Emagnasoa, manokatra lalana ho an’ny ho avy ny fananana ny maha-izy azy ny tena

Ahitana fahombiazana tanteraka ny fampiasana ny fomba fiasa ifandrimbonana ao anatin’ny fandaharanasa Zara Mira, ao amin’ny distrikan’Ampanihy.

Danny Andrianarinjato
Emagnasoa et ses trois petites sœurs disposent dorénavant des actes de naissance. En même temps, ils sont tous bénéficiaires du progamme Zara Mira.
UNICEF Madagascar/2026/Andrianarinjato
26 Martsa 2026

Sivy taona i Emagnasoa. Mipetraka ao amin’ny fokontanin’i Sakamasay Ankilizato, any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izy sy ny reniny ary ireo zandriny vavy anankitelo. Kilasy fahatelo ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra iray eo an-tanàna i Emagnasoa. Nikolokolo nofy tsotra nefa matanjaka iray tao anatiny izy : dia ny ho lasa mpampianatra. Indrisy anefa fa toy ireo zaza malagasy maro dia efa tany am-pahaterahana no nanjavozavo ny ho aviny. Tsy nanao fanambarana teny amin’ny biraom-panjakana mikasika ny fahaterahany ny renin’i Emagnasoa. Noho izany dia tsy manana taratasim-pahaterahana izy. Kanefa io no taratasy tena ilaina hahafahany misitraka feno ny zony sy manohy ny fianarany aorian’ny sekoly fanabeazana fototra. « Teo aloha dia tsy nino loatra aho fa ho afaka manohy fianarana toy ny ankizy rehetra i Emagnasoa. Ary izay no tsy dia nampazoto ahy nikarakara ny taratasiny. Izay no nahatonga azy ho tara vao niditra am-pianarana».

Niova anefa izay zava-misy izay nohon’ny fisian’ny fandaharanasa Zaramira. Nisy ny fikarakarana ny didim-pitsarana fanoloana (jugement supplétif) nataon’ny Kaominina ary tamin’izany no nahafahan’i Emagnasoa nahazo ny kopiam-pahaterahana. Io taratasy io, izay mazàna heverina fotsiny ho taratasim-panjakana dia tena misy lanjany mihoatra noho izay maha kopiam-pahaterahana azy izay satria io no famantarana ara-dalàna fa misy ny olona iray ary ny fisian’io ihany koa no antoka ho an’ny ho aviny. Ankehitriny dia  afaka miatrika ny fanadinam-panjakana i Emagnasoa, ary afaka hahazo diplaoma sy afaka manohy ny fianarany tsy misy sakantsakana.

Na dia afaka mandeha an-tsekoly tsy misy kopiam-pahaterahana aza ny ankizy eto Madagasikara dia tsy azony atao kosa ny manao ny fanadinam-panjakana raha tsy manana io taratasy io izy. Mba ho fanamorana ny fahazahoana ny didim-pitsarana fanoloana (jugement supplétif) any amin’ireo toerana misy ny fandaharanasa Zara Mira dia miasa mivantana miaraka amin’ny mponina izy ireo mba hahazahoana antoka fa manana ny zo maha-olona azy ny ankizy. Rava araka izany ny endriky ny fanilikilihana an-kolaka. Ankehitriny dia afaka manatanteraka ny vinany ho an’ny hoavy ao anaty fahatokiana tanteraka amin’izay i Emagnasoa : dia ny ho tonga mpanabe any aoriana any ary handray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina misy azy. 

"Te ho tonga mpanabe aho rehefa lehibe. Tiako ny hampianatra ny ankizy ireo fahaiza-miaina sy ny hizara amin’izy ireo izay zavatra sy fahalalàna ananako."

Emagnasoa
Emagnasoa, sur le chemin vers son école.
UNICEF Madagascar/2026/Andrianarinjato Emagnasoa, eny an-dalana ho any an-tsekoly.
Emagnasoa devant leur salle de classe.
UNICEF Madagascar/2026/Andrianarinjato Emagnasoa, manoloana ny efitrano fianaran’izy ireo.

Nohon’ny fanohanana avy amin’ny  BMZ amin’ny alalan’ny  KfW na ny banky ho an’ny fampandrosoana sy ny fanjakana  irlandais amin’ny alalan’ny Irish Aid, dia mahatratra 14 646 ireo ankizy efa nahazo kopiam-pahaterahana any amin’ny distrikan’’Ampanihy, indrindra fa ireo avy ao amin’ny kaominina Ankilizato, Maniry, Ankilimivory ary Itampolo. Ny kopiam-pahaterahana tsirairay dia midika fa misy aina/olona ekena fa misy any ho any, misy fahaiza-manao afaka mivelatra ary misy dingana iray ho an’ny taranaka voaaro sy mahaleo tena.

Eo ankilany dia mahazo tohana ara-bola koa i Emagnasoa sy ireo zandriny telovavy ka lelavola  10.000 ariary (eo amin’ny 2,3 dôlara) isam-bolana isan’ankizy no raisina ao anatin’io fandaharana Zara mira io ihany. Nanomboka tamin’ny volana  martsa 2024, dia afaka niantoka ny fandaniana ho an’ny fianaran’ny zanany ny ray aman-dreny toy ny saram-pisoratanan anarana, ny fitaovam-pianarana ary ireo kojakoja ilaina andavanandro ao an-tokantrano.

Ao amin’ny Distrikan d’Ampanihy, dia mihoatra ny 14.000 ny tokantrano misitraka izany tohana ara-bola izany, ka miisa 40.600 ny ankizy  0 ka hatramin’ny 15 taona amin’izy ireo ary mahatratra 600 kosa ireo vehivavy mitondra vohoka. Natao ho famatsiam-bola ho an’ny ankizy rehetra sy ny olona manana fahasembanana ity fandaharanasa ity. Mahazo lelavola 10.000 Ariary isam-bolana ny tsirairay ao anatin’izany fandaharanasa izany. Kaominina efatra no nametrahana ny fandaharanasa dia  Ankilizato, Maniry, Ankilimivory et Itampolo. Telo taona no noheverina hanaovana ny fandaharanasa ary fanampiana ara-bola sy sahanasa hoenti-manamafy ny fahaizana miatrika toe-java-tsarotra ho an’ny tokantrano marefo no natao, indrindra mba hampiroboroboana ny zo fototra ho an’ny ankizy.

Après l’école, Emagnasoa adore dessiner durant son temps libre.
UNICEF Madagascar/2026/Andrianarinjato Tia manao sary i Emagnasoa rehefa avy any am-pianarana ka manana fotoana malalaka.