Ireo ray aman-dreny dia tonga hatrany amin’ny fanolorana ny taniny ho fanatsarana ny fanabeazana
Mara Justin, manan-janaka 4 mianatra ao amin'ny Sekoly Bevitika dia nanao fanomezana ny taniny izay hananganana trano fianarana roa fanampiny atsy ho atsy.

Noho ilay hany toky milaza fa ny fampianarana no mijanona ho lova tsara indrindra ho an’ireo ankizy 4 ireo dia nanolotra maimaimpoana ny taniny i Mara Justin, raim-pianakaviana manan-janaka mianatra sady Ben’ny tanànan’i Bevitika, any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, mba hanaovana ny fanitarana ny sekoly. Izany velaran-tany izany dia ahafahan'ny ankizy mahazo tokotany hilalaovana sy hialana na voly, raha toa kosa ny trano haorina eo dia hahitana efitrano fianarana roa sy efitrano malalaka ahafahana manao fampisehoana mahakasika ny taranja siantifika.
« Tsy nila namelabelatra ny heviny ela ny ekipan’ny UNICEF sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mba handresena lahatra ahy amin’ny fanomezana ny taniko izay mifanila amin’ny trano fianarana ankehitriny. Tsizarizary ny toe-javatra eto ary mino tanteraka aho fa ny fahazoana fanabeazana no làlana tsara indrindra hivoahana amin’izany, » hoy izy.
Trano misy efitrano fianarana roa amin’izao fotoana izao no misy ny ambaratonga 4 ao amin’ilay kolejy ho an’ny fampianarana ankapobeny, izay misy mpianatra miisa 95, ahitana zazalahy 47 sy zazavavy 48. « Araka ny hitanareo, mbola lamba no manasaraka ny efitrano fianarana roa mba hahafahan’ny rehetra manaraka ny fianarana sy mamita ny programany. Mazava ho azy fa mifankaheno izahay, saingy tsara kokoa izany nohon’ny tsy misy », sady mbola misento ihany i Mara Justin.
Ny UNICEF, miaraka amin'ny fanohanan'ny Komitim-pirenena Japoney, dia hiantoka ny fananganana ilay trano vaovao mba hahazoana antoka fa ny ankizy rehetra dia hisitraka fanabeazana sy fianarana tsara kalitao. Ny fotodrafitrasa voalohany dia vokatry ny fidirana an-tsehatry ny UNICEF sy ireo tompon'andraikitra ara-panabeazana mba hanomezana tontolo fianarana sahaza ny ankizy. Izany trano fianarana vaovao izany dia hampitombo ny fahahafahan’ilay sekoly mandray mpianatra, ka tanora miisa 145 no andrasana hanampy ny isan’ireo mpianatra ao.

