Fanampiana ara-bola, fanohanana lehibe ho an'ny fianakaviana marefo

Any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, ny fandaharan’asan’ny UNICEF ZARA MIRA dia manohana ireo fianakaviana sahirana sy ireo ankizy manana fahasembanana.

Rindra Rakotovoahangy
Dans le sud de Madagascar, le programme ZARA MIRA de l’UNICEF soutient les familles dans la précarité ainsi que les enfants avec handicap
UNICEF Madagascar/2023/Rakotovoahangy
14 Novambra 2023
Kazy, 50 ans et veuve habite dans le fokontany d’Ankilimasy, à plus d’une cinquantaine de kilomètres d’Amboasary au Sud de Madagascar.
UNICEF Madagascar/2023/Rakotovoahangy

Kazy, 50 taona ary maty vady, dia mipetraka ao amin’ny fokontany Ankilimasy, dimampolo kilometatra mahery miala an’Amboasary atsimon’i Madagasikara. Lohan’ny fianakaviana maro anaka izy ary mitaiza samirery ankizy miisa 8, ka anisan'izany ny zafikeliny iray.

Bénéficiaire du programme d’allocation monétaire ZARA MIRA, elle reçoit environ 36 USD tous les deux mois pour nourrir ses huit enfants.
UNICEF Madagascar/2023/Rakotovoahangy

Mpisitraka ny fandaharan'asa fanohanana ara-bola ZARA MIRA izy, ary mahazo manodidina ny 36 dolara isaky ny roa volana mba hamelomany ny zanany valo. Ahafahany mitazona ny asany eny an-tsaha izany. Ny zanany, ireo zokiny indrindra, dia manampy azy amin'ny fambolena anana, katsaka ary ovy.

Ny vomanga dia atao sakafon’ny fianakaviana manontolo fa ny ambiny kosa dia amidy eny an-tsena. Izany varotra madinika izany dia ahafahany miantoka ny fandaniany isam-bolana ho an-janany mandeha an-tsekoly: izany hoe 0,44 USD isaky ny ankizy, isam-bolana.

Kazy accorde une attention particulière à son petit garçon de 7 ans qui est trisomique.
UNICEF Madagascar/2023/Rakotovoahangy

I Kazy dia mikarakara manokana ny zanany lahikely 7 taona voan'ny aretin-tsaina. Tena faniriany raha indray andro any dia ho afaka ny ho mahaleo tena ary hanao asa mampidi-bola samirery io zanany lahikely io.

Dans le sud de Madagascar, le programme ZARA MIRA de l’UNICEF soutient les familles dans la précarité ainsi que les enfants avec handicap
UNICEF Madagascar/2023/Rakotovoahangy

Ho azy dia mahazo vola fanampiny isam-bolana mitentina 6,63 USD, miaraka amin'ny fanampiana mifandraika amin’ny fitoviana herijika ao anatin’ny fandaharan’asa ZARA MIRA ihany koa i Kazy. Amin'ny fotoana lavitr’ezaka dia hahafahany manatsara ny fiainany andavanandro sy manomana hoavy tsara kokoa izany vola izany.

Efa nanomboka ny volana jolay 2022 no nisian’ny fandaharan’asa ZARA MIRA tany Ifotaka, atsimon’i Madagasikara ary ny KFW no mamatsy vola azy io amin’izao fotoana izao. Mandrakotra tokantrano miisa 6.700 ahitana vehivavy bevohoka sy zaza 17.500 izany. Misy vola fanampiny ihany koa natokana hanampiana ireo ankizy manana fahasembanana.