Mélissa Da Costa, mamita iraka miaraka amin’ny UNICEF Madagasikara
Mpanoratra boky ankafizin’ny mpamaky maro be i Mélissa Da Costa. Nanolo-tena ho an’ny ankizy any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izy. Ity no fotoana voalohany nidinany ifotony niaraka tamin’ny UNICEF ary resy lahatra tanteraka izy.
- Français
- Malagasy
Nanomboka ny taona 2023, no niara-niasa amin’ny UNICEF France sy ny Livre de Poche ity mpanoratra ity. Teraka tao anatin’izany fiaraha-miasa izany ny boky La Faiseuse d’étoiles, tantara nosoratana ho fanohanana ny ankizy. Isaky ny boky iray amidy dia misy roa euros milatsaka amin’ny kitapom-bolan’ny UNICEF natokana hanohanana ireo ankizy tena marefo. “Ho ahy dia tsy fiaraha-miasa tsotra izany fa fomba iray tena izy hirotsahana an-tsehatra. Amin’ny alalan’ny teny sy ny asa soratro no hanaovako izany” hoy i Mélissa.
Niara-niasa tamin’ny UNICEF France sy ny Livre de Poche izy ary nanapa-kevitra ny handeha hijery mivantana ny vokatry ny fanohanana ataony.
Dia mankaty Madagasikara : nosy lehibe indrindra aty amin’ny Ranomasim-be Indiana i Madagasikara. Anisan’ireo firenena 10 ahitana ny ankizy marefo indrindra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny Fandrefesana mikasika ny Loza ateraky ny toetr’andro ho an’ny ankizy namoahan’ny UNICEF lahatsoratra tamin’ny 2021. Ny faritra Androy, any atsimon’i Madagasikara no tena voa mafy tamin’ny rivo-doza Honde sy Joda tamin’ny taona 2025. Potika avokoa ny voly, niongotra ny tafon-tsekoly ary nihena ny fahafahan’ny tobim-pahasalamana miasa.
Tany amin’ny tanànan’Ankaranabo, no nahitan’ i Mélissa ny fandaharan’asa écovillage — fandaharan’asa marolafy tohanan’ny UNICEF izy io, mijery izay mahasoa ny ankizy sy ny fianakaviany manoloana ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ao amin’ny Sekoly Ambaratonga Faharoa fototra sy ny tobim-pahasalamana eo an-toerana dia ahitana takelaka misintona ny masoandro izay manome herinaratra maharitra, manatsara ny fianarana sy ny fahafahana mampiasa fitaovana nomerika, ary manazava ny efitrano fitsaboana sy fiterahana.
Nohatsaraina ihany koa ny fisitrahana rano fisotro madio. Akaiky paompy fatsakana rano ny mponina. anisan’izany ny sekoly sy ny CSB, noho ny fanitarana ny foto-drafitrasa momba ny rano ka nanorenanan siniben-dranoroa sy paompy miisa sivy. Mianatra mamboly ao anaty zaridaina iombonana ny mponina miaraka amin’ny ankizy, ka mahazo sakafo ara-pahasalamana kokoa.
«Mahazo rano fisotro madio, fahadiovana, fitsaboana eto ny ankizy. Misy herinaratra ary misy zaridaina koa », hoy izy tamim-pihetseham-po.
Ity tanàna ity dia ohatra iray mampisy fanantenana ao anatin’ny faritra iharan’ny haintany, fahasimban’ny nofo-tany sy tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ary tsy fanjarian-tsakafo amin’ny ankizy.« Tsy fantatro ny halehiben’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny fahitana ankizy tena marefo sy ny fahafantarana fa ny fambolena legioma tsotra dia afaka mamonjy aina… dia tena manaitra sy mampianatra», hoy izy.
Ny faritra Androy no manana taha ambony indrindra amin’ny fahamaizan’ny vatana amin’ny ankizy ary taha ambany indrindra amin’ny sakafo voalanjalanja sahaza ho an’ny ankizy (latsaky ny 5%). Mihamafy izany noho ny fiovaovan’ny toetr’andro: tsy fahampian’ny orana, fidinan’ny vokatra sy ny faharitan’ny harena voajanahary. Izany no maha-zava-dehibe ny fandaharan’asa toy ny écovillage.
Manova ny fiainan’ny mponina ireo vahaolana tsotra nefa mahomby tohanan’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka, anisan’izany ny UNICEF France ireo: ny zaridaina an-tsekoly, ny fanentanana momba ny sakafo voalanjalanja, ary ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio.
« Maniry aho mba hahazo tombontsoa toy izao avokoa ny ankizy rehetra any amin’ny faritra atsimo sy manerana an’i Madagasikara: mba hihena ny tsifanjarian-tsakafo, mihena ny aretina mpahazo ny-jaza, ary mitombo ny fanantenana », hoy izy.
Mitohy ny fanoloran-tena ataon’ny Livre de Poche sy i Mélissa Da Costa satria latsa-paka tao anatiny sy nahakasika azy ny zavatra hitany.
Maniry hanakorisa ny peniny i Mélissa Da Costa ankehitriny ka hanentana olona maro kokoa, hanangonana fanampiana bebe kokoa sy hampahatsiahy fa ny ankizy rehetra, eto Madagasikara sy maneran-tany, dia manan-jo hanana ho avy mendrika sy salama.
« Ny zavatra hitako teto manamafy ny fahavononako hanohy ny fanoloran-tenako. Ny soratra dia afaka ho asa mivaingana, asa firaisankina », hoy izy namarana.
Biographie :
I Mélissa Da Costa dia isan’ireo mpanoratra be mpamaky indrindra any Frantsa ankehitriny. 34 taona izy ary efa tia manoratra hatramin’ny fahazazany.
Nahazo diplaoma momba nytoekarena, fitantanana ary fifandraisana izy, ary niasa tamin’ny sehatra tsy miankina. Avy eo dia nirotsaka tamin’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana ary niasa tamin’ny rafitra eo an-toerana. Ireo traikefa ireo dia nanamafy ny fahatsapany ny olana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana.
Hatramin’ny fahatanorany dia tsy nitsahatra nanoratra izy. Namoaka bokiny voalohany izy tamin’ny taona 2019, ary tena fahombiazana lehibe no azony.
Taorian’izay dia efa namoaka boky valo izy, mikasika lohahevitra toy ny faharetana, tontolo iainana, fifandraisana amin’ny hafa ary fikatsahana hevitra eo amin’ny fiainana.
Ho azy, ny fanoratana dia tsy zavakanto fotsiny, fa fitaovana iray hanampiana sy hanohanana ny hafa.