehibe amiko. »
Tojo Ramaroson, Lehiben’ny Birao eny an-kianja, Faritra Analanjirofo

Toy izao ny tenin’i Tojo : « Tojo dia maso sy sofina ary feon’ny Solontenan’ny UNICEF eny anivon’ny faritra, mpitondra tenin’ny Solontena lefitry ny fampandehanan-draharaha ary saina manakiana ny Solontena lefitry ny fandaharan’asa amin’ny lafin-javatra miafina/tsy hita maso eny anivon’ny faritra. » Amin’ny maha Lehiben’ny biraon’ny UNICEF ao amin’ny Faritra Analanjirofo, any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara azy, dia mandray andraikitra stratejika izy izay mampifandray azy akaiky amin’ireo mpisehatra rehetra mba hisoloany tena ny UNICEF sy hiarovany ny zon’olombelona any amn’izany faritra izany. Mampivondrona ny ekipany i Tojo ary miantoka ny fampandehanan-draharaha araka ny tokony ho izy ao amin’ny birao iandraiketany izy, mba hanakaiky kokoa ny vondrom-piarahamonina eny an-toerana sy hirotsaka an-tsehatra amin’ny fomba mahomby manoloana ny fiverimberenan’ny rivodoza isan-taona any amin’ny faritra.
Marco Razanakolona, ny zavatra niainany niainga avy amin'ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy tao amin'ny Firenena Mikambana mandra-pahatongany ho Mpiandraikitra ny lafin’ny fanabeazana eo anivon’ny UNICEF, any atsimon'i Madagasikara.

Taorian'ny taona maromaro naha-mpampianatra azy tao amin'ny Ivotoerana ambony teto Antananarivo, dia nila fanamby vaovao i Marco, indrindra eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana sy ny maha-olona ary ny fijerena ny zava-misy eny an-kianja. Izany no antony nisafidianany ny ho lasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Firenena Mikambana, izay mifandraika amin'ny UNICEF mba handrakotra ny hetsika fanentanana momba ny fanaovam-baksiny, anisan'izany ny vaksiny miady amin’ny COVID-19, ny lefakozatra, ny kitrotro. Tsy nivadika tamin’ny fiantsoana voalohany azy anefa i Marco ka lasa Lehiben’ny sehatry ny fanabeazana tany Ambovombe izy, any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izay tena karankaina. Fanamby hafa napetrany izay hoatrehany ihany koa ny fisafidianana ny hiasa any Ambovombe. Mikasa ny hitondra ny anjara birikiny izy amin’ny fampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny fisitrahana fanabeazana sy ny kalitaon’izany fanabeazana izany, ho tombontsoan’ny ankizy any Atsimo.
Fisaorana mitafotafo ho an’ireo malala tanana mpamatsy vola !
Noho ny fanohanan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka aminay dia manohy manao izay rehetra azo atao ny UNICEF Madagascar mba hahafahan’ny ankizy tsirairay miaina sy mitombo ary mivelatra.
Tamin'ny taona 2022, ny fanoloran-tenanareo dia nahatonga ny ekipanay hitondra fanampiana tena ilaina ho an'ny ankizy. MISAOTRA !
