Firaisankina sy fanantenana : tanàna iray manangana ny hoaviny

Ao amin’ny tanànan’i Aloalo II, ao amin’ny faritra Anosy, dia mifanome tanana ny fianakaviana maro mba hanomanana hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny zanany.

Abela Ralaivita
Portrait de Tolotra, 12 ans, fils de Haovasoa, portant fièrement un chevreau appartenant à la famille.
UNICEF – PAM Madagascar/2025/Andriantsoarana
13 Oktobra 2025

Mibaliaka vao maraina ny andro, efa manomboka manafana ny masoandro, mariky ny fiafaran’ny ririnina ao Aloalo II. Io dia tanàna kely any amin’ny 2 km miala ny renivohitry ny kaominina Ifotaka, any amin’ny faritra Anosy, atsimon’i Madagasikara. Tafahaona ao anaty fivoriana isan-kerinandro indray ny mpikambana 25 ao amin’ny fikambanana manao tahirim-bola iombonana. Mangina ary mifantoka tanteraka ny rehetra, satria resaka vola no iadiankevitra eto.

Anisan’ny mpandray anjara  maharaka fivoriana tsara i Haovasoa.  Vehivavy 40 taona izy ary manan-janaka  11 isa. Mahasolo no anaran’ny vadiny  ary efa ela izy no mpikambana ao amin’ity fikambanana ity. 

« Niditra ho mpikambana aho satria afaka mitahiry sy mindrana vola rehefa ilaina. Tena manampy ahy izany mba hiveloman’ny fianakaviako sy mba hivoaranay tsikelikely », 

hoy izy.

Noho ireo vola azo trosaina sy ny fanohanana ara-bola avy amin’ny programa fiahiana ara-tsosialy Zara Mira, dia nahavita nanangana tsenakely i Haovasoa. Afaka nanatsara ny voly ao amin’ny tanimbary iombonana ihany koa izy ary nividy osy telo izay efa niteraka enina.

Tamin’io andro io dia nisy vehivavy dimy nitafy akanjo manga misy ny famantarana ny programan’ny mpiara-miombon’antoka aminy tonga tao amin’ny fivoriana. Izy ireo no antsoina hoe ray aman-dreny mpitarika. Mpikambana mavitrika izy ireo ka manampy ny fianakaviana amin’ny diany mankany amin’ny fiatrehana ny fiainana. Anisan’izany i Mary Florine, izay tompon’andraikitra ihany koa amin’ny fitanana an-tsoratra mandritra ny fivoriana.

« Ny ray aman-dreny modely dia manentana mikasika ny fomba fanao tsara amin’ny lafiny sakafo sy fahasalamana ary ny fanabeazana. Manentana ihany koa izy ireo momba ny rano madio, fahadiovana sy fidiovana, fitovian’ny lahy sy ny vavy, maha-olom-pirenena ary ny zon’olombelona. Ampianarin’izy ireo ao anatin’ny sehatra mahasoa ihany koa ny fomba fitadiavam-bola sy ny asa famokarana, hahafahana manamafy ny fahaleovan-tenan’ny tokantrano », hoy izy. Eo amin’ity toerana ity ihany koa no anomezana fanampiana ireo vehivavy ireo amin’ny fanaparitahana ny Fomba Fanao Fototra ao an-tokantrano. Eo no atao ny hetsika fanabeazana ny ankizy amin’ny alalan’ny lalao sy ny fifanankalozana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.

Réunion du groupe d’épargne communautaire du village d’Aloalo II.
UNICEF – PAM Madagascar/2025/Andriantsoarana Fivorian’ny fikambanana manao tahirim-bola iombonana ao amin’ny tanànan’i Aloalo II.
Haovasoa, son mari et leur fils au champ potager communautaire du village.
UNICEF – PAM Madagascar/2025/Andriantsoarana Haovasoa sy ny vadiny ary ny zanany lahy ao amin’ny zaridaina iombonana ao an-tanàna.

Tetikasa mitohy amin’ny  sehatra maro

Araka ny fepetra napetraky ny tetikasa, izay mandray an-tanana ankizy latsaky ny 15 taona sy ny vehivavy bevohoka ary ny olona manana fahasembanana, dia efatra amin’ny zanak’i Haovasoa no mahazo fanampiana isam-bolana ao anatin’ny tetikasa Zara Mira.

Na dia efa nifarana aza ny tetikasa manome vatsy ara-bola, dia mbola misokatra hatrany kosa ny birao (guichet) sosialy. Nandeha tao i Haovasoa sy ny fianakaviany mba hitondra ny kopia nahaterahana sy ireo antontan-taratasy hafa Ilaina. Izany no nataony mba hanaovana ny fanambarana ny nahaterahan’ ny zanany faralahy: i Tanjona izay sivy volana. Ankoatra izany dia misy ihany koa ny drafitra fivoahana novolavolaina miaraka amin’ireo mpisitraka, tarihin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny FID, izay manampy hanamafisana ny fahaleovan-tenan’ny fianakaviana.

Eo anivon’ny birao sosialy (guichet social) dia ny mpiasan’ny tetikasa no mandray ireo fitarainana sy manara-maso ny tranga mahakasika ireo tokantrano mpisitraka. Izy ireo ihany koa dia manomana ny fanentanana momba ny lohahevitra isan-karazany.  

Eto Madagasikara dia ahitana ankizy miisa 500 000 eo ho eo misitraka ny tetikasa fiahiana ara-tsosialy.

Ny tetikasa fiahiana ara-tsosialy toa ny Zara Mira dia tsy fanampiana ara-bola fotsiny ihany, fa manome fanohanana feno: fampianarana momba ireo fomba fanao tsara amin’ny maha-ray aman-dreny, fandrahoan-tsakafo mifanaraka amin’ny filan’ny ankizy, fanentanana amin’ny fitehirizam-bola iombonana, fanabeazana ara-bola, fanohanana ny fianakaviana amin’ny asa mampidi-bola, sy sehatra maro hafa. Ireo fanohanana ireo dia manampy ny fianakaviana hahavita mandamina ny hoavy sy hiatrika ireo fanamby isan’andro. Vokatr’izany fanohanana izany dia afaka manantena hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny zanany ireo ray aman-dreny, sady manamafy ihany koa ny firaisankinan’ny fiarahamonina.

L’agent du guichet social saisit les informations de l’enfant sur une tablette numérique.
UNICEF – PAM Madagascar/2025/Andriantsoarana Ny mpiasan’ny birao sosialy (guichet social), manoratra ny mombamomba ny ankizy amin’ny solaitra nomerika.
Portrait de Haovasoa, son mari et quelques-uns de leurs enfants.
UNICEF – PAM Madagascar/2025/Andriantsoarana Sarin’i Haovasoa sy ny vadiny ary ny zanany sasany.

Fanamarihana : Ireo hetsika ireo dia tanteraka noho ny tetikasa fanamafisana ny fiatrehany fiarahamonina amin’ny fiarovana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana eto Madagasikara. Izany tetikasa izany dia tohanan’ny BMZ, amin’ny alalan’ny KfW Banky ho an’ny Fampandrosoana. Ny PAM sy ny UNICEF miaraka amin’ny kaominina Itampolo (distrikan’i Ampanihy), Sihanamaro (distrikan’i Ambovombe), ary Tsivory sy Ifotaka (distrikan’i Amboasary) kosa no mpanananteraka. Maharitra 60 volana izy io, nanomboka tamin’ny desambra 2022 ka hatramin’ny desambra 2027, ary sitrahan’ny olona miisa 105 650, anisan’izany ny fianakavian’i Notsimbininiavo.