Ny fandaharanasa fiahiana ara-tsosialy taorian’ny loza dia natao hanampiana ny fianakaviana hiarina

Taorian’ny fandalovan’ny rivo-mahery tany Atsimo ny fanombohan’ny taona 2025 dia navadika ho fiahiana ara-tsosialy hoenti-miatrika ny voina ny fandaharanasa Zara Mira mba hoenti-manampy ireo tokantrano marefo monina ao Ampanihy.

Danny Andrianarinjato
FILIANE lors du paiement de l’allocation monétaire
UNICEF Madagascar/2025/Andrianarinjato
28 Jolay 2025

33 taona i Filiane ary manana zanaka fito, mipetraka ao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Tsiasimo izy, any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara. Mpisitraka ny famatsiana ara-bola Zara Mira izy ary mandray vola 10 000 Ariary (na 2,2 USD) isam-bolana isan-jaza hatramin’ny nanombohan’ny fandaharanasa tamin’ny volana A2024 tao amin’ny firaisam-pokontany misy azy. Nandritra ny fijoroana vavolombelona nataony dia nilaza izy fa manampy azy amin’ny fividianana ireo zavatra tena ilaina ho an’ireo zanany toy ny fianarana, ny sakafo sy ny fitafiana ny fanampiana omena azy. Misitraka ireo fianarana asa izay natao ho fepetra fanohanana miaraka amin’ny fanohanana ara-bola koa izy. 

FILIANE et ses sept enfants
UNICEF Madagascar/2025/Andrianarinjato

« Ankoatry ny tosika ara-bola dia nahazo fanofanana maromaro koa aho mikasika ireo asa azo atao hoenti-mampidi-bola. Niditra ho mpikambana tamin’ny fikambanana iray izay noforoninay sy ny mpifanolo-bodirindrina amiko koa aza aho, fikambanana mpiara-mitahiry volaizy io. Ary ankoatr‘izay dia nahazo fiofanana teknika hoenti-manatsara ny vokatry ny fambolena ataoko koa aho ary nampihariko eny an-tanim-boliko izy ireny ».

Mampalahelo anefa fa taorianan’ny fandalovan’ny rivo-doza tropikaly Honde sy Jude tamin’ny volana Martsa 2025, dia tafalatsaka tanaty fotoan-tsarotra i Filiane sy ny fianakaviany satria rava sy feno rano ireo tanim-pambolena katsaka sy voantsiroko ary voamaina hafa kanefa ireo no tokony hiantoka ny taona mandra-pahatongan’ny taom-piotazana manaraka.Ankoatry ny fahasimbana teny an-tsaha dia rava sy simba noho ny tondra-drano koa ny trano sy ny fitaovam-pianaran’ireo zanany. « Mba nanantena izahay fa hitondra orana hahafahanay mamboly bebe kokoa ny rivo-doza saingy indrisy fa nivadika ny rasa.  Tsy manana vokatra antenaina intsony izahay amin’ito taona ito fa lasan’ny rivo-doza avokoa ny katsaka sy voatsiroko. Na ny zaridaina nataoko teto an-tokontany aza dia nentin’ny rano avokoa. Maty ihany koa ny biby fiompy vokatry ny tondra-drano ka namidy malaky ireo sisa velona. Tena maty antoka izahay, ka voatery nanapa-kevitra handao anay hiasa any an-tany lavitra ny vadiko mba hahafahanay mivelona».

FILIANE ao anatin’ny tanimboly fambolena katsaka sy voamaina izay ravan’ny rivo-doza
UNICEF Madagascar/2025/Andrianarinjato Ny voly rehetra noheverina hiantoka ny taona mandrapaha-tonga ny taom-piotazana manaraka no potiky ny rivo-doza.
FILIANE ao anatin’ny zaridaina kely namboariny eo an-tokontaniny
UNICEF Madagascar/2025/Andrianarinjato Nanamboatra zaridaina i Filiane ka namboleny katsaka, voantsiroko sy voamaina hafa tao anatiny. Indrisy anefa fa ravan’ny tondra-drano avokoa izany

MBa hoenti-manohana ny tokantrano mandritra ny fotoian-tsarotra dia mivadika ho fiahiana ar-tsosialy hoenti-miatrika ny voina ny fandaharanasa Zara Mira mahazatra ka lelavola mitentina 120 000 Ariary (26 USD) mandritra ny roa volana no sitrahan’ireo tokantranon’ny mpisitraka tsirairay. Ny fiahiana ara-tsosialy hoenti-miatrika ny voina dia zaraina mandritra ny fotoan-tsarotra mba hahafahan’ny tokantrano miatrika ireo voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro toy ny rivo-doza, haintany, …. Isam-bolana no atao ny fandoavana ny vola ary lelavola mitovy no raisin’ny tokantrano tsirairay.

FILIANE ao anatin’ilay zaridaina namboariny eo an-tokontaniny
UNICEF Madagascar/2025/Andrianarinjato Nanamboatra zaridaina i Filiane ka namboleny katsaka, voantsiroko sy voamaina hafa tao anatiny. Indrisy anefa fa ravan’ny tondra-drano avokoa izany
FILIANE lors du paiement de l’allocation monétaire
UNICEF Madagascar/2025/Andrianarinjato Mahazo fanampiana ara-bola mitentina 120 000 Ariary (na 26 USD) isam-bolana izay raisina isaky ny roa volana izy mba hoenti-manampy ny fianakaviany, indrindra amin’ny resaka fampidirana ny zanany an-tsekoly sy ny zakafo ho an’ireo zanany ireo

« Ny mividy fitaovam-pianarana ho an-janako no laharam-pahamehana ho ahy mba hahafahan’izy ireo miverina mianatra. Izaho rahateo tsy mba afaka nandia sekoly ka tsy tiako hiaina ny zavatra niainako ny zanako. Ny ambiny kosa dia handeha hamidiko masomboly mba hanenjehana ny fotoam-pambolena ary koa hividianako sakafo hampifamenoana amin’izay vokatra kely tavela eny an-tsaha», hoy ny nambaran’i Filiane.

Ao amin’ny distrikan’Ampanihy, dia misytokantrano 14 000 no misitraka ny fandaharanasa Zara Mira (PSRC). Efatra ireo firaisampokontany misitraja ity fandaharanasa ity (Itampolo, Ankilizato, Maniry, Ankilimivory) ka ny 6 000 amin’ireo tokantrano ireo dia tohanan’ny banky Alemana KFW raha ny fanjakana Irlandais IRISHAID kosa no manohana ny tokantrano 8 000 hafa, ahitana ankizy 45 000 sy reny mitondra vohoka 600 ao anatin’ireo tarehimarika ireo.