Mamolavola ny hoavin'ny zanaka amin'ny alàlan'ny fampiasam-bola azo antoka.

I Claudia, tovovavy feno fanirian-daza, dia nahita ny fiovana teo amin’ny ankohonany taorian'ny nidirany tao amin'ny vondrona misahana tahirim-bola ho an'ny vondrom-piaraha-monina.

Abela Ralaivita
Claudia, an ambitious young woman from Ambodivoanio, saw her life and that of her family transformed after joining a community savings group supported by UNICEF and its partners.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA
05 Oktobra 2024

Vao telo taona monja no niara-nipetraka i Claudia sy Eddy Michel, dia efa tsapan’izy ireo ny firoboroboan’ny seham-piariany. Ity mpivady erotrerony mpamboly ity dia monina any Ambodivoanio, tanàna any avaratra atsinanan’i Madagasikara, izay ahitana toe-tany mando mahatsara ny fambolena. “Tamin’ny taona 2021, dia nanapa-kevitra hiditra tao amin’ny vondrona misahana tahirim-bola ho an'ny vondrom-piaraha-monina teo an-tanànanay aho, satria te hanatsara ny fiainanay mba hahasoa ny zanako roa. Resy lahatra aho fa hahatratra izany tanjona izany rehefa miditra ao anatin’izany vondrona izany”, hoy ny fanazavan’i Claudia.

Ahitana mpikambana manodidina ny roapolo ilay vondrona misy azy ary ahafahan’ny tsirairay mifehy ny hoaviny ara-bola amin'ny alàlan'ny fanaovana tahirim-bola kelikely tsy tapaka izany. Afaka mindrana vola avy amin’ny tahirim-bola iombonana ihany koa ireo mpikambana, ka manamora ny fahazoana ireo loharano ilaina hamatsiana ny filàn’ny tena manokana na ny tetikasa ara-toekarena izany. Nanomboka nanangom-bola i Claudia ary rehefa nampiasaina amin’izay ny vola voaangona, dia afaka nanavao ny tranon'izy ireo izy. Nanaraka ny diany ny vadiny tamin’ilay tsingerina manaraka ka niditra ho mpikambana ihany koa. Nivoatra tsikelikely izy ireo, ka afaka nividy tany ary avy eo dia nanorina trano vaovao hafa indray ary nividy fitaovana an-tokantrano ihany koa.

Claudia watering the vegetable field she cultivates with her husband.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA

« Ny fidirana amin'ity vondrona ity dia tena manome fandrisihana goavana ho anay, satria ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana ara-bola izay azonay dia ahafahanay manatanteraka ny tetikasanay, ” hoy i Claudia.

Claudia
Claudia and her daughter
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA Claudia sy Edmina, zanany vavy dimy taona, mandeha an-tongotra mankany amin’ny lalambika eo an-tanànany
Claudia in the distillation unit where she will transform clove leaves into essential oil to sell.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA I Claudia dia mila mandatsaka ampahany amin'ny menaka hanitra amin'ny tompon'ilay lalambika.
Eddy Michel making traditional stoves out of clay.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA I Eddy Michel dia manamboatra fatana nentim-paharazana amin'ny alàlan’ny fitaovana eo an-toerana

Olona tena manana herim-po

Tena tsy lany hevitra mihitsy i Claudia sy Eddy Michel raha vao resaka fampivoarana ny asa fitadiavam-bola no asian-teny. Amin’izao fotoana izao, toy ny ankamaroan’ny mponina ao an-tanàna, i Claudia dia mamadika ravin-jiro ho lasa menaka hanitra izay amidiny ao amin’ny tanànan’i Vavatenina, 5 kilometatra miala ny tranony. Ny vadiny kosa indray dia nianatra nanamboatra fatana nentim-paharazana ary lasa anisan'ireo mpamatsy lehibe teo an-tanàna. Nampitaina tamin’izy ireo tamin’ny alàlan’ny fiofanana, tao anatin’ny hetsika tanterahan’ny vondrona misy azy, izany fahaiza-manao izany, noho ny fanohanan’ny fikambanana iray any an-toerana.

Nandritra ny fivoriana fanao isan-kerinandro izay tontosaina isaky ny talata, dia nilatsaka antsitrapo ihany koa izy amin'ny fanomanana ny sakafo iombonana zaraina amin'ny faran'ny fotoam-pivoriana. Nisy hetsika hafa ihany koa nandritra ireny fivoriana ireny, satria fotoana ahafahana mampita hafatra manan-danja izany, toy ny fanentanana momba ny sakafo mahavelona sy ny fampisehoana mahandro sakafo. “Ny torohevitra nomen’ny mpanentana ara-pahasalamana no nahafantarako ny maha zava-dehibe ny fanomezana sakafo isan-karazany ny zanako ka tsy nitsahatra nanome izany azy ireo aho, ” hoy i Claudia.

Ao amin'ity tanàna ity, izay misy tokantrano 165, dia ahitana vondrona misahana tahirim-bola ho an'ny vondrom-piaraha-monina telo manana mpikambana mavitrika miisa 69. “Mikarakara fifaninanana ny vondrona misahana tahirim-bola mba hamporisihana ny fanavaozana sy ny fandraisan’anjaran’ireo mpikambana, izay mahasoa ny fiaraha-monina manontolo”, hoy Razamany Moderant, mpandrindra ny fandaharan’asa ao amin’ny fikambanana manohana io hetsika io.

“Hijanona ho isan’ireo mpikambana ao amin’ity vondrona ity hatrany aho mba hahafahako mifantoka amin’ny famatsiana ara-bola ny fianaran’ny zanako”, hoy i Claudia teo am-pamaranana.

Claudia
Claudia preparing a variety of nutritious meals at home.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA I Claudia ihany koa dia mahandro sakafo ho an'ny ankohonany, araka ny fomba fanao mahakasika ny sakafo mahavelona.
Portrait photo of Claudia and her family.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA Sarim-pianakaviana miaraka amin'ny zanany, Edmina, dimy taona, ary Junica, iray taona sy tapany

Fanamarihana: any amin’ny faritra Analanjirofo, ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy dia manohana ireo vondrona ireo, ao anatin’ny tetikasa Hafa velontegna, amin’ny alàlan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Komity Nasionaly hollandais ho an'ny UNICEF.