Fomba fanao tsara kokoa ho an'ny fianakaviana vokatr’ireo fepetra fanohanana natolotry ny ZARA MIRA

Any amin’ny faritr’i Fitovinany, any atsimo atsinanan’i Madagasikara, ireo fianakaviana marefo dia nampiasa fomba fanao vaovao vokatry ny fandaharan’asa fanampiana ara-bola ZARA MIRA.

Rindra Rakotovoahangy
Rosiane, entourée des 4 de ces 6 enfants
UNICEF Madagascar/2023/Rakotovoahangy
14 Novambra 2023
Babao, 25 ans est bénéficiaire de l’allocation Zara Mira avec son Mari et ses 2 enfants
UNICEF Madagascar/2023/Rakotovoahangy

Babao Nirina, 25 taona, dia monina any amin’ny 18 kilometatra miala ny tanànan’i Manakara, miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany roa. Mpamboly izy ary mpisitraka ny fandaharan’asa ZARA MIRA hatramin’ny taona 2022 niforonan’izany.

Ankoatra ny fanampiana ara-bola dia ahitana hetsika fanohanana isan-karazany ho an'ny ray aman-dreny tanora ihany koa ny fandaharan’asa Zara Mira. Lohahevitra maro no voadinika ao anatin’izany, toy ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ny sakafo ara-pahasalamana, ny lohahevitra mifandraika amin'ny fanadiovana sy ny fidiovana, ny fanabeazana, ny fampivelarana ny zaza madinika, ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ny fiahiana ny ankizy…amin'ny alàlan'ny vangivangy arahana dinika, vondrona fihainoana na fifampiresahana tsy tapaka eo amin'ireo ray aman-dreny mpisitraka ilay fandaharan’asa.

 

Voarain’i Babao manokana ny fanentanana mikasika ny fananana kabone tsy itambarana amin’ny hafa. Nahafahany nahafantatra ny loza mety ateraky ny fangerena an-kamalanjana amin'ireo ankizy madinika izany. Nanomboka teo dia nanangana kabone teo amin’ny toerana tsy lavitry ny tranony izy mivady.

Tsy i Babao irery ihany akory no nanomboka nampiasa izany fomba fanao vaovao izany. I Rosiane, izay mpisitraka iray hafan’ilay fandaharan’asa ihany koa, renim-pianakaviana manan-janaka 6, dia manatrika tsy tapaka ny fivoriana karakarain’ireo mpanentana eo amin’ny fiaraha-monina. Nilaza ho nahatsapa andavan’androm-piainana milamina kokoa izy hatramin’izay nampiharany ilay fomba fanao nanaovana fanentanana.  

Anisan’ireo lohahevitra noresahina nandritra ny hetsika ny fanentanana momba ny maha zava-dehibe ny fananana kopia nahaterahana ho an’ny ankizy tsirairay mba hananany ny maha-izy azy ka hahazoany misitraka hatrany ny fandaharan’asa Zara Mira. Tsy niandry ela i Rosiane sy ny vadiny tamin’ny fanoratana ara-panjakana ilay zananikely roa volana fony izy vao teraka. Araka izany dia nahazo ny kopia nahaterahany izy ireo izay hiantoka ny fahafahany misitraka ara-dalàna ilay fandaharan’asa mandra-pahatapiny.

Efa nanomboka ny volana janoary 2022 no nampiharina tao Tataho ny fandaharan’asa ZARA MIRA izay vatsian’ny Fondation Findel vola amin’izao fotoana izao, ary mandrakotra tokatrano miisa 1500, ahitana ankizy miisa 4800.

Babao possède désormais une latrine grâce aux activités d’accompagnement des jeunes parents
UNICEF Madagascar/2023/Rakotovoahangy