Eto Madagasikara, fiaingana vaovao ho an’ny ankizy noho ny tetik’asa fiahiana ara-tsosialy Zara Mira
Te ho lasa dokotera i Berthin, 13 taona. Noho ny tetik’asa Zara Mira dia afaka mandeha any an-tsekoly izy ary mandrafitra ny maha-izy azy mba hahafahany manao izany asa miantoka ho avy mamiratra izany indray andro any
Any Ifotaka, any atsimon’i Madagasikara, i Jean Berthin, 13 taona, dia manonofy ny ho mpitsabo indray andro any. Na dia mahatsapa ny fetran'ny fahasembanana ara-batana mahazo azy aza izy dia mametraka ny fanantenany rehetra amin'ny fianarany mba hanatratrarana ny tanjony. Saingy tena miteraka aretin'andoha ho an'ny ray aman-dreniny ny fampifandanjana ny fandaniana noho ireo iray tampo aminy telo mianadahy. Ireo ankizy ireo, ohatra, dia tsy nandia sekoly tamin’ny taom-pianarana 2020-2021 manontolo satria ny fitadiavana sakafo no laharam-pahamehan'ny fianakaviana tamin’izany. Tsy nisy ny vola hividianana fitaovam-pianarana sy handoavana ny saram-pianarana.
Nifindra monina tany Ilakaka i Berthin sy ny fianakaviany mba hitrandraka harena an-kibon-tany, saingy naleon’izy ireo niverina tany Ifotaka ka nahafahan’ny rainy nivaro-kena, ary nety tamin’izy ireo kokoa izany. Mahazo eo anelanelan'ny 2,000 (0,49 dolara) sy 3,000 Ariary (0,78 dolara) isan'andro ilay ankohonana hahazoana sakafo indray mandeha isan’andro farafahakeliny. Io fahantrana ara-bola io no tena sakana amin’ny fivelaran’i Berthin sy ny fianakaviany. Satria miaina amin’ny vola latsaky ny 1,90 dolara isan'andro izy ireo dia tena sarotra ho an'ny reniny ny mieritreritra izay mahasoa azy. « Tiako mba hahomby amin’ny fiainany ireo zanako. Ho an’i Berthin manokana dia faniriako ny hahazoany fahalalana satria tena voafetra ny fahafaha-manaony asa ara-batana, » hoy i Berthine Maho, reniny. Tena mora reraka tokoa i Berthin na dia amin'ny asa tsotra toy ny fisasana na ny fiakanjoana aza. Ho fanampin’izany dia tsy dia mihatsara firy ny toe-pahasalamany na dia eo aza ny fitsaboana ara-batana tao amin’ny tobim-pahasalamana fototra sy teny amin’ny mpitsabo any an-toerana narahany.
Kanefa misy ny fanantenana! I Berthin dia iray amin’ireo ankizy 20.000 avy amin’ny fokontany miisa 48 ao Ifotaka, izay misitraka ny tohana ara-bola ho an’ny ankizy sy ny fahafahana mitovy, amin’ny alàlan’ny programa fiahiana ara-tsosialy Zara Mira. Vokatry ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola Norveziana ho an'ny fanabeazana "Global-Education Fund" sy ny Fondation Findel, izy io dia fanohanana ara-bola mandritra ny 24 volana ho an'ny ankizy 0 ka hatramin'ny 15 taona. Vatsy ara-bola fanampiny ho an'ny olona manana fahasembanana ihany koa izy io, ary fepetra fanohanana mikendry ny fampitomboana araka izay azo atao ny fiantraikan'izany fanohanana izany eo amin'ny hatsaram-piainan’ny ankizy sy ny fanovana ny fitondran-tenan'ny ray aman-dreny, toy ny fanomezan-danja ara-toekarena ny vehivavy.
Fanomezam-panantenana ho an’ny fianakaviana manontolo ny fahazoana io tohana ara-bola isam-bolana io. Tamin'ny voalohany, ny vola azo dia nahafahana niantoka ny fiverenana an-tsekoly. Mianatra any Amboasary, 40 km miala ny tanàna misy ny fianakaviany manontolo i Berthin. « Nitombo ny fidiram-bolanay taorian’ny nisitrihanay ity programa ity. Mieritreritra ny hanofa trano akaiky kokoa ny toeram-pianarany izahay ary miantoka izay hiainany isan’andro: fividianana sakafo, fividianana arina ho azy, …» hoy ny fanazavan’ny reniny.
Ankoatr’izany, ilay tohana ara-bola dia nahafahana nanova ny fitantanana ny volan’ity fianakaviana kely ity. Voaloa tsy tapaka ihany koa ny saram-pianaran’ireo zandriny roa ary efa niverina nianatra izy ireo nitondra fitaovam-pianarana sahaza.